Ho zatovo mahery!
Eny, mivavaha
Mey 2024


Fivoriana alahady maraina

Eny, mivavaha

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina

Hisintona ny endrika PDF

Inona avy ireo fanomezana azonareo angatahana am-bavaka? Maro izy ireo, fa anankitelo no hozaraiko anio: …

Voalohany, mivavaha mba hahafantaranao

Inona no ilainao fantarina? …

Rehefa fantatrao fa tena misy ny Ray any An-danitra ary tia anao Izy, dia afaka miaina amin-kerimpo sy amim-panantenana ianao! …

Indraindray ianao mety te hahafantatra ny antony mampisy zavatra sarotra eo amin’ny fiainanao na hoe nahoana ianao no tsy maharay fitahiana izay nangatahanao tamin’ny vavaka. Matetika ny fanontaniana tsara indrindra apetraka amin’ny Ray any An-danitra dia tsy hoe nahoana fa hoe inona.…

… Hitarika anao ny Ray any An-danitra rehefa manontany azy ianao hoe inona no azonao atao sy hoe inona no azonao ianarana.

Faharoa, mivavaha mba hitomboanao

Te-hanampy anao hitombo ny Ray any An-danitra! …

Moa ve ianao maniry ny hitombo faharetana na fahamarinan-toetra? Moa ve misy fahaiza-manao anananao izay tianao mba hitombo? Mety hoe menamenatra ianao dia tianao ny hitombo fahasahiana. “Eny, mivavaha.” Afaka miova ny fonao amin’ny alalan’ny Fanahiny, ary afaka mahazo hery ianao. …

Fahatelo, mivavaha mba hanehoanao

Afaka mivavaka mangataka fanampiana ianao mba hanehoanao ny fitiavan’ny Ray any An-danitra amin’ny hafa. Hanampy anao hahita olona malahelo mba ahafahanao mankahery azy ireny ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahiny. Afaka manampy anao Izy haneho ny fitiavany amin’ny famelana olona iray. Afaka manome herim-po anao Izy mba hanompoana olona sy hizara aminy fa zanak’ Andriamanitra izy ireo. …

Zarao amin’ny Ray any An-danitra izay ao am-ponao.

Hamoaka printy