2022
Ahoana no ahafahan’ny Boky torolalana manampy anao hianatra kokoa momba ny antsonao
Janoary/Febroary 2022


SONGADIN-KEVITRA AO AMIN’NY BOKY TOROLALANA

Ahoana no ahafahan’ny Boky torolalana manampy anao hianatra kokoa momba ny antsonao

Isan’ireo lafin-javatra mitondra fifaliana sy fahatontosana indrindra amin’ny maha-mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny fahafahana izay ho azonao mba hanompo amina antso sy andraikitra. Anjara asa atao an-tsitrapo izay mahasahana karazana asa fanompoana maro ato amin’ny Fiangonana izany. Ohatra hoe mety ho antsoina ho mpampianatra ao amin’ny Kilonga ianao, na mpanoro hevitra ao amin’ny Zatovolahy, mpitamboky ao amin’ny fiadidian’ny sampana iray, mpitantsoratra ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny Tsatòka iray, mpanolotsaina ao amin’ny fiadidian’ny Kôlejin’ny Loholona, manam-pahaizana momba ny teknôlôjia eo anivon’ny paroasy, na mpahay tantara ho an’ny sampana misy anao.

Rehefa avy nanaiky ny handray ny antsonao ianao, sy notohanan’ireo mpikambana ao amin’ny rantsana misy anao, ary natokan’ireo mpitarika anao ao amin’ny fisoronana tamin’ny alalan’ny fandraisana tsodranon’ny fisoronana, dia vonona ny hanompo amin’izay ianao. Kanefa ahoana no ahafantaranao ny zavatra andrasana aminao, sy ny fomba hilofosanao amin’ny antsonao?

Nampianatra ny Tompo hoe: “Aoka ny olona tsirairay hianatra ny andraikiny ary hiasa amin’ny zotom-po rehetra” (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:99). Amin’ny maha-mpitarika ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany anao dia tokony hikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana ianao mba hanampy anao hianatra sy hanatotonsa ireo andraikitrao amin’ny antsonao.

Hanampy anao hahatakatra sy hanatontosa ireo andraikitrao ny fandalinana soratra masina sy ireo fampianaran’ireo mpaminan’ny andro farany. Rehefa mandalina ny tenin’Andriamanitra ianao dia ho mora kokoa aminao ny handray ny fitaoman’ny Fanahy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:85).

Mianatra momba ireo andraikitrao ihany koa ianao amin’ny alalan’ny fandalinana ireo toromarika ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany. Ireny toromarika ireny dia mety hitondra fanambarana raha toa ka ampiasaina mba hahazoana fahatakarana ireo fitsipika, sy lalàna mifehy, ary dingana mila arahina rehefa mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy.

Hamoaka printy