2023
Mahatsapa ho mikorontan-tsaina, na mitebiteby, na malahelo ve ianao?
Septembra 2023


“Mahatsapa ho mikorontan-tsaina, na mitebiteby, na malahelo ve ianao?” Ho zatovo mahery! Sept. 2023.

Fanampiana amin’ny fiainana

Mahatsapa ho mikorontan-tsaina, na mitebiteby, na malahelo ve ianao?

Ireto misy zavatra vitsivitsy azonao atao momba izany.

Sary
comparateur misy loko sy endri-tava samihafa

Ny fitsapana fikorontanan-tsaina

Toy ny ahoana ny fahatsapanao hoe malahelo na mikorontan-tsaina?

Raha toa ianao ka miaina fahakiviana, na fahatahorana, na fahaketrahana maharitra na tebiteby, dia mitadiava fanampiana amin’ny alalan’ny firesahana amina olon-dehibe azo itokisana. Azonao atao koa ny manandrana ireo torohevitra vitsivitsy ao amin’ny fizarana miloko mavo (indrindra fa ireo zavatra fototra!), saingy indraindray mety mila fanampiana bebe kokoa ianao, ary tsy maninona izany.

Raha manana fahatsapana te hamono tena ianao dia mitadiava fanampiana avy hatrany. Antsoy ny laharan-taribin’ny mpanolotra fanampiana vonjy maika, na ny sampan-draharahan’ny pôlisy, na ny hôpitaly any amin’ny toerana misy anao.

Zavatra mitranga mahazatra ny fahatsapana tebiteby, alahelo na fikorontanan-tsaina indraindray. Ireo fihetseham-po ireo dia matetika ateraky ny toe-javatra iainana ary tonga sy lasa izany rehefa miova ny fiainana. Andramo ireo torohevitra vitsivitsy izay mety hanampy!

Ireo zavatra fototra

  • Mitodiha any amin’ny Ray any An-danitra. Maheno sy mamaly ny vavaka ataonao Izy. Hanampy anao hiatrika ireo olana atrehanao Izy.

  • Mifantoha amin’i Jesoa Kristy. “Tsy dia misy ifandraisany loatra amin’ny toe-javatra mitranga eo amin’ny fiainantsika ilay fifaliana tsapantsika, fa tena misy ifandraisany amin’ny zavatra ifantohan’ny fiainantsika kosa izany.”1

  • Manompoa ny hafa. “Rehefa mahafoy tena amin’ny fanompoana ny hafa isika dia mahita ny fiainantsika manokana sy ny fahasambarantsika manokana.”2

  • Tandrovy ny fahasalaman’ny fanahinao. Vakio isan’andro ny soratra masina, mandehana any amin’ny tempoly rehefa afaka, mandraisa ny fanasan’ny Tompo, tandremo ny fanekempihavananao, ary mibebaha isan’andro. Mangataha tsodranon’ny fisoronana rehefa mila izany ianao.

  • Tandrovy ny fahasalaman’ny vatanao. Matoria tsara sy manaova fanatanjahan-tena, ary hajao ny Tenin’ny Fahendrena.

Raha mahatsapa fitebitebena ianao

  • Mifantoha amin’ny toe-javatra misy ankehitriny. Tsy manampy ny miahiahy momba ny hoavy na ny mikorontan-tsaina momba ny lasa. Ny amin’izao fotoana izao no hany zavatra azonao ovaina.

  • Manokàna fotoana hakana aina. “Fa tsy takiana ny hihazakazahan’ny olona iray haingana kokoa noho izay tratry ny heriny” (Môzià 4:27).

  • Manàna fomba fisainana mijery ny lafy tsaran-javatra. Ny fahatsapana zavatra ratsy dia mety ho vokatry ny fieritreretana zavatra ratsy. Ny fieritreretana zavatra tsara dia afaka mampihena ny tahotrao sy tebitebinao.

Raha malahelo ianao

  • Fantaro fa tafiditra ao anatin’ilay drafitra ny fitsapana. Ny fiainana toe-javatra sarotra dia tsy voatery midika fa manao zavatra tsy mety ianao. Matokia fa hampatanjaka anao ny Ray any An-danitra ary hiara-hiasa ireo fanamby atrehinao ho tombontsoanao (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:24; jereo koa ny Romana 8:28; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:5–9).

  • Mifantoha amin’ny fankasitrahana. Soraty ny zavatra izay ankasitrahanao isan’andro, ary ataovy izay hisaorana ny Ray any An-danitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:1).

  • Manaova zavatra izay ankafizinao. Manokàna fotoana iarahana amin’ny namana sy ny fianakaviana, manandrama fialam-boly vaovao, mihainoa mozika mampahery, na manomàna zavatra atao mahafinaritra.

Raha toa ianao ka mahatsapa fa misy tsy ampy eo amin’ny maha-ianao anao.

  • Fantaro fa tsy voatery ho tonga lafatra akory ianao. “Ety an-tany ny fahatanterahana dia mbola -andrasana.-”3 Aza mampitaha ny tenanao amin’ny hafa, eo amin’ny fiainana tena izy na ao amin’ny tambajotran-tserasera.

  • Miresaha amin-katsaram-panahy amin’ny tenanao. Aoka ho tsara fanahy amin’ny tenanao ianao toy ny ho ataonao amin’ny namanao. Hiresaka aminao amin-katsaram-panahy koa ny Fanahy Masina ary tsy haneso na hanambany anao velively.

  • Fantaro fa ny Mpamonjy dia afaka mitondra fiovana. Maty noho ny fahotantsika i Jesoa Kristy ary nitondra teo Aminy ny fanaintainantsika sy ny aretintsika ary ny rofintsika (jereo ny Almà 7:11–12). Raha manetry tena isika dia nampanantena Izy fa “ny zavatra malemy dia hatao[ny] tonga matanjaka ho azy” (Etera 12:27). Mety mahatsapa ianao fa misy tsy ampy eo amin’ny maha-ianao anao rehefa irery ianao, saingy afaka ny ho feno ny maha-ianao anao miaraka Aminy.

Fehin-kevitra

Azo antoka fa hanana andro maro ianao hahatsapanao ho matoky tena sy vonona hiatrika ireo fanambin’ny fiainana. Na manao ahoana na manao ahoana ny fahatsapanao ny maha-ianao anao, dia ataovy izay hanohizanao ny fanaovana ireo zavatra fototra.

Mivavaha amin’ny Ray any An-danitra na dia mora aza ny fiainana. Mifantoha amin’ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho anao sy ny fiainany ary ny fampianarany, na dia mandeha tsara aza ny zava-drehetra. Avy eo rehefa mahatsapa fihetseham-po sarotra ianao, dia ho vonona kokoa hiatrika azy ireo.

Hamoaka printy