Ho zatovo mahery!
Ny tenivavolombelon’i Jesoa
Mey 2024


Fivoriana alahady tolakandro

Ny tenivavolombelon’i Jesoa

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina

Hisintona ny endrika PDF

Inona no atao hoe tenivavolombelon’i Jesoa?

Izany no tenivavolombelona avy amin’ny Fanahy Masina fa Izy no ilay Zanak’ Andriamanitra masina, ilay Mesia sy Mpanavotra. …

Ankoatra io tenivavolombelona io dia mipetraka ilay fanontaniana hoe: Ataontsika inona izy io?

“Mandray” ny tenivavolombelon’i Jesoa amin’ny endriny feno indrindra ireo mpandova ny fanjakana selestialy amin’ny alalan’ny fanaovany batisa, ny fandraisany ny Fanahy Masina ary ny fandreseny amin’ny alalan’ny finoana. …

Inona no dikan’ny hoe maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa?

… Azo antoka fa tafiditra ao amin’ny hoe maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa ny fikolokoloana sy ny fanamafisana orina izany tenivavolombelona izany. Ireo mpianatra marina dia tsy manao tsinontsinona ireo zava-bitika mamelona sy mampatanjaka ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesoa, toy ny vavaka, ny fandalinana soratra masina, ny fitandremana ny andro Sabata, ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo, ny fibebahana, ny fanompoana, ary ny fitsaohana any amin’ny tranon’ny Tompo. …

Ny hoe maherifo dia midika ihany koa hoe maneho ankahalalahana sy ampahibemaso ny tenivavolombelon’ny tena. …

Lafiny iray amin’ny hoe maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa ny manaraka ireo izay nirahiny. …

Ny hoe maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa dia midika hoe mankahery ny hafa amin’ny teny sy ohatra mba ho maherifo toy izany koa, indrindra ireo fianakaviantsika manokana. …

Ny lafiny iray farany amin’ny hoe maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa holazaiko dia ny fikatsahantsika tsirairay ny fahamasinan’ny tena manokana. …

Ny fanasako dia ny hanaovanao zavatra amin’izao ankehitriny izao hiantohana ny toeranao ho isan’ny maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa.

Hamoaka printy