2022
Loholona Ryan K. Olsen
Mey 2022


“Loholona Ryan K. Olsen,” Liahona, mey 2022.

Loholona Ryan K. Olsen

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Rehefa nihalehibe tao Sandy Utah Etazonia ny Loholona K. Olsen lehibe, dia tsy navelan’ny ray aman-dreniny nivoaka ny trano mihitsy izy raha tsy naheno ireto teny fampahatsiahivana izay nanefy azy ireto: “Tsarovy hoe iza ianao.”

“Nahasorena ahy foana izany fony aho zatovolahy,” hoy izy sady nihomehy. “Saingy ireo teny ireo dia nanampy ahy hahatsiaro ny maha zanak’ Andriamanitra ahy. Izany dia nanampy ahy hahatadidy fa manana Ray any An-danitra tia ahy aho ary ny Mpamonjy no namako akaiky indrindra. Ny zavatra rehetra azontsika antenaina hatao na hotanterahina dia amin’ny alalany ihany.”

Izany famaritana ny maha izy azy manome toky izany sy ny ohatra nasehon’ny ray aman-dreniny sy ireo misiônera namany, ireo mpiara-manompo ato amin’ny Fiangonana, ary ireo mpampianatra feno fahendrena teo amin’ny sehatry ny fandraharahana dia fitaovana sarobidy hampiasain’ny Loholona Olsen eto am-panombohany ny asa fanompoany amin’ny maha Fitopololahy Manampahefana Ambony azy.

Teraka tamin’ny 11 ôktôbra 1974, ary lehibe tao amin’ny Lemak’i Salt Lake Utah i Ryan Kirk Olsen ary zanak’i Kirk sy i Cathy Olsen.

Ny fitiavan’ny Loholona Olsen an’i Amerika Latina sy ny fiteny Espaniôla dia nihalalina rehefa nanao asa fitoriana tamin’ny fotoana feno tany amin’ny Misiônan’i Argentine Resistencia izy. Taty aoriana izy sy i Julie Dorrington Olsen vadiny, dia niara-nanompo raha voantso hiahy ny Misiônan’i Orogoay Montévideo andrefana izy nanomboka tamin’ny 2016 ka hatramin’ny 2019.

Nivady tamin’ny 20 nôvambra 1998 tao amin’ny tempolin’i Salt Lake izy sy Rahavavy Olsen. Manan-janaka efatra izy ireo.

Tamin’ny fotoana niantsoana azy ho Fitopololahy Manampahefana Ambony dia Fitopololahin’ny Vondromparitra ny Loholona Olsen. Efa filohan’ny tsatòka, filohan’ny misiôna teo anivon’ny tsatòka, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, eveka, mpanolotsaina tao amin’ny episkôpà, ary mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny Zatovolahy teo anivon’ny paroasy izy.

Ny Loholona Olsen dia nahazo diplaoma momba ny communication de masse tao amin’ny Oniversiten’i Utah ary niasa tamina sehatr’asa isan-karazany. Filoham-paritry ny Arthur J. Gallagher & Co. izy, izay orinasa maneran-tany iray misehatra amin’ny fiantohana, hatramin’ny fotoana niantsoana azy ho filohan’ny misiôna. Tamin’ny fotoana niantsoana azy ho Fitopololahy dia filoham-paritra lefitra an’io orinasa io no asany.

Hamoaka printy