Ho zatovo mahery!
Mahatoky hatramin’ny Farany
Mey 2024


Fivoriana sabotsy hariva

Mahatoky hatramin’ny Farany

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina

Hisintona ny endrika PDF

Ry tanora namako, anio aho dia te hiresaka mivantana aminareo—tanora ato amin’ny Fiangonana. …

Raha vato iray ihany no nampiasain’i Davida mba hamonoana an’i Goliata, dia niomana tamin’ny dimy kosa izy. …

Ahoana raha maneho ny hery ilaintsika mba ho mpandresy eo amin’ny fiainantsika ny tsirairay tamin’ireo vaton’i Davida? Mety ho inona ireo vato dimy ireo? Nieritreritra ireto zavatra ireto aho: …

Voalohany, ny vaton’ny fitiavako an’ Andriamanitra. …

Ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy ny fifandraisantsika akaiky Aminy dia manome antsika ny hery ilaintsika hanovana ny fontsika sy handresena mora kokoa ireo fanamby.

Faharoa, ny vaton’ny ny finoako an’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika. … Midika hoe matoky tanteraka ny fahendreny, ny fotoany, ny fitiavany ary ny heriny hanonerana ny fahotantsika ny fananana finoana an’i Jesoa Kristy. …

Laharana fahatelo, ny vaton’ny fahalalana ny tena fiiziko. …

Miova ny zava-drehetra rehefa fantatro hoe iza marina aho. …

Fahefatra, ny vaton’ny fibebahako isan’andro. …

Tsy misy manafaka kokoa noho ny fahatsapana ny famelan’ Andriamanitra sy ny fahafantarana fa madio sy mihavana Aminy isika. …

Ny vato fahadimy dia ny ny vaton’ny fahazoako ny herin’ Andriamanitra. …

Ahoana no ahafahantsika misintona izany herin’i Jesoa Kristy izany? Ny fankatoavana ny fanekempihavanantsika sy ny fampitomboana ny finoantsika an’i Jesoa Kristy no fanalahidy.

Iriko tokoa raha nanana vato iray fanampiny i Davida; ho ny vaton’ny fijoroako ho vavolombelona izany. …

Ry namana malala, maniry mafy ny hiara-dalana amintsika amin’ny diantsika i Kristy. …

… Misy fifaliana ao amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy.

Hamoaka printy