Ho zatovo mahery!
Fitokiana amin’ny fanekempihavanana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy
Mey 2024


Fivoriana sabotsy maraina

Fitokiana amin’ny fanekempihavanana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina

Hisintona ny endrika PDF

Ry rahalahy sy anabavy malala, manana ny iray amin’ireo hery matanjaka indrindra izay afaka ny ho azontsika eto amin’ity fiainana ity ireo izay mahazo ny fitokiana tena izy amin’ireo fanekempihavanana natao tao amin’ny tranon’ny Tompo tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy. …

Ahoana no ahazoantsika fitokiana toy izany amin’ny alalan’i Jesoa Kristy? Izany dia tonga amin’ny alalan’ny fanetrentena, fampifantohana ny fiainantsika amin’ny Mpamonjy, fiainana araka ny fitsipiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, fandraisana ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana, ary fanajana ireo fanekempihavanana ataontsika amin’ Andriamanitra ao amin’ny tranony masina. …

… Fantatro fa rehefa mahita na dia soritry ny faniriana na koa ezaka madinika amim-pahamarinana aza ny Tompo eo amin’ny fahavononantsika hampifantoka ny fiainantsika Aminy sy amin’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana ataontsika ao an-tranony, dia hitahy antsika Izy amin’ny fombany tonga lafatra miaraka amin’ireo fahagagana sy ireo famindram-po lehibe izay ilaintsika.

Toerana ahafahantsika ho voaova amin’ny fomba tsara sy masina kokoa ny tranon’ny Tompo. … Manome toky anareo aho fa manova antsika tanteraka ny fananana ny Fanahin’ny tranon’ny Tompo ao anatintsika. …

Hitohy hampientanentana sy hanentana ny fanahy ary hitahy antsika ny fanorenana tempoly izay mitohy sy hafainganina hatrany. Ny zava-dehibe kokoa anefa, rehefa manova ny fiomanantsika hiditra ny tempoly isika dia hanova ny zavatra iainantsika ao anatinʼny tempoly isika, izay hanova ny fiainantsika any ivelanʼny tempoly. Enga anie izany fiovana izany hameno antsika amin’ny fitokiana amin’ireo fanekempihavanana masina nataontsika tamin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

Hamoaka printy