2022
Mianatra bebe kokoa momba ny Fisoronana Aharôna
Janoary/Febroary 2022


NY LALAN’NY FANEKEMPIHAVANAKO

Mianatra bebe kokoa momba ny Fisoronana Aharôna

Jereo hoe amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny lehilahy 11 taona no ho miakatra mitahy ny fiainan’ny hafa amin’ny alalan’ny fampiasana araka ny tokony ho izy ny fahefan’Andriamanitra ety an-tany.

Tena andro nahafinaritra ho an’ny fianakaviana Mqadi ity andro ity. Rehefa nikatona nandritra ny ankabetsahan’ny fotoana tao anatin’ny 14 volana ny varavaran’ny tempoly vokatry ny valanaretina Covid-19 dia nanana fahafahana amin’izay i Nala Mqadi (11 taona) mba hitsidika vao voalohany ny tempoly tamin’ny jona 2021.

Nitanisa ny sasantsasany tamin’ireo zavatra nisongadina nandritra izany zavatra niainana izany i Nala rehefa nanao jery todika taty aorina. Tiany ilay fiadanana tsapa tao amin’ilay trano sy ny fahadiovan’izany. Ary tiany ilay fahafahan’i Ntando zokiny lahy, nanao batisa azy.

Afaka nanatanteraka io ôrdônansy masina io i Ntando (15 taona) satria mihazona ny fisoronana Aharôna izy. Vao haingana izy no notendrena ho amin’ny anjara fanompoan’ny mpisorona.

Hery sy fahefan’Andriamanitra omena ny lehilahy mendrika 11 taona no ho miakatra ny fisoronana. Fisoronana voalohany na fiomanana ny Fisoronana Aharôna. Manana ny fahefana hizara sy hanomana sy hitsodrano ny fanasan’ny Tompo ary hanao batisa ny hafa ny lehilahy sy ny zatovolahy notendrena ho amin’ny Fisoronana Aharôna.

Nomena an’i Joseph Smith tamin’ny 1829 tamin’ny alalan’i Jaona Mpanao batisa ny Fisoronana Aharôna—ilay Jaona Mpanao batisa izay nanao batisa an’i Jesoa iny ihany. Manomana ireo lehilahy mba handray ny Fisoronana ambony kokoa na ny Fisoronana Melkizedeka ny fihazonana sy ny fampiasana ny Fisoronana Aharôna.

Nilaza izy hoe “tena nahatalanjona ny fananana fahafahana nanao batisa ny anabaviko izay sambany no natao izany.” “Nanao batisa ny reniko ihany koa aho rehefa afaka nanao batisa vao voalohany tao amin’ny tempoly. Manana ny fanalahidy hidirana ny tempoly sy ny fahafahana hanao ôrdônansy masina aho. Tena efa voatahy avy tamin’izany tokoa aho ary efa nandray fitahiana avy tamin’ny fanompoana ny Tompo tao amin’ny Tempoliny.”

Araka ny hita avy tamin’ny zavatra niainan’ny fianakaviana Mqadi, na dia ny lehilahy aza no mihazona ny fisoronana, izany fisoronana izany dia ampiasaina mba hitahiana ny zanak’Andriamanitra rehetra.

Nilaza ny Filoha Dallin H. Oaks hoe: “Mitahy antsika rehetra ny herin’ny Fisoronana. Mitarika ny vehivavy ary ny lehilahy ihany koa ny fanalahidin’ny Fisoronana, ary ireo ôrdônansin’ny fisoronana sy ny fahefan’ny fisoronana dia sady mahakasika ny vehivavy no mahakasika ny lehilahy.”1

Nanao fanamarihana avy eo i Nala hoe: “Nahatsapa ho voatahy aho rehefa nandeha tany amin’ny tempoly.” “Tena nahafinaritra izany hoe nataon’ny anadahiko batisa izany.”

Andro feno zavatra natao vao voalohany ihany koa izany ho an’i Ntando, zokin’i Nala lahy. Vao voalohany ho azy ny nanao batisa amin’ny alalan’ny fisoloan-tena tao amin’ny tempoly. Nanan-danja ho azy ny fahafahana nanao izany ho an’ireo olona ao amin’ny fianakaviany.

Nilaza i Tshepiso izay renin’ireo mpiray tampo hoe: “Tena zavatra niavaka ho ahy ny niaraka tao amin’ny tempoly vao voalohany tamin’i Nala, sy nijery an’i Ntando nampiasa vao voalohany ny fisoronana Aharôna tao amin’ny toerana fanaovana batisa.

“Feno fankasitrahana aho noho ny Fanahy izay nijoro ho vavolombelona tamin’izy ireo ny amin’ny fahamasinan’ny tempoly sy ny asa fanompoana atao ao anatiny. Nanohina ny foko ny naheno azy ireo nangataka tamim-pientanentanana ny hanatrika fanaovana batisa ao amin’ny tempoly indray. Mivavaka aho mba handrehitra faniriana ao anatin’izy ireo handray anjara sy hirotsaka bebe kokoa amin’ny asan’ny Tompo izany zavatra niainana izany eo am-pitomboan’izy ireo.”

FANAMARIHANA

  1. Dallin H. Oaks, “Ny Fanalahidy sy ny Fahefan’ny Fisoronana,” Liahona, Mey 2014, 49.

Hamoaka printy