Ho zatovo mahery!
Aoka ho iray amin’i Kristy
Mey 2024


Fivoriana sabotsy tolakandro

Aoka ho iray amin’i Kristy

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina

Hisintona ny endrika PDF

Come unto Christ (Manatòna an’i Kristy) , nataon’i Casey Childs

Mety azo amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ny hoe iray amin’i Kristy sy ny Raintsika any An-danitra. …

Ny fepetra takiana amin’ny batisa, na dia lalina aza, dia miavaka noho ny fahatsorany. Voalohany indrindra amin’izany ny fanetren-tena eo anatrehan’ Andriamanitra, ny fo torotoro sy ny fanahy manenina, ny fibebahana amin’ny fahotana rehetra, ny fitondrana ny anaran’i Jesoa Kristy eo amintsika, ny faharetana hatramin’ny farany, ary ny fanehoana amin’ny asantsika fa efa nandray ny Fanahin’i Kristy isika.

Zava-dehibe ny hoe ara-panahy daholo ireo fepetra takina amin’ny batisa. … Mitovy ny fitakiana ara-panahy ho an’ny mahantra sy ny manankarena.

Tsy misy fepetra takiana mahakasika ny fihodirana, na ny mahalahy na vavy, na ny foko misy anao. …

Raha jerena ny “fitoviantsika” eo anatrehan’ Andriamanitra, dia tsy dia misy dikany loatra ny manantitrantitra ny maha-samy hafa antsika. …

Mba hahazoana ireo fitahian’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia tsy maintsy mampihatra amim-pahamarinana ny fahafahantsika misafidy isika hisafidianana an’i Kristy sy hankatò ny didiny. …

Ny safidy manan-danja indrindra dia saika ny olona rehetra no afaka manao izany na inona na inona talenta ananany, na fahaiza-manaony, na fahafahana manao zavatra ananany, na toe-javatra misy ara-toekarena. …

Rehefa miatrika ny fiovaovan’ny fiainana isika, dia zava-mitranga maro no miseho izay zara raha azontsika fehezina na tsy azontsika fehezina mihitsy. … Azontsika fehezina ireo safidy manan-danja indrindra. …

Raha ny mikasika ny fitsipika, ny fitondran-tena, ny fitandremana fomba ara-pivavahana ary ny fiainana amim-pahamarinana, dia azontsika fehezina. Ny finoantsika sy ny fanompoantsika an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany dia safidy ataontsika. …

Tokony hiezaka isika hampiditra ny hafa ao anatin’ny faribolan’ny maha-iray antsika. …

Mampiray antsika ny fitiavantsika sy ny finoantsika an’i Jesoa Kristy ary amin’ny maha-zanaky ny Ray any An-danitra be fitiavana antsika. Ny fototry ny hoe tena manan-toerana ao amin’ny vondrona iray dia ny hoe iray ao amin’i Kristy.

Hamoaka printy