Ho zatovo mahery!
Fiasan’ny afo misoko mangina
Mey 2024


Fivoriana sabotsy maraina

Fiasan’ny afo misoko mangina

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina

Hisintona ny endrika PDF

Ry rahalahy sy anabavy, mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa mihaino ny vavaka tsirairay atolotsika Andriamanitra ary mamaly azy ireny tsirairay araka ny lalana izay efa nofaritany ho an’ny fahatanterahantsika. … Antony izay Andriamanitra ihany no mahalala azy no hamaliana ireo vavaka tsy araka ny antenaintsika azy—saingy mampanantena anareo aho fa izy ireny dia heno, ary izy ireny dia valiana araka ny fitiavany azo antoka sy ny fandaharam-potoany manenika ny habaka.

Raha toa isika ka “tsy mangataka ny tsy sahaza” [2 Nefia 4:35], dia tsy misy fetra ny hoe oviana sy aiza ary momba ny inona no tokony ivavahantsika. …

… Tokony manao vavaka samirery isika, sy eo anivon’ny fianakaviantsika, ary any amin’ireo vondrom-piangonana amin’ny habeny rehetra. Tokony hampiasa ny vavaka isika ho arotratra hanoherana ny fakam-panahy, ary raha sendra misy fotoana isika tsy te-hivavaka, dia afaka mahatoky fa ny fisalasalana dia tsy avy amin’ Andriamanitra, izay maniry mafy ny hifandray amin’ireo zanany na oviana na oviana sy amin’ny fotoana rehetra. … Ary, rehefa tsy haintsika tsara izay fomba hivavahana sy izay hoentina am-bavaka, dia tokony hanomboka ihany isika ary hanohy, mandra-pitarihan’ny Fanahy Masina antsika ho amin’ilay vavaka tokony hatolotsika. …

Ary indrindra indrindra, azontsika jerena ny ohatry ny Mpamonjy izay nivavaka tena matetika dia matetika tokoa. …

Eo anatrehan’izany fandresen’i Kristy ny fahafatesana izany ary ny fanomezana natolony ho ahy vao haingana, dia herinandro na volana maromaro kokoa ho eto amin’ny fiainana an-tany, dia mijoro ho vavolombelona amim-panajana aho ny amin’ny tena fisian’ny fiainana mandrakizay ary ny filantsika ny ho matotra amin’ny fiomanana ho amin’izany.

Hamoaka printy