Ho zatovo mahery!
Ireo tempoly, tranon’ny Tompo mandrakotra ny tany
Mey 2024


Fivoriana alahady tolakandro

Ireo tempoly, Tranon’ny Tompo mandrakotra ny tany

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina

Hisintona ny endrika PDF

Efa nanontany tena ve ianareo hoe nahoana ny Tompo no nandidy ny mpaminany handrakotra ny tany amin’izao fotoana izao amin’ireo tranony masina, dia ireo tempoliny? …

… Ny antony iray dia satria nampanantena ny hampatanjaka sy hitahy ireo Olomasiny mpanao fanekempihavanana eto anivon’izao tontolo feno fisafotofotoana sy fakam-panahy izao Izy, ary eo andalam-pahatanterahana ireo fampanantenany! …

Tafiana ara-bakiteny amin’ny herin’ Andriamanitra isika ao amin’ny tranony. Hamafisina sy hampatanjahana ny finoana sy ny fitiavantsika an’i Jesoa Kristy. Mianatra mitia Azy bebe kokoa isika. Mahazo antoka ara-panahy isika mikasika ny tena maha-isika antsika sy ny tanjon’ny fiainana. Rehefa mahatoky isika, dia mahazo fiarovana amin’ny fakam-panahy sy ny fandrebirebena. Mahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy isika rehefa mampitraka antsika ao anatin’ny fahasarotana sy ny olana atrehantsika ary ny alahelo sy ratram-po mahazo antsika Izy. Mitafy ny herin’ Andriamanitra ho fiadiana isika. …

Ry namako malala, raha afaka isika kanefa mbola tsy nampitombo ny fankanesantsika any amin’ny tempoly, dia aoka isika hitady tsy tapaka fotoana misimisy kokoa hanompoana ao amin’ny tranon’ny Tompo. …

Ny tempoly dia tena tranon’ny Tompo ara-bakiteny mihitsy. Mampanantena anareo aho fa raha mankany amin’ny tranony Masina amim-pahamendrehana sy amim-bavaka ianareo, dia hotafiana ny heriny ho fiadiana ianareo, ny anarany no ho eo aminareo, ny anjeliny no hikarakara anareo, ary hitombo ny fitahiana ho azonareo avy amin’ny Fanahy Masina. …

Amin’izao andron’ny fisafotofotoana sy ny korontana izao, dia mijoro ho vavolombelona aho fa ny tempoly no tranony ary hanampy amin’ny fiarovana antsika, ary manomana antsika ho amin’ilay andro feno voninahitra izay hiverenan’i Jesoa Kristy indray amin-kery sy voninahitra lehibe, miaraka amin’ireo anjeliny masina.

Hamoaka printy