Ho zatovo mahery!
Itafio Jesoa Kristy Tompo
Mey 2024


Fivoriana sabotsy maraina

Itafio Jesoa Kristy Tompo

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina

Hisintona ny endrika PDF

Te hanana fifandraisana lalina kokoa amin’ireo zanany lahy sy ny zanany vavy rehetra ny Raintsika, saingy antsika ny safidy. Rehefa misafidy ny hanakaiky Azy amin’ny alalan’ny fifandraisana ara-panekempihavanana isika dia mamela Azy hanakaiky antsika sy hanome antsika fitahiana miavosa kokoa izany.

… I Jesoa Kristy no ivon’ireo fanekempihavanana rehetra ataontsika; ary ireo fitahiana entin’ny fanekempihavanana dia misy noho ny sorona fanavotana nataony.

Ny batisa asitrika no tandindon’ny vavahady idirantsika amin’ny fifandraisana ara-panekempihavanana amin’ Andriamanitra. Ny fisitrihana ao anaty rano sy ny fitsanganana avy tao indray no tandindon’ny fahafatesan’ny Mpamonjy sy ny Fitsanganana tamin’ny maty mba hanana fiainam-baovao. … Vakintsika ao amin’ny Testamenta Vaovao ny hoe: “Fa na iza na iza hianareo no natao batisa ho an’i Kristy dia nitafy an’i Kristy.” [Galatiana 3:27]. …

Mampitodika any amin’ny Mpamonjy koa ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo. Tandindon’ny vatan’i Kristy sy ny rà nalatsaka ho antsika ny mofo sy rano. … Rehefa mihinana sy misotro ireo mariky ny nofony sy ny rany isika dia ara-tandindona no mahatafiditra an’i Kristy ao amintsika. [jereo ny Jaona 6:56]. …

Rehefa manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ao amin’ny tranon’ny Tompo isika dia mampiorim-paka kokoa ny fifandraisantsika Aminy. Ny zava-drehetra ataontsika ao amin’ny tempoly dia manondro ny drafitry ny Raintsika ho antsika, izay ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany no ivony. …

… Mampahatsiahy antsika ny garmentan’ny tempoly anaovantsika fa ny Mpamonjy sy ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotany dia manafy antsika mandritra ny androm-piainantsika. Rehefa anaovantsika isan’andro ny garmentan’ny fisoronana masina dia lasa sombiny amin’ny tenantsika izany tandindona kanto izany. …

… Mijoro ho vavolombelona aho fa mahaleo ny sarany tokoa ny vidiny raha jerena ireo fitahiana lehibe avy amin’ny fifandraisana ara-panekempihavanana.

Hamoaka printy