Ho zatovo mahery!
“Mitonia ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra”
Mey 2024


Fivoriana sabotsy tolakandro

“Mitonia ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra”

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina

Hisintona ny endrika PDF

Isaky ny mandray, sy mamerina mijery, ary mahatsiaro sy manavao amim-pahatokiana ireo fanekempihavanana masina isika, dia vao mainka miorim-paka mafy sy mafonja hatrany amin’ilay “vatolamp[in’i]” Jesoa Kristy ireo vatofantsika ara-panahintsika.

… Rehefa miorina eo amin’ny Mpamonjy ny fototry ny fiainantsika, dia “hitony” isika—hanana fatokiana ara-panahy, fa Andriamanitra dia Raintsika any An-danitra, zanany isika, ary i Jesoa Kristy no Mpamonjy antsika. …

… Andron’ Andriamanitra ny Sabata, fotoana masina iray natokana hahatsiarovana sy hitsaohana ny Ray amin’ny anaran’ny Zanany Lahy, handraisana anjara amin’ireo ôrdônansin’ny fisoronana ary handraisana sy hanavaozana fanekempihavanana masina. …

… Ireo “trano fivavahana” izay hiangonantsika amin’ny Sabata dia ireo trano fiangonana sy trano hafa nahazoana fankatoavana—toerana masina ho an’ny fanehoam-panajana sy fitsaohana ary fianarana. …

Ny Tempoly dia toerana masina iray hafa natokana manokana hitsaohana sy hanompoana an’ Andriamanitra ary hianarana fahamarinana mandrakizay. …

… Ny tokantranontsika no tena tokony ho fitambaran’ny fotoana masina sy toerana masina izay ahafahan’ny tsirairay sy ny fianakaviana “mitony” sy mahafantatra fa Andriamanitra dia Raintsika any An-danitra, zanany isika, ary i Jesoa Kristy no Mpamonjy antsika. …

Mampanantena aho fa rehefa manorina ny fototry ny fiainantsika eo amin’ny “vatolamp[in’i]” Jesoa Kristy isika dia ho tahian’ny Fanahy Masina handray fahatonian’ny tena manokana sy ara-panahy izay hahafahantsika mahafantatra sy mahatsiaro fa Andriamanitra dia Raintsika any An-danitra, zanany isika, i Jesoa Kristy no Mpamonjy antsika, ary afaka mahavita sy mandresy ireo zavatra sarotra isika.

Hamoaka printy