Ho zatovo mahery!
Fifaliana lehibe kokoa
Mey 2024


Fivoriana sabotsy tolakandro

Fifaliana lehibe kokoa

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina

Hisintona ny endrika PDF

Indrisy fa sarotra ny mahita fifaliana ho an’ny olona maro. …

… Tsy mariky ny tsy fahombiazana ny fahatsapana alahelo. Eto amin’ity fiainana ity, farafahakeliny, dia mpinamana tsy mifankafoy ny fifaliana sy ny alahelo. …

Izaho ihany koa anefa dia niaina mivantana ilay fiantombohana feno voninahitra izay mameno fifaliana lalina tokoa ny fanahy ka zara raha vita ny mihazona izany tsy hivoaka. Fantatro manokana fa azo avy amin’ny fanarahana ny Mpamonjy sy ny fanarahana ny ohatra nasehony io fatokian-tena feno fiadanana io.

Tsy mitovy amin’ny fanomen’izao tontolo izao ny fiadanana omeny antsika. Tsara kokoa izany. Ambony sy masina kokoa izany. …

Tsy nanafina ny lalana mankany amin’ny fahasambarana ny Raintsika any An-danitra. Tsy tsiambaratelo izany. Afaka mahazo izany ny rehetra!

Izany dia ampanantenaina an’ireo izay mandeha amin’ny lalana maha-mpianatra, manaraka ny fampianarana sy ny ohatry ny Mpamonjy, mitandrina ny didiny, ary manaja ny fanekempihavanana ataon’izy ireo amin’ Andriamanitra. …

… Toetran’ny zavatra rehetra eto an-tany ny mihalehibe, lo, simba, na lasa maina. Fa ny fifaliana araka an’ Andriamanitra kosa dia mandrakizay satria mandrakizay Andriamanitra. …

… Mamelà ahy handroso dingana vitsivitsy enti-manomboka io dia ilaina hatao mba hahitana fifaliana marina io.

Mandritra ireo andro, herinandro ary volana ho avy, dia mamelà ahy hanasa anao:

  • Hanokana fotoana hanaovana ezaka amin-kitsim-po omban’ny faniriana rehetra hanakaiky an’ Andriamanitra.

  • Hikatsaka amim-pahazotoana ireo fotoana hisian’ny fanantenana sy fiadanana ary fifaliana isan’andro.

  • Hitondra fifaliana ho an’ny hafa. …

Enga anie isika rehetra hikatsaka ka hahita ilay fifaliana lehibe kokoa izay azo avy amin’ny fanokanana ny fiainantsika ho an’ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanany malalany.

Hamoaka printy