Ho zatovo mahery!
Ny fitamberimberenana mahery vaika sy mahasoan’ny fotopampianaran’i Kristy
Mey 2024


Fivoriana alahady maraina

Ny fitamberimberenana mahery vaika sy mahasoan’ny fotopampianaran’i Kristy

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina

Hisintona ny endrika PDF

Let Him In (Avelao Izy hiditra), nataon’i Malory Fiso

Miforona “mandritra ny androm-piainana [ny bahana ara-panahy] rehefa miverimberina mandray ny fotopampianaran’i Kristy isika.” Ny fanaovana izany, araka ny nampianarin’ny Filoha Russell M. Nelson dia miteraka “hodina mahery vaika” [Mandresy izao tontolo izao dia mahita fiadanana,” Liahona, nôv. 2022, 97]. Marina tokoa, ireo singa ao amin’ny fotopampianaran’i Kristy—toy ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo, ny fibebahana, ny fidirana ao anaty fifandraisana ara-panekempihavanana amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny batisa, ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina, ary ny faharetana hatramin’ny farany—dia tsy natao hiainana indray mandeha ihany, tsy zavatra marihina hoe vita. …

Mila kolokoloina isan’andro ny finoantsika an’i Jesoa Kristy. Voakolokolo izany rehefa mivavaka isan’andro, mandalina ny soratra masina isan’andro, mandinika ny fahatsaran’ Andriamanitra isan’andro, mibebaka isan’andro, ary manaraka ireo bitsiky ny Fanahy Masina isan’andro isika. …

… Ny bahana toy izany dia mihamatanjaka rehefa miezaka mankatò ireo lalàn’ Andriamanitra sy mibebaka isika. …

Ny singa manaraka ao amin’ny fotopampianaran’i Kristy dia ny batisa, ka tafiditra ao anatin’izany ny batisan’ny rano, ary amin’ny alalan’ny fandraisana ho mpikambana, ny batisan’ny Fanahy Masina. Raha tranga indray mandeha monja ny batisa, mamerimberina manavao ny fanekempihavanan’ny batisa kosa isika rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo. …

Rehefa mitondra fitarihana lehibe kokoa eo amin’ny fiainantsika ny Fanahy Masina, dia miverimberina mampivoatra sy manatsara hatrany ireo toetra tahaka ny an’i Kristy isika. … Ary avy amin’izany isika dia hahazo ny herin’ny lanitra ilaina amin’ny faharetana hatramin’ny farany. …

Manasa anareo aho hamerimberina sy hanatsara amin’ny nahim-po ny fiainanareo ny fotopampianaran’i Kristy ary hanampy ny hafa eo amin’ny lalana misy azy ireo.

Hamoaka printy