Ho zatovo mahery!
Ny zavatra rehetra ho soa ho anareo
Mey 2024


Fivoriana sabotsy tolakandro

Ny zavatra rehetra ho soa ho antsika

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina

Hisintona ny endrika PDF

Eto amin’ity tontolo feno fahoriana ity, dia “fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’ Andriamanitra.” [Romana 8:28]. …

Akory ny halehiben’izany fampanantenana izany! Fanomezan-toky mampahery avy amin’ Andriamanitra Izy Tenany! …

… Afaka mitahy antsika sy ny hafa amin’ny fomba tsy noeritreretintsika mihitsy ny fiainana amin’ny finoana, ireo fitsapana sy fahafoizan-tena izay tsy ho nofidintsika na oviana na oviana.

Mampitombo ny finoana sy ny fahatokiana ny Tompo isika fa afaka miara-miasa ny zava-drehetra hahasoa antsika rehefa manana fomba fijery mandrakizay isika; sy mahatakatra fa mety ho “fotoana fohy” ny faharetan’ireo fitsapana lalovantsika; manaiky fa azo atokana ho soa ho antsika ny fahoriana; manaiky fa ampahany amin’ny fiainana an-tany ny loza, ny fahafatesana aloha loatra, ny aretina mikiky, ary ny aretina ; ary matoky fa tsy manome fitsapana mba hanasaziana na hitsarana ny Raintsika any An-danitra be fitiavana. …

… Miara-miasa tsara ny zavatra rehetra rehefa manompo tahaka an’i Jesoa Kristy isika.

Nanazava ny raim-pianakaviana iray izay notendrena niaraka tamin’ny zanany lahy izay mpampianatra ho mpiara-manompo hoe: “Ny atao hoe fanompoana dia rehefa isika mpifanolo-bodirindrina mpitondra mofomamy lasa namana azo itokisana, sy mpamaly voalohany ny antso ara-panahy.” Ny fiombonana ao amin’ny fanekempihavanana ao amin’i Jesoa Kristy dia mampionona, mampifandray ary manamasina. …

Ny Bokin’i Môrmôna dia porofo azontsika hazonina fa i Jesoa no Kristy ary Andriamanitra dia manatanteraka ireo faminaniany. …

Ny fahafoizana azontsika atao any amin’ny tempoly dia ny mikatsaka ny fahamasinana ao an-tranon’ny Tompo matetika kokoa, rehefa manakaiky antsika ny tempoly any amin’ireo toerana maro. …

Amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny mandrakizay, ny tanjon’ny Fahariana sy ny toetran’ Andriamanitra Izy Tenany dia ny hitondra ny zava-drehetra ho soa ho antsika.

Izany no tanjona mandrakizain’ny Tompo. Izany no fomba fijeriny mandrakizay. Izany no fampanantenany mandrakizay. …

 … Manatòna an’ Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy. Matokia fa velona Izy Ireo, tia anao ary maniry ny zava-drehetra hahasoa anao.

Hamoaka printy