2022
-Miandry ilay andro-: Ny fomba niomanan’ireo mpikambana ho amin’ny fiavian’ny tempolin’ny Repoblika Demôkratika an’i Kongô
Janoary/Febroary 2022


PEJY EO AN-TOERANA

-Miandry ilay andro-: Ny fomba niomanan’ireo mpikambana ho amin’ny fiavian’ny tempolin’ny Repoblika Demôkratika an’i Kongô

Manao jery todika ny fientanentanana sy ny fiomanan’ireo olomasina tamin’ny fisokafan’ny tempoly ny Filohan’ny Tempolin’i Kinshasa any amin’ny RDK teo aloha.

Manakatra ny lanitry ny RDK, Kinshasa amin’ny alina ny tilikambon’ny Tranon’ny Tompo. Mitondra fotoam-piadanana sy fahatoniana ho an’ireo mpandalo rehetra sy izay rehetra mijery ny tokotany tsara tarehin’ny tempoly izany. Ho an’ireo mpikambana dia fampahatsiahivana azy ireo mba ho avy matetika izany hanao sy hanavao fanekempihavanana amin’ny Tompo sy hahatsapa ny fanatrehan’ny Tompo ary hahazo ny toroheviny ho an’ny fiainan’izy ireo.

Ny 1 ôktôbra 2011, ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) dia nanambara fa ny tempoly faha-163 eto an-tany dia haorina any amin’ny RDK, Kinshasa. Nizara izao tsiahy izao ny Filoha Brent Jameson, Filohan’ny Misiônan’i Kinshasa tamin’izany:

“Isaky ny enina herinandro izahay dia manao dia mankany amin’ireo rantsan’ny fiangonana any amin’ny faritra lavitra. Tany Pointe Noire izahay dia noraisin’ny Filohan’ny Sampana izay nilaza fa nisy mpikambana vitsivitsy nila fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ka nilahatra tao an-dalan-tsara izy ireo. Nisy olona 16 niandry mba hanavao na haka fahazoan-dalana! Nisy foana izany tany amin’ny toerana rehetra notsidihanay. Tamin’ny fahafoizana ara-bola lehibe, sy fanaovana dia nandritra ny ora maro, ary tsy misy antony hafa ankoatra ny hanavaozana na hahazoana fahazoan-dalana, no nahatongavan’izy ireo. Takatr’ireo mpikambana ireo ny maha-zava-dehibe ny fananana fahazoan-dalana manan-kery. Fantatr’izy ireo fa izany dia nampiseho ny Tompo ny fahamatoran’izy ireo amin’ny fiainana ny filazantsara sy ny maha-zava-dehibe amin’izy ireo ny fanekempihavanana natao na hataon’izy ireo. Fantatr’izy ireo fa mety ho tonga na tsia any amin’ny tempoly izy ireo, saingy te ho vonona ny hiditra ny tempoly sy hanao ny fanekempihavanany izy ireo isaky ny misy fahafahana hanaovana izany. Nanan-danja tamin’izy ireo sy tamin’ny Tompo ny fahazoan-dalan’izy ireo.”

Taty aorina, tamin’ny 2018, ny Filoha Jameson dia nizara izao zavatra niainana mampihetsi-po izao:

“Voantso ho mpivady Filohan’ny Tempolin’i Kinshasa izahay. Nanao tonga aloha izahay noho ny hamehan’ny tanjon’ny fanaovana dinidinika ho an’ny fahazoan-dalana mba hahafahan’ny olona maro ho vonona ny hiditra ny tempoly. Nangataka olona mpirotsaka an-tsitra-po izahay mba hanompo ho mpiasa ao amin’ny tempoly. Nisy mpirotsaka an-tsitra-po 250 avy hatrany ary ny tsirairay avy tamin’izy ireo dia nanana fahazoan-dalana nanan-kery avokoa! Niandry ilay andro fotsiny izy ireo! Ny ankamaroan’izy ireo dia in-dray mandeha ihany no nankao amin’ny tempoly mba hahazo ny fanafiana masina ho azy ireo—Eveka sy Filohan’ny Tsatòka ny ankabeazany—saingy tsy nanana fahafahana ny hanatrika izany indray izy ireo. Tonga ny fotoana hankanesana tsy tapaka any amin’ny tempoly!”

Amin’izao fotoana ankehitriny izao, ny aogositra 2021 ny Tompo dia niantso Fiadidiana vaovao an’ny Tempoly avy eo anivon’ireo mpikambana Kongôle: Filoha M. Francois Mukubu; Kabua K. Tshimungu, Mpanolotsaina Voalohany; Jules Bofanga, Mpanolotsaina Faharoa. Tonga ilay andro. Araka ny nolazain’ny Filoha Nelson hoe: “Ataovy ao anatinareo ny tempoly ary ataovy ao anatin’ny tempoly ny tenanareo.”

Hamoaka printy