Ho zatovo mahery!
Mifalia amin’ny fanomezampahasoavan’ny fanalahidin’ny fisoronana
Mey 2024


Fivoriana alahady tolakandro

Mifalia amin’ny fanomezampahasoavan’ny fanalahidin’ny fisoronana

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina

Hisintona ny endrika PDF

Tsy ho nisy tamintsika afaka nahazo ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana tena ilaina izay mamatotra antsika mandrakizay amin’ireo akaiky ny fontsika ary mamela antsika hiaina miaraka amin’ Andriamanitra amin’ny farany, raha tsy nisy ny fanalahidin’ny fisoronana. …

Manome antsika fahefana hanome ireo fitahiana nampanantenaina an’i Abrahama ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy mpitandrina fanekempihavanana rehetra ny fanalahidin’ny fisoronana. Mahatonga ireo fitahiana tena tsara ireo ho azon’ny zanak’ Andriamanitra rehetra sitrahana ny asa atao any amin’ny tempoly, na taiza na oviana no niainany, na iainany ankehitriny. …

Ahafahan’ny lehilahy sy vehivavy mpitandrina fanekempihavanana tsirairay hianoka manokana tombontsoa ara-panahy mahatalanjona ny fanalahidin’ny fisoronana naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith. …

Ry rahalahy sy ranabavy malalako, indro ny fampanantenako. Tsy misy na inona na inona hanampy anareo kokoa hifikitra mafy amin’ilay anja-by mihoatra noho ny fitsaohana tsy tapaka ao amin’ny tempoly araka izay hamelan’ny toe-java-misy iainanareo. Tsy misy na inona na inona hiaro anareo kokoa rehefa tojo ny zavon’ny haizin’izao tontolo izao ianareo. Tsy misy na inona na inona hanamafy ny fijoroana ho vavolombelona anananareo momba an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny Sorompanavotany na hanampy anareo hahatakatra kokoa ny drafitr’ Andriamanitra mahatalanjona. Tsy misy na inona na inona hampitony kokoa ny fanahinareo mandritra ny fotoam-pahoriana. Tsy hisy hanokatra ireo lanitra kokoa. Tsy misy!

Ny tempoly no vavahady ahazoana ireo fitahiana lehibe indrindra avy amin’ Andriamanitra ho antsika tsirairay avy, satria ny tempoly no hany toerana eto an-tany izay ahafahantsika mandray ireo fitahiana rehetra nampanantenaina an’i Abrahama. …

Aoka isika hifaly amin’ny famerenana amin’ny laoniny ireo fanalahidin’ny fisoronana izay manome fahafahana ahy sy ianao hianoka ny fitahiana ara-panahy rehetra izay ananantsika fahavononana ny handray sy mendrika ny horaisintsika.

Hamoaka printy