2022
Aza matahotra; minoa fotsiny ihany!
Mey 2022


Aza matahotra; minoa fotsiny ihany!

Atombohy amin’ny alalan’ny fanekena ireo zava-tsoa efa noraisintsika avy amin’ilay mpanome ny fanomezana tsara rehetra ny fikatsahanareo ny fahasambarana.

Ny teniko anio dia mivantana amin’ireo tanoran’ny Fiangonana, izany hoe ireo rehetra mitovy taona amin’ny Filoha Nelson no ho midina. Mahalana aho no mampiasa zavatra jeren’ny maso saingy tsy aritro fa te hizara ity iray ity aho.

Sary
Taratasy avy amin’i Marin Arnold

Ity cri de coeur (hiakan’ny fo) ity dia avy amin’i Marin Arnold namako izay valo taona, ary nosoratany fony izy fito taona. Hadikako aminareo ny fiteny Egyptiana nohavaozina fahiny nampiasainy:

Ry Eveka malala,

ny fiônambe’ny fengonana maneratany

de tena nankaleo ana, fa manin

tsika no tsy maintsy

manao an’izany? Lazao ana ny antony

Apitiavana, Marin

Arnold.”1

Ry Marin, tsy hisalasalana fa handiso fanantenana anao indray ity lahateny hataoko ity. Saingy rehefa manoratra ho an’ny evekanao ianao mba hitaraina dia tena zava-dehibe ny hilazanao aminy hoe “Kearon” no anarako. Loholona Patrick Kearon.”

Efa ho roa taona izao no nandrakofan’ny valanaretina mahery vaika iray ny planetantsika ary raha saika nampitsahatra ny zava-drehetra ara-tsôsialy izany valan’aretina izany dia hita miharihary fa tsy nampitsahatra kosa ny habibiana sy ny herisetra ary ny faniratsirana mahatsiravina ara-pôlitika teo anivon’ny firenena na maneran-tany izany. Toy ny hoe tsy ampy izany fa dia mbola miatrika fanamby ara-tsôsialy sy ara-kolontsaina maharitra isika, manomboka amin’ny tsy fahampiana ara-toe-karena mankany amin’ny fanimbazimbana ny tontolo iainana ka hatrany amin’ny tsy fitoviana ara-pirazanana sy ny maro hafa.

Ny rivotra mafy sy andro manjombona toy izany dia mety hahakivy ireo zatovo eo anivontsika, izy ireo izay mahatonga antsika hanantena zavatra tsara sy hanana hafanam-po mahakasika ny ampitsontsika. Voalaza fa ny “herin’ny fahatanorana dia harena iraisana ho an’ny tany manontolo. Ny … zatovo … no handrafitra ny fiarahamonintsika … amin’ny hoavy.”2 Ankoatra izany dia ireo zanatsika no nametrahantsika fitokisana handray an-tanana ny hoavin’ity Fiangonana ity.

Raha jerena ny toe-javatra misy amin’izao fotoana izao dia tsy hifanomezan-tsiny raha toa ka somary mihena ny fikatsahan’ny tanora ny tonga lafatra. Ny Dr. Laurie Santos, izay mpampianatra ao amin’ny Oniversiten’i Yale, dia namorona vao haingana kilasy iray antsoina hoe Psikôlôjia sy ny Fiainana tsara. “Nandritra ny taona voalohany nisian’ilay kilasy dia efa ho [ampahaefatr’ireo] mpianatra mihazona ny mari-pahaizana license [iray manontolo] no nisoratra anarana.”3 Olona mihoatra ny 64 tapitrisa avy eo no nihaino ny podcast nataony. Raha nanoratra momba ity tranga ity ny mpanao gazety iray dia nilaza fa tena mandratra fo ny mahita mpianatra tanora, sy olon-dehibe, marani-tsaina “mitady mafy ny zavatra iray efa tsy eo am-pelatanan’izy ireo intsony” na ratsy kokoa noho izany, maniry zavatra iray tsy mbola nananan’izy ireo hatrizay.4

Ny fiangaviana ataoko anio amin’ireo zatovo, sy aminareo ray aman-dreny ary olon-dehibe izay manoro hevitra azy ireo dia ny hanombohanareo ny fikatsahanareo ny fahasambarana amin’ny alalan’ny fanekena ireo zava-tsoa efa noraisintsika avy amin’ilay mpanome ny fanomezana tsara rehetra.5 Amin’ilay fotoana mazava izay hametrahan’ny olona maro fanontaniana lalina momba ny toetran’ny zavatra ara-panahy, dia tokony hamaly amin’ny alalan’ilay “vaovao mahafalin’”6 ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika. Ny Fiangonanan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny andro Farany, izay manome toerana manan-danja hatrany ny iraka nampanaovina ny Mpamonjy an’izao tontolo izao sy ny hafany dia manolotra ny fomba manan-danja indrindra mandrakizay hitadiavana izay tsara sy hanaovana ny tsara amin’ny fotoana tena ilana azy toy izany.

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nilaza fa ity taranaka zatovo ity dia manana fahafahana ny hanana “[fiantraikany] kokoa amin’izao tontolo izao mihoatra noho ireo taranaka lasa rehetra.”7 Isika, raha oharina amin’ny olona rehetra, dia tokony “hikalo ny hiran’ny fitiavana manavotra,”8 saingy mitaky fitsipi-pifehezana, na “fanarahana fitsipika” raha sitrakareo, ilay karazany izay miaro amin’ny toe-tsaina ratsy sy ny fahazarana manimba izay mety hitarika antsika hamalana rehefa miezaka mihira izany hiran’ny famonjena mandrakizay izany isika.

Na dia mijanona “eo amin’ny lafin-dalana azon’ny taramasoandro aza isika,”9 dia mety hifanena indraindray amin’ilay namana iray izay tapa-kevitra hitady izay rehetra mahakivy sy ratsy amin’ny zava-drehetra isika. Fantatrareo tsara ilay teny fanevany hoe: “Maizim-be foana aloha izay vao maizin-kitroka tsy misy fiafarany.” Fomba fijery tena ratsy sy fiainana fadiranovana re izao! Eny, indraindray dia mety te hitsoaka amin’izay toe-javatra misy antsika isika saingy tsy tokony hitsoaka an’ilay maha-isika antsika mihitsy, zanak’ilay Andriamanitra velona izay tia antsika, izay vonona hamela antsika foana ary tsy hahafoy antsika na oviana na oviana. Fananany faran’izay sarobidy ho Azy ianao. Ianao ilay zanany izay nomeny mpaminany sy fampanantenana, fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy sy fanambarana, fahagagana sy hafatra ary anjely eo amin’ny lafiny roa amin’ny voaly.10

Nomeny fiangonana ihany koa ianao izay manamafy orina ny fianakaviana mandritra ny fiainana an-tany ary mamehy azy ireo hiaraka mandrakizay. Manolotra paroasy sy sampana miisa 31.000 mahery izany izay ahafahan’ny olona mivory, mihira, mifady hanina ary mifampivavaka sy manome ny fananany ho an’ny mahantra. Ao no toerana hanomezana anarana sy hanisana ary hanompoana ny olona tsirairay ary hifanompoan’ireo namana sy mpiray vodirindrina an-tsitrapo amin’ny antso isan-karazany manomboka amin’ny asa fitarihana ka hatramin’ny andraikitra hiambina. Tanora an’arivony ary mpivady zokiolona koa no mitory ny filazantsara, ka mianto-tena ary tsy afaka misafidy izay toerana hiasany, ary ireo mpikambana tanora sy zokiolona dia mandeha mankany amin’ny tempoly mba hanatanteraka ireo ôrdônansy masina ilaina amin’ny famehezana ny fianakaviamben’ny olombelona, asa iray feno fahasahiana eo anivona tontolo misara-bazana saingy manambara kosa fa izany fisarahana izany dia tsy haharitra. Antony vitsivitsy fotsiny ihany ireo nozaraintsika ireo mahakasika ilay “fanantenana ao [anatintsika].”11

Mazava ho azy fa amin’izao androntsika izao dia miatrika olana tena saro-bahana izay mpianatr’i Jesoa Kristy rehetra. Ireo mpitarika ity Fiangonana ity dia manolotra ny fiainan’izy ireo manontolo amin’ny fikatsahana ny fitarihan’ny Tompo amin’ny famahana ireo olana ireo. Raha tsy voavaha mba hanomezana fahafaham-po ny rehetra ny olana goavana sasany, dia mety ho ampahany amin’ilay hazo fijaliana izay nolazain’i Jesoa fa tsy maintsy hoentintsika mba hanarahana Azy angamba izany.12 Noho ireo androm-pahoriana sy olana saro-bahana indrindra no nahatonga an’ Andriamanitra nampanantena, tao anatin’ny andri-rahona raha atoandro ary tamin’ny andri-afo nony alina, fa hitarika mpaminany Izy, sy hanome anja-by, ary hanokatra vavahady tery izay mitondra amin’ny lalana ety ary ambonin’ny zava-drehetra dia hanome antsika ny hery ilaina mba hamitantsika ilay hazakazaka.13

Koa miangavy anareo aho, atreho hatramin’ny farany ilay fanasam-be na dia tsy resy lahatra amin’ilay “brocoli” aza ianareo. Mitanìna amin’ny hazavany ary omeo ny fahazavanareo manokana mba hanaovana ilay asa.14 Marina ny an’ireo ao amin’ny Kilonga hoe: tena “tian’ i Jesoa mba hazava toy ny taramasoandro [ianao].”15

Rehefa nitalaho tamin’i Jesoa i Jairo, ilay mpitarika Jiosy mba hanasitranany ilay zanany vavy 12 taona, izay nandry niala aina tao an-trano, dia nihazona ny Mpamonjy ela dia ela ireo vahoaka nanodidina ka vetivety dia nisy mpanompo iray tonga ka nilaza tamin’ilay ray feno tebiteby hoe: “Maty ny zanakao-vavy; aza manahirana ny Mpampianatra.”

“Fa Jesosy, raha nahare, dia namaly azy ka nanao hoe: Aza matahotra; minoa fotsiny ihany, dia ho velona izy.”16

Dia sitrana izy. Dia ho toy izany koa ianareo. “Aza matahotra; minoa fotsiny ihany.”

Koa satria sarobidy amin’ Andriamanitra sy amin’ity Fiangonana ity ny tsirairay aminareo manatrika eto dia ity fanambarana manokana ataoko amin’ny maha-Apôstôly ahy ity no hamaranako azy. Mialoha ny nandraisanareo ny fanomezana ny Fanahy Masina dia nanana ny Fahazavan’i Kristy novolena tao amin’ny fanahinareo ianareo,17 dia ilay “fahazavana izay ao amin’ny zava-drehetra, … izay manome aina ny zava-drehetra,”18 ary fitaomana ho amin’ny tsara ao am-pon’ireo rehetra izay efa niaina na ireo izay mbola hiaina. Nomena mba hiarovana sy hampianarana anareo izany fahazavana izany. Isan’ireo hafatra fototr’izany ny hoe ny fiainana no sarobidy indrindra amin’ireo fanomezana rehetra, fanomezana izay tsy ho azo mandrakizay raha tsy amin’ny alalan’ilay Sorompanavotan’i Jesoa Kristy Tompo irery ihany. Amin’ny maha-Fahazavana sy Fiainan’izao Tontolo izao Azy,19 dia tonga mba hanome antsika fiainana ilay Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fandresena ny fahafatesana.

Mila manolo-tena tanteraka amin’ny fiainana izany fanomezana fiainana izany isika ary mihazakazaka mba hanampy ireo izay hatahorana hahafoy izany fanomezana masina izany. Ry mpitarika, mpanolo-tsaina, namana, fianakaviana—jereo tsara ireo famantarana ny fahaketrahana, fahakiviana ary izay mety ho fambara maneho fampijalian-tena. Manolora tena hanampy. Mihainoa. Mandraisa andraikitra araka izay mety.

Ho anareo zatovo eto anivontsika izay sahirana, na inona na inona ireo olana na fahasoratana atrehanareo dia miharihary fa tsy vahaolana ny famonoan-tena. Tsy hanamaivana ny fanaintainana izay tsapanao na eritreretinao fa mety efa aterakao izany. Ao anatina tontolo izay mila mafy ny fahazavana rehetra azo katsahina, dia aoka ianareo tsy hanamaivana ilay fahazavana mandrakizay izay napetrak’ Andriamanitra ao anatin’ny fanahinareo talohan’ny nisian’izao tontolo izao. Miresaha amin’ny olona iray. Mangataha fanampiana. Aza simbana ilay fiainana izay nanomezan’i Kristy ny Azy hiarovana izany. Azonao zakaina ireo fahadisoam-panantenana eto amin’ity fiainana an-tany ity satria hanampy anao hizaka izany izahay. Matanjaka kokoa noho izay hieritreritenao azy ianao. Misy fanampiana azo andrandraina avy amin’ny hafa ary indrindra fa avy amin’ Andriamanitra. Tiana sy omena lanja ary ilaina ianao. Mila anao izahay! “Aza matahotra; minoa fotsiny ihany.”

Nisy olona iray izay niatrika toe-javatra mahakivy lavitra noho izay mety hatrehintsika sy ianao, izay niantsoantso hoe: “Andeha handroso [ry zandry malala namako]. Mahereza. … dia mandrosoa, mandrosoa mankamin’ny fandresena! Aoka hiravoravo ny fonareo ary ho faly fatratra tokoa.”20 Zavatra betsaka tokoa no azontsika hifaliana. Afaka mifanampy isika, ary manana Azy. Aza esorina eo anivonay ilay tombontsoa amin’ny fananana anareo. Izany no italahoako amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy Tompo, ilay Mpampianatra antsika, amena.

Hamoaka printy