Ho zatovo mahery!
Ho fanohanana ny taranaka vao misondrotra
Mey 2024


Fivoriana sabotsy tolakandro

Ho fanohanana ny taranaka vao misondrotra

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina

Hisintona ny endrika PDF

Hotahiana sy hahazo hery ny paroasy iray manontolo rehefa mifantoka amin’ny taranaka vao misondrotra ny mpikambana. …

Hianatra ny lamin’ny fahazoana fanambarana ny zatovo rehefa mandray anjara miaraka amintsika ao anatin’ny dingan’ny fikatsahana sy ny fanarahana ireo bitsika mba hanompoana ny hafa izy ireo. Hihalalina ny fifandraisan’ireo zatovo amin’ny Tompo sy ny fitokiany Azy rehefa mitodika Aminy izy ireo mba hahazoana izany fitarihana nentanim-panahy izany.

Maneho ny fitokiantsika amin’ny zatovo isika amin’ny fanolorana fanohanana sy fitarihana, nefa koa tsy misalovana ny anjaran’izy ireo. Hiaina fifaliana sy fivoarana marina ireo zatovo, rehefa mihataka kely isika ary mamela azy ireo hianatra amin’ny alalan’ny fiarahana manao filankevitra, amin’ny fisafidianana lalana nentanim-panahy, ary amin’ny fanatontosana ny drafitr’izy ireo. …

Mahatalanjona antsika ireo zatovontsika noho ny herim-pony sy ny finoany ary ny fahaizany. Ho voasokitra ao am-pon’izy ireo ny filazantsaran’i Jesoa Kristy rehefa misafidy ny ho mpianany mazoto tanteraka izy ireo. Ho lasa ampahany amin’ny maha-izy azy ireo ny fanarahana Azy, fa tsy zavatra izay ataony fotsiny ihany. …

Anisan’ireo fanahy mahery indrindra an’ny Ray any An-danitra ireo zatovo ankehitriny. Anisan’ireo maherifo mpiaro ny fahamarinana sy ny fahafahana misafidy izy ireo tany amin’ny tontolo talohan’ny fiainana an-tany. Teraka tamin’izao andro izao izy ireo mba hanangona an’i Isiraely amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona mahery vaika ananan’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy Tompo. Fantany ny tsirairay amin’izy ireo ary fantany ny olona mety hahatongavan’izy ireo. Manam-paharetana Izy eo am-pivoaran’izy ireo. Hanavotra sy hiaro azy ireo Izy. Hanasitrana sy hitarika azy ireo Izy.

Hamoaka printy