2022
Ny tanjaky ny tranoko
Janoary/Febroary 2022


HAFATRA AVY AMIN’NY FIADIDIAIN’NY VONDROMPARITRA

Ny tanjaky ny tranoko

Ny fahafantarana “ilay drafitra” dia hanome anareo zatovo sy tanora fahatakarana ny dikan’izany hoe “olona mahafinaritra” izany, izay zanak’Andriamanitra manana fahafahana ny ho tonga tahaka an’Andriamanitra, miaraka amin’ny fahaizana mijoro ho tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra.

Tamin’ny ôktôbra sy nôvambra 1833 dia noroahin’ny vondron’olona mpihetraketraka hiala ny tokantranony ireo Olomasina tao amin’ny Fivondronan’i Jackson Missouri. Iray volana taty aoriana tamin’ny 16 desambra 1833 dia nisy fanambarana nomena an’i Joseph Smith izay nahatonga ny fandroahana ireo mpikamban’ny Fiangonana hiala tao amin’ny Fivondronan’i Jackson.1

Tao anatin’izany fanambarana izany no nampianarana an’ireo Olomasina, tamin’ny alalan’ny fanoharana iray, mba “hanangona ny tanjaky ny tranon’ny Tompo, ny zatovolahiko sy ireo lehilahy vory taona. Miaraha ianareo ka mivondrona eo an-tanin’i Ziona.”2

Nampanantena an’ireo Olomasina ny Tompo fa Izy no hiady ny adin’izy ireo. Izy no hiady ny adin’izy ireo amin’ny alalan’ny tanjaky ny tranony. Tamin’ny alalan’i Joseph Smith no nanomezan’ny Tompo izao torolalana manaraka izao ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana: “Amin’ny tanjaky ny tranoko, dia ny mpiatafiko, ny zatovolahiko [sy ny zatovovaviko] ary ny oloko vory taona . . . hiara-hivondrona ho fanavotana ny vahoakako, ary handrodana ny tilikambon’ny fahavaloko sy hanaparitaka ny mpitiliny.”3

Tahiana isika ankehitriny amin’ny maha-Fiangonana antsika rehefa manaraka io lamin’ny fampandraisana anjara feno ny zatovo sy ny tanora io amin’ny fampivelarana sy ny fampatanjahana ny Fiangonana. Tahiana isika rehefa manasa ny zatovo sy ny tanora hirotsaka amin’ny fanaovana asa fanompoana manan-danja ao amin’ny Fiangonana ireo mpitarika eo anivon’ny tsatòka sy ny paroasy.

Ho an’ireo zatovo sy tanora

Ry zatovo sy tanora, voalaza fa ny fahafantarana ilay drafitra no fanefitry ny fahatsapana fahasorenana sy ny fahaketrahana ara-tsaina. Ny fahafantarana ilay drafitra dia hanome anareo fahatakarana ny dikan’izany hoe “olona mahafinaritra” izany, izay zanak’Andriamanitra manana fahafahana ny ho tonga tahaka an’Andriamanitra, miaraka amin’ny fahaizana mijoro ho tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra. Izany no hany lalana mankany amin’ny fizakan-tena marina izay katsahinareo. Hiteraka fiovam-po maharitra ny fahatsiarovana ny drafitry ny famonjena sy ny fanaovana safidy isan’andro miainga avy amin’ireo fahamarinana fototry ny tenin’Andriamanitra.

Ny fahombiazanareo ao amin’ny fanjakan’ny Tompo dia miankina amin’ny halehiben’ny fahatakaranareo sy ny fampiharanareo ny drafitry ny famonjena eo amin’ny fiainanareo. Na dia mbola manana ny ho avy manontolo izay miandry anareo aza ianareo dia tandremo tsara ny fomba hampiasanareo ny fotoananareo sy ny zavatra anananareo.

Ny fampiasana amim-pahendrena ny zavatra rehetra ananantsika

Ny ankamaroan’ny olona, isan’izany aho, dia nilaza teo amin’ny fiainany hoe “raha nanam-bola be aho dia ho nanana drafitra tsara kokoa.” Ny zavatra tsy takatro dia ny hoe raha nanana drafitra tsara kokoa aho dia ho nanana vola ampy. Nieritreritra antsika rehetra ny Raintsika any An-danitra rehefa nilaza hoe: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany.”4

Ny torohevitra tsotra omeko anareo ry namako malala dia hoe raha 1.000 ariary no anananareo dia aza mandany mihoatra ny 700 ariary. Na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny toe-javatra iainanareo, na aiza na aiza no misy anareo, na izay mety ho toe-javatra misy anareo, raha toa ka afaka nahatakatra io fitsipika io fotsiny ianareo, hoe aza mandany mihoatra ny 700 ariary amin’ny arivo ariary tsirairay izay azonareo, dia ho lasa mizaka tena amin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavan’ny asa ianareo. Ho takatrareo ny tian’ny Tompo nambara rehefa nilaza Izy hoe “feno ny tany ary manana ny ampy sy ny hotehirizina aza.”5

Hitahy antsika rehetra ireo fitsipika ireo: ireo izay manana asa amin’izao fotoana izao dia mila manao drafitra ho an’ny ho avy, ary toy izany koa ny sasany amintsika izay sahirana eo amin’ny fiainana sy mitrongy vao homana. Ho fitahiana lehibe sy hanampy mba hananana fizakan-tena io hevitra io.

Inty no sosokevitra arosoko amin’ny fomba hanombohana izany:

Ho an’ny Tompo ny ariary 100. Mandoava fahafolonkarena. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Mba hananana finoana maharitra sy hanaovana fanoloran-tena maharitra dia ilaina ny hahatongavana ho mpandoa fahafolonkarena feno. Amin’ny voalohany dia mitaky finoana ny fandoavana fahafolonkarena. Avy eo dia lasa manam-pinoana bebe kokoa ilay mpandoa fahafolonkarena ka manjary lasa tombontsoa sarobidy ny fandoavana fahafolonkarena.”6 Tena marina io fampianarana manova fiainana avy amin’ny mpaminanin’ny Tompo io. 

Hatao tahiry ny ariary 100. Apetraho amin’ny toerana tsy hahafahanao mahazo azy na mampiasa azy izany. Mety ho tahiry mandritra ny 10 taona, na 15 taona na mihoana izany. Rehefa mieritreritra ireo ariary 100 ireo aho dia mahatadidy ny reniko. Nifidy voanjo sy katsaka tena tsara izy dia nitahiry izany mba hatao masomboly. Nasiany fanafody izany, na koa nataony izay hinoanay hoe nasiana fanafody izany mba tsy hahatonga anay ho alaim-panahy hitono ilay katsaka sy hihinana ireo voanjo rehefa noana izahay. Tsy nampiasain’i Neny mihitsy ireo voa na dia tao anatin’ny fotoana tena sarotra aza. Naleony izahay tsy nihinana toy izay hihinana ireo voa ireo. Natao mba hovolena tamin’ny vanim-potoan’ny orana manaraka izany mba hampitomboana azy. Nanao izany foana izy isaky ny fanangonam-bokatra. Tsy niantehitra mihitsy tamin’ny fanampiana avy tamin’ny fitondram-panjakana izy.7

Ampiasaina hanaovana zavatra ilay ariary 100 fanintelony. Manampy ny fakana antoka fa tsy mila manao trosa ny tena rehefa mividy zavatra, afa-tsy amin’ny fividianana trano ihany na ireo zavatra tena ilaina. Rehefa mampiasa ireo ariary 100 ireo ny olona iray dia mamela olona hafa hampiasa sy handoa zana-bola amin’ilay olona izany. Tsy ny fitambaran’ilay vola no zava-dehibe, fa ilay DRAFITRA!

Rehefa manao izany ianareo dia ho lasa mizaka tena ary ho lasa tanjaky ny tranon’ny Tompo. Hahatanteraka ny tsodrano nomen’ny Rainareo any An-danitra anareo ianareo, dia hamoa be! Raha ny marina dia izay hahatongavantsika no manan-danja kokoa fa tsy izay zavatra ho azontsika.

Mijoroa dia meteza mba ho isan’ny mpandray anjara

Miantehitra aminareo ny Tompo mba hanorina ny fanjakany. Maneho ny ahiahiny amin’ny sasany aminareo Izy hoe: “Saingy tsy nihaino ny teniko ny tanjaky ny tranoko.” Mankasitraka ny ankamaroanareo izay eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana koa ny Tompo hoe: “Nefa raha misy izay efa nihaino ny teniko, dia efa nomaniko ny fitahiana sy ny fanafiana masina ho azy ireo, raha mijanona ho mahatoky izy ireo.”8

Ny fanasana amim-panetren-tena ataoko aminareo ry namako malala dia ny mba hanaovanareo izay tsara indrindra vitanareo amin’izay antso mety hanompoanareo, ary raha tsy manana antso ianareo amin’izao fotoana izao, dia manatòna ny evekanareo. Ampahafantaro azy fa afaka ny ho tanjaky ny tranon’ny Tompo ianareo mba hanompo ao amin’ny Fanjakany. Rehefa manao izany ianareo dia hampivelatra ny fomba fijerinareo Izy. Mahafantatra anareo ny Tompo. Tia anareo Izy ary mahafantatra hoe afaka ny ho tonga inona ianareo.

Ny Loholona Dube dia nantsoina ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny aprily 2013. Vadin’i Naume Keresia Salizani izy. Manan-janaka efatra izy ireo.

FANAMARIHANA

  1. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:1–9.

  2. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:22.

  3. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:16.

  4. Genesisy 1:28.

  5. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:17.

  6. Russell M. Nelson, “Hatreho Am-pinoana ny Ho Avy,” Liahona, Mey 2011, 35.

  7. Jereo ny Edward Dube, Beyond the Shade of the Mango Tree [2021], 29–30.

  8. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:17–18.