Ho zatovo mahery!
Fanekempihavanana sy andraikitra
Mey 2024


Fivoriana alahady maraina

Fanekempihavanana sy andraikitra

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina

Hisintona ny endrika PDF

Ny fanekempihavanana dia fanolorantena hanatanteraka andraikitra sasantsasany. Tena manan-danja ireo fanolorantena ataon’ny tena manokana amin’ny fifehezana ny fiainan’ny isam-batan’olona sy amin’ny fampandehanana ny fiaraha-monina. …

Rehefa tonga ny fotoana hamerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, dia niantso mpaminany iray Andriamanitra, dia i Joseph Smith izany. … [Ny Bokin’i Môrmôna] no loharano fototra amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ho an’ny fahafenoan’ny filazantsara, anisan’izany ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ireo zanany, ary feno firesahana momba ny fanekempihavanana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. …

Ireo fanekempihavanana no fototra tamin’ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara. Miharihary izany amin’ireo dingana voalohany nasain’ny Tompo horaisin’ny Mpaminany tamin’ny fananganana ny Fiangonany. …

Manorina tempoly manerana an’izao tontolo izao Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ny tanjon’izy ireny dia ny hitahy ireo zanak’ Andriamanitra ao anatin’ny fanekempihavanana amin’ny fitsaohana any amin’ny tempoly sy amin’ireo andraikitra masina ary ireo hery sy fitahiana miavaka noho ny fifamatoran’izy ireo amin’i Kristy izay azon’izy ireo amin’ny alalan’ny fanekempihavanana.

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia fantatra amin’ny maha-fiangonana manantitrantitra ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra. Ny fanekempihavanana dia mifaningotra amin’ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana tsirairay avy izay tantanan’ity Fiangonana naverina tamin’ny laoniny ity. Ny ôrdônansin’ny batisa sy ireo fanekempihavanana mifandray amin’izany no fepetra amin’ny fidirana ao amin’ny fanjakana selestialy. Ireo ôrdônansin’ny tempoly sy ireo fanekempihavanana mifandray amin’izy ireny no fepetra amin’ny fisandratana ao amin’ny fanjakana selestialy, izay fiainana mandrakizay, ilay “fanomezana lehibe indrindra amin’ny fanomezana rehetra avy amin’ Andriamanitra.” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7]. Izany no ifantohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Hamoaka printy