Ho zatovo mahery!
Manan-danja ny teny
Mey 2024


Fivoriana alahady maraina

Manan-danja ny teny

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina

Hisintona ny endrika PDF

Manan-danja ny teny! …

Indrisy fa ny teny dia mety ho tsy voahevitra, natao maimaika ary mandratra. …

Etsy an-kilany, ny teny dia afaka mankalaza fandresena, afaka ny ho feno fanantenana sy mandrisika. Afaka mitaona antsika hieritreritra tsara, hanavao sy hanova ny fizotran’ny lalantsika izy ireny. Ny teny dia afaka manokatra ny saintsika ho amin’ny fahamarinana.

Izany no antony mampanan-danja indrindra ny tenin’ny Tompo. …

Ny finoana sy fitandremana ny tenin’ Andriamanitra dia hahatonga antsika hanakaiky Azy kokoa. …

Faharoa, manan-danja ny tenin’ireo mpaminany.

Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny maha Andriamanitra an’i Jesoa Kristy ireo mpaminany. Mampianatra ny filazantsarany izy ireo sy mampiseho ny fitiavany ny rehetra. …

… Manan-danja amin’ny Tompo sy amintsika ny tenin’ny mpaminany.

Fahatelo, ary tena manan-danja, ireo teny ambarantsika. …

… Noho izany dia tandremo izay teneninao sy ny fomba hitenenanao azy. Ao amin’ny fianakaviantsika, indrindra eo amin’ny mpivady sy ireo zanaka, dia mampiray antsika na mampisara-bazana antsika ny teny ambarantsika.

Mamelà ahy handroso andian-teny tsotra anankitelo izay azontsika ampiasaina mba hanesorana ny fanaintainana ara-pihetseham-po ateraky ny olana sy ny fahasamihafana, sy mba hifankaherezana ary mba hifanomezana toky.

“Misaotra.”

“Miala tsiny aho.”

Ary “Tiako ianao.” …

Mampanantena aho fa raha toa isika ka “mivoky amin’ny tenin’i Kristy” [2 Nefia 32:3] izay mitondra mankamin’ny famonjena, sy ny tenin’ny mpaminanintsika izay mitarika sy mankahery antsika, ary amin’ireo tenintsika izay milaza hoe iza isika sy inona no zava-tsarobidy amintsika, dia hirotsaka amintsika ny herin’ny lanitra.

Hamoaka printy