2022
Janoary 1990: Ny Mozambikana voalohany niditra ho mpikamban’ny Fiangonana
Janoary/Febroary 2022


ITY VOLANA ITY EO AMIN’NY TANTARAN’NY FIANGONANA

Janoary 1990: Ny Mozambikana voalohany niditra ho mpikamban’ny Fiangonana

Lasa Mozambikana voalohany niditra ho mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy Ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany i Chico Mapenda rehefa nirotsaka tao amin’ny ranon’ny batisa ny janoary 1990. Rahalahy Mapenda, izay nianatra tany Alemana Atsinanana fahiny dia nihaona voalohany indrindra tamin’ny misiônera tamin’ny Andro Krismasy tamin’ny taona 1989 raha nandeha nankany amina fotoam-pivavahana iray. Nanaiky nandray tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna iray izy ary nahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinan’izany na dia talohan’ny nianarany tamin’ny fomba ofisialy ireo lesona avy amin’ny misiônera aza.

Nanomboka nampianatra ny fianakaviany sy ireo namany momba ny filazantsara ny Rahalahy Mapenda rehefa niverina tany Mozambika na dia tsy mbola tafaorina tao amin’ilay firenena aza ny Fiangonana tamin’izany fotoana izany. Mandra-pahatongan’ny fotoana nitsidihan’ny Loholona Earl C. Tingey, mpikambana tao amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra Afrika tao Mozambika tamin’ny nôvambra 1991, Rahalahy Mapenda dia nitarika sy nampianatra mpiangona izay nananika ny 150 isa tsy tamin’ny fomba ofisialy.

Naorina tao Maputo tamin’ny febroary 1995 ny vondrona voalohany an’ny Fiangonana, ka i Samo P. Gonçalves no loholona mpiahy. Natao batisa izy tamin’ny 1992 raha mbola nianatra tany Portogaly. Ny taona nanaraka izany, tamin’ny febroary 1996 dia nahazo fanekena tamin’ny fomba ofisialy ny Fiangonana ary nanomboka niroborobo nanomboka teo.

Ankehitriny, ao Mozambika dia misy tsatòka dimy sy distrika iray ary misiôna roa izay manompo mpikambana mihoatra ny 15.000, ary tamin’ny aprily 2021, ny Filoha Russell M. Nelson dia nanao fanambarana momba ny fanorenana ny Tempolin’i Beira Mozambika. —Rahavavy Kathleen Irving, Misiônera misahana ny tantaran’ny Fiangonana, Vondromparitra Afrika Atsimo

Hamoaka printy