Ho zatovo mahery!
Hilamina ny zava-drehetra noho ireo fanekempihavanan’ny tempoly
Mey 2024


Fivoriana sabotsy maraina

Hilamina ny zava-drehetra noho ireo fanekempihavanan’ny tempoly

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina

Hisintona ny endrika PDF

Ry rahalahy sy anabavy, mijoro ho vavolombelona amim-panetrentena aho fa afaka ny hahatsiaro ny toetra mandrakizain’ny fanahintsika, sy ny fifandraisantsika amin’ny Ray sy ilay Zanakalahiny masina, ary ny faniriantsika faratampony mba hiverina any amin’ny fonenantsika any an-danitra isika rehefa mandeha any amin’ny tempoly. …

Nanafaingana ary hanohy hanafaingana ny fanorenana tempoly manerana izao tontolo izao ny Tompo, eo ambany fitarihana feno fitaomam-panahin’ny Filoha Nelson. Hanome fahafahana ny zanak’ Andriamanitra rehetra mba handray ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana ary mba hanao sy hitandrina fanekempihavanana masina izany. …

Afaka mamorona lamin’ny fahafoizan-tena ho an’ny Tompo ny fandraisana anjara matetika amin’ireo ôrdônansin’ny tempoly. Manasa ny Fanahy Masina ho namana ianao mba hampatanjaka anao sy hanadio anao, rehefa mitandrina ireo fanekempihavanana nataonao tany amin’ny tempoly ary mahatsiaro azy ireo. …

Amin’ny alalan’ny fanekempihavanan’ny famehezana ao amin’ny tempoly no ahafahantsika mahazo antoka ny amin’ny fifandraisan’ny fianakaviana mifono fitiavana izay hitohy aorian’ny fahafatesana ary haharitra mandrakizay. Hanome fiarovana amin’ny zava-dratsy ateraky ny fitiavan-tena sy ny fiavonavonana ny fanajana ireo fanekempihavanan’ny fanambadiana sy ny fianakaviana natao tany amin’ny tempolin’ Andriamanitra. …

Azo antoka fa ho tonga amintsika rehetra ny fitsapana, ny olana sy ny ratram-po. Tsy misy amintsika voaro amin’ny “tsilon’ny nofo” [jereo ny 2 Korintiana 12:7–10]. Kanefa afaka miomana ny handray fitarihana ho an’ny tena manokana avy amin’ny Tompo isika rehefa mandeha any amin’ny tempoly ary mahatsiaro ireo fanekempihavanana nataontsika. …

Ry rahalahy sy anabavy malala, mijoro ho vavolombelona aho fa tsy misy zavatra manan-danja kokoa noho ny fanajana ny fanekempihavanana izay nataonao na ho ataonao any amin’ny tempoly.

Hamoaka printy