Ho zatovo mahery!
Ny hitondra anao hiverina any Aminy no fikasan’ Andriamanitra
Mey 2024


Fivoriana alahady maraina

Ny hitondra anao hiverina any Aminy no fikasan’ Andriamanitra

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina

Hisintona ny endrika PDF

Going Home [Mandeha mody], nataon’i Yongsung Kim

Ny drafitry ny Ray ho an’ireo zanany malala dia novolavolaina mba hitondrana ny rehetra hiverina any Aminy. …

Midika ve izany fa azo atao avokoa izay rehetra tiantsika raha ny mahakasika ny fiainantsika? … Tsia, mazava ho azy. … Mifono sy mifototra tanteraka ao anatin’ny fampianarany rehetra momba ny fananana fiainana mendrika sy madio kokoa ilay antso ho amin’ny fivoaran’ny tena manokana, ho amin’ny finoana mitondra fiovana ao amin’i Kristy, ho amin’ny fiovam-po mahery vaika. …

Raha mino isika fa ny fikasan’ny drafitry ny Ray izay mahatakatra ny rehetra dia ny hamonjy antsika, hanavotra antsika, hanolotra famindram-po ho antsika, ka hitondra fahasambarana ho antsika noho izany, dia inona ary izany no fikasan’ilay Zanakalahy izay tamin’ny alalany no nahatanteraka an’ity drafitra lehibe ity? …

Ny sitrapon’i Jesoa dia sitrapon’ilay Ray feno fitiavana! Tiany ho azo tanterahina ho an’ny zanaky ny Ray tsy an-kanavaka ny fisitrahana ny tanjona faran’ilay drafitra, dia fiainana mandrakizay miaraka amin’ Izy Ireo. Tsy misy na iza na iza voailika amin’izany fahafahana masina izany. …

Ny Mpamonjy, ilay Mpiandry tsara, dia mitady ireo ondry very mandra-pahitany azy ireo. …

Tsy mametraka sakan-dalana na sakana velively Izy; fa manala azy ireny Izy. Tsy mametra ny fidiranao Izy; mandray anao an-tanan-droa Izy. …

Izany no ilay vaovao mahafaly! Tsy misy teny mahalaza ny fankasitrahako noho ireo fahamarinana tsotra ireo. Ny asan’ny Ray manontolo, ny drafiny, ny tanjony, ny fikasany, ny faniriany, ary ny fanantenany dia ny hanasitrana anao, hanome fiadanana anao, hitondra anao sy ireo olona akaikin’ny fonao hiverina any Aminy.

Fanamarihana

  1. D. Todd Christofferson, “Loholona Patrick Kearon: Voaomana sy nantsoin’ny Tompo,” Liahona, mey 2024, 131.

  2. Patrick Kearon, “Tolory tanana ny hafa ary katsaho ny tsara,” Ho zatovo mahery!Sept. 2022, 9.

  3. “Nantsoina ho ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny Loholona Patrick Kearon,” ny 8 desambra 2023, newsroom.ChurchofJesusChrist.org.

Hamoaka printy