Ho zatovo mahery!
Mampifandray ireo didy roa lehibe
Mey 2024


Fivoriana alahady tolakandro

Mampifandray ireo didy roa lehibe

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina

Hisintona ny endrika PDF

Andeha hofakafakaintsika ny tsirairay amin’ireo didy roa lehibe ireo, izay nambara sy voalaza ao amin’ny valintenin’i Kristy. Eo am-panaovantsika izany dia aoka ny sarin’ilay tetezana mihantona tena tsara hanakoako ao amin’ny sainareo.

Ny voalohany dia ny mitia ny Tompo amin’ny fonao sy ny fanahinao ary ny sainao rehetra.

… Ny mitia ny Tompo dia mifototra amin’ny fonao aloha voalohany indrindra, dia ilay tena toetranao. Mangataka ny Tompo ny mba hitiavanao amin’ny fanahinao rehetra—ilay fiizinao manontolo— ary farany, dia ny mitia amin’ny sainao rehetra— dia ny fahaizanao sy ny fahalalanao. …

… Afaka mitia ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy aho, izay mitarika ahy hivavaka sy handalina ny soratra masina ary hitsaoka any amin’ny tempoly. Tia ny Ray sy ny Zanaka isika amin’ny alalan’ny fandoavana ny fahafolonkarena, ny fitandremana ny andro Sabata ho masina, ny fiainana fiainana mendrika sy madio, ary ny fankatoavana. …

Ny fitiavana ny Tompo dia mitarika amin’ny fahasambarana mandrakizay!

… Tsy feno ny fitiavana ny Tompo raha toa ka tsy miraharaha ny namantsika isika. Tafiditra ao anatin’io fitiavana ivelany io daholo ny zanak’ Andriamanitra rehetra, tsy misy an-kanavaka na lahy na vavy, na inona saranga, na firazanana, na fironana ara-nofo, na fidiram-bola, na taona, na foko. …

… Mba hahatonga ny tetezana mihantona hahatratra ny tanjona nanorenana azy dia tsy maintsy miara-miasa mirindra tsara ireo tilikambony. Toy izany koa, ny fahafahantsika manaraka an’i Jesoa Kristy dia miankina amin’ny tanjaka sy ny herintsika hiaina ireo didy voalohany sy faharoa amin’ny fomba voalanjalanja sy fanolorantena mitovy amin’izy roa. …

… Enga anie ny fontsika sy ny saintsika hisandratra mba hitia ny Tompo, ary hivelatra mba hitia ny namantsika.

Hamoaka printy