2022
Manangona ny voa tsara anaty sompitra
Janoary/Febroary 2022


HAFATRA AVY AMIN’NY MPITARIKA EO AN-TOERANA

Manangona ny voa tsara anaty sompitra

Tena fitahiana tokoa ny fahafahana mba ho isan’ireo izay hangonina ary manana ny fahafahana ny “hosatrohina voninahitra selestialy” amin’ny alalan’ny fanaovana sy fitandremana ireo fanekempihavanan’ny tempoly.

Nanambara ny Tompo fa “tsy maintsy manangona ny oloko Aho, . . . mba ho azo tehirizina any an-tsompitra ny voa tsara ka hahazo ny fiainana mandrakizay sy hosatrohina voninahitra selestialy.”1

Ny teny hoe “sompitra” dia teny tsy dia fampiasa loatra amin’izao andro sy vanim-potoana izao. Ankehitriny isika dia mampiasa teny mitovy dika aminy toy ny hoe trano fitahirizam-bokatra, na fitahirizam-boa, na trano fanatobiana entana na koa efitrano fitahirizana entana—toerana izay hanangonana sy hitahirizana ny fananana. Kanefa ao amin’ilay fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary dia manangona ny voa tsara anaty sompitra ny Tompo izay tandidon’ny Tempoly Masina.2 Ity fanangonana ity dia tokony hitranga mba “hahazo[ana] ny fiainana mandrakizay sy hosatrohina voninahitra selestialy” raha mitoetra ho mahatoky sy maharitra hatramin’ny farany isika.

Tena fitahiana tokoa ny fahafahana mba ho isan’ireo izay hangonina ary manana ny fahafahana ny hosatrohina voninahitra selestialy.

Tsy mahagaga raha toa ka nilaza ny Filoha Russell M. Nelson fa ny fanangonana an’i Isiraely no “asa manan-danja indrindra eto amin’izao tontolo izao”.3

Lafin-javatra roa amin’izany no tonga ato an-tsaiko rehefa mieritreritra ny hoe “fanangonana” aho.

Voalohany dia mila maka antoka aho fa isany ary mitoetra ho isan’ireo izay angonina. Ny faharoa dia aoka aho hanampy ny Tompo hanangona ny hafa.

Tsaroako tsara ny andro nandehanako tany amin’ny tempoly voalohany. Misiônera tanora aho tamin’izany ary nandeha tao amin’ny Tempolin’i Londres, Angletera mba handray ny fanafiana masina alohan’ny hidirako ny sahan’ny misiôna.

Tsaroako fa nahatsapa ho tao amin’ny toerana masina iray aho ary azoko ery ny aiko nanao ilay fitafy fotsin’ny tempoly toy izay ny akanjo fanaoko mahazatra. Teo ampanaovana izany aho dia nahatsapa ny tandindon’ny nanadinoako izao tontolo izao tany ivelany ary niaina ny sombin-danitra tety an-tany. Nanampy ahy hahatsapa ny fahamasinana izany.

Tamin’ny aogositra 1985, izay taona nanokanana ny Tempolin’i Johannesburg Afrika Atsimo dia nofehezina ho amin’izao fotoana izao sy ho amin’ny mandrakizay izaho sy i Amanda, vadiko. Nanenika ahy indray ny fahatsapana fa teo amin’ny toerana masina aho rehefa tonga tao raha nandohalika izahay ary nifampijery teo amin’ilay alitara. Feno ny fifaliako.

Ny fandehanana matetika sy tsy tapaka tany amin’ny tempoly nandritra ireo taona manaraka dia nampitombo ny finoako an’i Jesoa Kristy ary nanome ahy ny Fanahy bebe kokoa.

Tena ilaina tokoa ny fananana ny Fanahy miaraka amintsika. Manome fahafahana antsika hanana fomba fijery mandrakizay izany sy hahatakatra fa ireo fahafinaretana mandalo sy ireo hambom-po poakatin’izao tontolo izao dia tsy manan-danja maharitra. Amin’ny lafiny iray kosa, ny fanaovana sy ny fitandremana ireo fanekempihavanantsika dia misy vokany tsara maharitra mandrakizay.

Ho anareo izay tsy mipetraka akaikin’ny tempoly saingy manana faniriana ny ho any dia hoy aho hoe, aza very fanantenana, manàna finoana fa hanampy anao hahita lalana ny Tompo. Tiany ho voangona ianareo ary hanao fanekempihavanana amin’ny Raintsika any An-danitra.

Ho an’ireo izay tsy manam-paniriana ny ho any amin’ny tempoly na koa tsy mahatakatra fa ny tempoly dia tokony ho laharam-pahamehana eo amin’ny fiainantsika dia hoy aho hoe: “[Fohazo] sy [tairo] ny faharanitan’ny sainareo”4 araka ny fanasana omen’i Alma antsika. Eritrereto ny mandrakizay—tsy ho ela dia ho tapitra ity fiainana ity dia avy eo ahoana?

Ho anareo izay namela ny fahazoan-dalanareo hidirana ny tempoly ho lany daty dia te hangataka anareo aho hanaraka ny torohevitra nomen’ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambininfolo rehefa nilaza izy hoe: “Atombohy izao ny dingana mba ho lasa -mendrika ho an’ny Tompo- mba hahafahan’ny Fanahiny hiaraka sesehena aminao ary ireo fitsipiny dia hitondra fiadanan-tsaina ho anao”.5

Ny hoe “mendrika ho an’ny Tompo” dia midika fa manana ary mendrika ny hanana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery. Manaova fanoloran-tena fa tsy hamela izany ho lany daty mihitsy ianao.

Ilay vinantolahiko izay eveka ao amin’ny tsatòka misy ahy ankehitriny dia nandray fitahiana lehibe avy amin’ny fandehanany any amin’ny tempoly matetika.

Nandritra ny fotoana nandehanany tany amin’ny tempoly dia nanana fahafahana nihaona tamin’i Emily zanakay vavy izy. Rehefa nody tany an-trano izy ny harivan’izay dia nozarainy tamin’ny fianakaviany fa nanana fahatsapana izy fa nihaona tamin’ilay ho vadiny. Taorian’ny fifankahafantarana bebe kokoa tao anatin’ny fotoana fohy dia nangatahin’i Jaxon ho vady ny zanakay vavy ary nofehezina tao amin’izany tempoly izany ihany ho amin’izao fotoana izao sy ho amin’ny mandrakizay izy ireo.

Fitahiana iray azoko ny fahafahako mankany amin’ny tempoly miaraka amin’ireo zanakay sy ny vadin’izy ireo. Nanome ahy sy i Mandy vadiko fifaliana ny fiarahana nipetraka tamin’izy rehetra tao amin’ny efitra selestialy ka nahatonga anay hilaza hoe: “Feno ny fifaliako.”

Ry rahalahy sy anabavy, ny tempoly dia fanehoan’ny Ray any An-danitra ny fitiavany antsika. Tiany “hosatrohina voninahitra selestialy [isika].6 Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa manao fanoloran-tena ny tsy hamela ny fahazoan-dalantsika hidirana ny tempoly ho lany daty sy miezaka ny ho mendrika izany fahazoan-dalana izany isika dia ho voatahy amin’ny fifaliana eto amin’ity fiainana ity ary fiainana mandrakizay amin’ny tontolo hoavy.

Nantsoina ho fitopololahin’ny Vondromparitra tamin’ny aprily 2019 i Glenn M. Holmes. Vadin’i Amanda Mary Asgeir-Nielsen izy ary manan-janaka efatra izy ireo. Mipetraka any Benoni, Afrika Atsimo izy ireo.

FANAMARIHANA

  1. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:65.

  2. Jereo David A. Bednar, “Honorably Hold a Name and Standing,” Liahona, Mey 2009, 97.

  3. Russell M. Nelson, “Aoka Andriamanitra no hanjaka,” Liahona, Nov. 2020, 92.

  4. Jereo Alma 32:27.

  5. Ronald A. Rasband, “Mendrika ho an’ny Tompo,” Liahona, Nov. 2020, 24.

  6. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:65.

Hamoaka printy