2023
Nahoana isika no mila manao batisa ho an’ireo razambe?
Septembra 2023


“Nahoana isika no mila manao batisa ho an’ireo razambe?” Ho zatovo mahery! Sept. 2023.

Valiny fohy sy mivantana

Nahoana isika no mila manao batisa ho an’ireo razambe?

Sary
zatovolahy miaraka amin’ny taratasy kely eo anoloan’ny tempoly

Nampianatra i Jesoa Kristy fa ny olona rehetra dia tsy maintsy atao batisa mba hidirana ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra aorian’ity fiainana ity (jereo ny Jaona 3:5). Saingy maro ny olona tsy nanana izany fahafahana izany.

Andriamanitra dia nanambara fa ireo izay efa nodimandry ka tsy mbola vita batisa dia afaka mahazo ny filazantsaran’i Jesoa Kristy hotoriana amin’izy ireo any amin’ny tontolon’ny fanahy (jereo ny 1 Petera 3:18–19; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:30–33). Nambarany ihany koa fa azo atao batisa amin’ny anaran’ireo olona ireo ny velona (jereo ny 1 Korintiana 15:29; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124; 128). Tsy maintsy atao eto an-tany ireo batisa ireo.

Afaka mikaroka firaketana momba ireo razambe isika ary manatontosa batisa ho azy ireo any amin’ny tempoly. Izany dia manome azy ireo fahafahana hanaiky ny batisa, izay ilaina amin’ny fanjakana selestialy.

Ny Loholona D. Todd Christofferson dia nilaza hoe: “Ny ezaka ataontsika eo amin’ny toeran’ny maty dia mijoro ho vavolombelona tsara fa i Jesoa Kristy no ilay Andriamanitra Mpanavotra ny olombelona rehetra. Ny fahasoavany sy ireo fampanantenany dia mitolotra na dia amin’ireo izay tsy nahita Azy nandritra ny fahavelomany aza” (fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôkt. 2000 [Ensign, Nov. 2000, 11]).

Hamoaka printy