2022
Ny avy ao am-pontsika manontolo
Mey 2022


14:16

Ny avy ao am-pontsika manontolo

Raha tiantsika hanosika antsika hiakatra any an-danitra ny Mpamonjy dia tsy tokony hamaivanina na hatao tsindraindray ny fanolorantenantsika ho Azy sy ho an’ny filazantsarany.

Fanatitra ho Azy

Andro vitsy talohan’ny nanolorany ny ainy ho antsika dia tao amin’ny tempoly tany Jerosalema i Jesoa Kristy nijery ny fandrotsahan’ny olona fanatitra tao amin’ny fandatsahan-drakitry ny tempoly. “Maro ny mpanan-karena nandatsaka be tao,” saingy avy eo dia nisy mpitondratena malahelo tonga, “ary nandatsaka farantsakely roa [izy].” Tena vola faran’izay kely izany ka toy ireny tsy ilaina ampidirina ao anaty firaketana ireny.

Vehivavy mpitondratena manolotra farantsakely roa

Nisarika ny sain’ny Mpamonjy anefa io fanatitra natolotra izay toa tsy misy lanjany io. Raha ny marina dia tena nanaitra lalina Azy izany ka “niantso ny mpianany hanatona Azy [Izy] ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra:

“Fa ireo rehetra ireo, dia tamin’ny haben’ny fananany no nandatsahany tao; fa izy kosa, tamin’ny alahelony no nandatsahany tao izay rehetra nananany dia ny fivelomany rehetra.”1

Tamin’ny alalan’io fanamarihana tsotra io dia nampianatra antsika ny fomba handrefesana ny fanatitra ao amin’ny Fanjakany ny Mpamonjy, ary tena tsy mitovy amin’ny fomba mahazatra fandrefesantsika zavatra izany. Ho an’ny Tompo, ny lanjan’ilay vola narotsaka dia tsy norefesina tamin’ny vokatr’izany tao amin’ny fandatsahan-drakitra fa tamin’ny vokatr’izany teo amin’ny fon’ilay mpanome kosa.

Rehefa nidera io mpitondratena mahatoky io ny Mpamonjy dia nanome antsika fenitra arahina mba handrefesana ny maha-mpianatra antsika Izy ao anatin’ireo fomba rehetra maro hanehoana izany. Nampianatra i Jesoa fa mety ho lehibe na mety ho kely ny fanatitra atolotsika, fa na izany na tsy izany, dia tokony ho avy ao am-pontsika manontolo izany.

Miverina ao anatin’ny fiangaviana nataon’ny mpaminany Amalekia ao amin’ny Bokin’i Môrmôna io fitsipika io: “Ary ankehitriny, ry rahalahy malalako, dia mba tiako ny hanatonanareo an’i Kristy, dia ny Iray Masin’ny Isiraely ary handraisanareo anjara amin’ny famonjeny sy ny herin’ny fanavotany. “Eny, manatòna Azy ary atolory ho toy ny fanatitra ho Azy ny fanahinareo manontolo.”2

Ahoana anefa no ahafahana manatanteraka izany? Toy ny tsy ho tratra izany mihitsy izany fenitra hanolorana ny fanahy manontolo izany ho an’ny maro amintsika. Efa tena maro ireo zavatra mitaky fifantohana sy ezaka avy amintsika. Ahoana no ahafahantsika mandanjalanja ireo zavatra maro takina eo amin’ny fiainana eo anatrehan’ny faniriantsika hanolotra ny fanahintsika manontolo ho an’ny Tompo?

Ny olantsika angamba dia ny fiheverantsika fa ny atao hoe mandanjalanja dia ny fizarazarana ny fotoantsika mba hitovian’ny fotoana atokana amin’ireo zavatra ifantohana isan-karazany. Raha jerena amin’izany fomba izany, ilay fanolorantenantsika amin’i Jesoa Kristy dia ho iray amin’ireo zavatra maro ilaintsika ampidirina ao anatin’ilay fandaharam-potoantsika tena feno. Misy fomba iray hafa azo hijerena izany anefa.

Fahaizana mandanjalanja: Toy ny mitaingina bisikileta

Izaho sy i Harriet vadiko dia tia miaraka mitaingina bisikileta. Fomba tena tsara iray hanaovana fampiasam-batana kely izany sy hanokanana fotoana iarahana koa. Rehefa mitaingina bisikileta izahay, ka tsy sempontsempotra sy misefosefo loatra aho, dia mankafy ny tontolo manodidina anay izahay ary manao resaka mahafinaritra mihitsy aza. Mahalana be izahay vao mba hoe mifantoka be amin’ny fomba atao mba tsy hampianjera anay eo ambonin’ny bisikiletanay. Efa ela izay nitaingenanay bisikileta izay ka tsy mieritreritra an’izany akory aza izahay. Lasa mandeha ho azy ilay izy ho anay.

Saingy isaky ny mijery olona mianatra mitaingina bisikileta vao voalohany aho dia mahatsiaro fa tsy mora ny manao izay tsy hianjerana eo ambonin’ireo kodiarana roa kely ireo. Mitaky fotoana izany. Mitaky fampiharana izany. Mitaky faharetana izany. Mety hitaky fianjerana indray mandeha na indroa aza izany.

Ny zava-dehibe indrindra ankoatra ireo, dia ireo izay lasa mahay mitaingina bisikileta dia nahafantatra ireto torohevitra manan-danja ireto:

Aza mijery ny tongotrao.

Ny eo aloha jerena.

Afantohy amin’ny lalana eo anoloanao ny masonao. Mifantoha any amin’izay toerana halehanao. Ary voizo foana ny bisikileta. Ny fisorohana ny tsy fianjerana dia tena avy amin’ny fandehanana mandroso hatrany.

Fitsipika mitovy amin’izany no arahina rehefa manao izay hahaizana mandanjalanja ny fiainantsika isika amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika. Ny fomba hizaranao ny fotoananao sy ny herinao amin’ireo asa manan-danja maro ataonao dia hiovaova arakaraka ny olona tsirairay sy ny vanim-potoanan’ny fiainana iray mankany amin’ny iray hafa. Fa ny tanjona izay iombonantsika sy ny tanjontsika amin’ny ankapobeny dia ny hanaraka ny lalan’i Jesoa Kristy ilay Mpampianatra ary hiverina eo anatrehan’ny Ray any An-danitra malalantsika. Tokony tsy ho tapaka sy tsy hiovaova ny fanatratrana izany tanjona izany, na iza isika na iza ary na inona na inona zavatra hafa miseho eo amin’ny fiainantsika.3

Tosika mampiakatra: Toy ny manamory fiaramanidina

Ny fampitahana ny maha-mpianatra amin’ny fitaingenana bisikileta aloha ho an’ireo mpankafy ny fitaingenana bisikileta dia mety fanoharana tena manampy. Ho an’ireo izay tsy mankafy izany anefa dia aza manahy. Manana fanoharana iray hafa aho izay azoko antoka fa ho fantatry ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy rehetra fa misy ifandraisana amin’izy ireo.

Ny maha-mpianatra, tahaka ny ankamaroan’ireo zavatra eo amin’ny fiainana, dia azo oharina koa amin’ny fanamoriana fiaramanidina.

Efa mba niato kely ve ianao hieritreretana hoe tena mahatalanjona ny fahafahan’ny fiaramanidina goavana iray mpitondra mpandeha maro miainga avy eo amin’ny tany ary manidina? Inona no mahatonga ireo milina manidina ireo ho afaka manivatsiva soa aman-tsara ny lanitra sy mamakivaky ireo ranomasimbe sy kaontinanta?

Raha tsorina, ny fiaramanidina dia tsy manidina raha tsy misy rivotra mivezivezy eo ambonin’ny elany. Io fihetsiketsehana io dia miteraka fahasamihafana eo amin’ny tsindrin’ny rivotra izay mampiakatra ny fiaramanidina. Ahoana no ahafahanao mahazo rivotra ampy mivezivezy eo ambonin’ireo elatra mba hiteraka tosika miakatra? Ny valiny dia ny hoe hery manosika.

Tsy ho tafakatra avo ny fiaramanidina raha mipetraka eo amin’ny lalam-piaingana sy fipetrahan’ny fiaramanidina. Na dia ao anatin’ny andro iray mandrivotra aza, dia tsy miforona ny tosika mampiakatra ampy raha tsy mandeha mandroso hatrany ilay fiaramanidina, miaraka amin’ny tosika ampy hanoherana ireo hery mitazona.

Toy ny fitondran’ny hery manosika mandroso ny bisikileta mba tsy hikivilivily sy hahitsy tsara, dia manampy ny fiaramanidina hahatohitra ny herin’ny tany misintona sy ny fitaritarihan’ny tany koa ny fandehanana mandroso hatrany.

Midika inona amintsika izany amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika? Midika izany fa raha te hanana fahaizana mandanjalanja isika eo amin’ny fiainana ary raha tiantsika hanosika antsika hiakatra any an-danitra ny Mpamonjy dia tsy tokony hamaivanina na hatao tsindraindray ny fanolorantenantsika ho Azy sy ho an’ny filazantsarany. Tsy maintsy ny fanahintsika manontolo no atolotsika Azy tahaka ny nataon’ilay mpitondratena tany Jerosalema. Mety kely ny fanatitra atolotsika saingy tokony avy amin’ny fontsika sy ny fanahintsika izany.

Tsy iray amin’ireo zavatra maro ataontsika fotsiny akory ny maha-mpianatra an’i Jesoa Kristy. Ny Mpamonjy no hery manosika ao ambadiky ny zavatra rehetra ataontsika. Tsy rehefa miala sasatra kely ao anatin’ny diantsika akory isika vao ifantohana Izy. Tsy lalana handalovana mahafinaritra na toerana lehibe manan-tantara mihitsy akory Izy. Izy no “làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalan’i [Jesoa Kristy].”4 Izay no Lalana sy ny toerana faratampony halehantsika.

Ny fahaizana mandanjalanja sy ny tosika miakatra dia tonga rehefa “mibosesika handroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy ianareo, amin’ny fanananareo fanantenana mamirapiratra sy lavorary omban’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra.”5

Fahafoizan-tena sy fanokanana

Ary ahoana ny amin’ireo adidy sy andraikitra izay tena manototra ny fiainantsika? Aiza daholo no hampidirana ny fiarahana amin’ireo olona akaikin’ny fo, ny fandehanana mianatra na ny fiomanana hiatrika asa iray, ny fanaovana ny asa fivelomana, ny fikarakarana ny fianakaviana, ny fanaovana asa fanompoana eo anivon’ny fiarahamonina? Manome toky antsika ny Mpamonjy hoe:

“Fantatry ny Rainareo izay any an-danitra fa mila ireo zavatra rehetra ireo ianareo.

“Nefa katsahonareo aloha ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny fahamarinany, ary hanampy ho anareo ireo zavatra rehetra ireo.”6

Tsy midika hoe mora akory izany.7 Mitaky fahafoizan-tena sy fanokanana izany.

Mitaky ny hampitsaharana ireo zavatra sasantsasany izany ary ny famelana ireo zavatra hafa hivelatra.

Ny fahafoizan-tena sy ny fanokanana dia lalàna anankiroa izay nanaovantsika fanekempihavanana ny fankatoavana azy tany amin’ny tempoly masina. Misy zavatra mampitovy an’ireo lalàna ireo fa tsy sahala akory izy ireo. Ny atao hoe mahafoy dia ny fanajanonana zavatra iray ho tombontsoan’ny zavatra manan-danja iray kokoa. Fahiny ny vahoakan’ Andriamanitra dia nanao sorona ny voalohan-teraky ny biby fiompiny ho fanomezam-boninahitra ilay Mesia ho avy. Tao anatin’ny tantara hatrizay, ireo Olomasina mahatoky dia nahafoy ireo fanirian’ny tena manokana sy ireo zava-mampiadana ary ny ain’izy ireo mihitsy aza ho an’ny Mpamonjy.

Isika rehetra dia manana zavatra lehibe na kely izay ilaintsika afoy mba hanarahana tanteraka kokoa an’i Jesoa Kristy.8 Maneho ny zavatra tena omentsika lanja ny fahafoizan-tenantsika. Masina sy omen’ny Tompo haja ireo fahafoizan-tena atao.9

Ny fanokanana dia tsy mitovy amin’ny fahafoizan-tena na ny fanaovana sorona farafahakeliny amin’ny lafiny iray manan-danja. Rehefa manokana zavatra iray isika dia tsy avelantsika ho levona eo ambonin’ny alitara izany. Fa ampiasaintsika mba hanompoana ny Tompo kosa izany. Manokana izany ho Azy sy ho an’ireo tanjony masina isika.10 Mandray ireo talenta izay nomen’ny Tompo antsika isika ary miezaka ny mampitombo azy ireo mba ho maro, mba ho lasa mitondra fanampiana bebe kokoa eo amin’ny fanorenana ny fanjakan’ny Tompo.11

Tena vitsy amintsika no hangatahina rahatrizay mba hanao sorona ny aintsika ho an’ny Mpamonjy. Saingy asaina isika rehetra mba hanokana ny fiainantsika ho Azy.

Asa iray, fifaliana iray, tanjona iray

Rehefa mikatsaka ny hanadio ny fiainantsika isika ary mibanjina an’i Kristy amin’ny eritreritra rehetra,12 dia manomboka mirindra ny zava-drehetra. Tsy toy ny lisitra iray lava be ahitana ireo ezaka misaratsaraka ilaina atao izay hazonina amin’ny fomba fandanjalanjana malemilemy na mareforefo intsony ny fiainana.

Rehefa mandeha ny fotoana dia lasa asa iray izany rehetra izany.

Fifaliana iray.

Tanjona masina iray.

Asa hitiavana sy hanompoana an’ Andriamanitra izany. Fitiavana sy fanompoana ny zanak’ Andriamanitra13izany.

Rehefa mijery ny fiainantsika isika ary mahita zavatra an-jatony izay tokony hatao dia sahiran-tsaina isika. Rehefa mahita ity zavatra iray ity isika dia ny hoe, mitia sy manompo an’ Andriamanitra sy ny zanany amin’ny fomba maro samihafa dia afaka mifantoka amin’ireo zavatra ireo amim-pifaliana.

Toy izao no fomba fanolorantsika ny fanahintsika manontolo: amin’ny alalan’ny famoizana izay zavatra mihazona antsika sy ny fanokanana ny ambiny ho an’ny Tompo sy ny tanjony.

Teny fampaherezana sy fijoroana ho vavolombelona

Ry rahalahiko sy anabaviko malalako ary ry namako malala isany, hisy fotoana izay hanirianareo hanao bebe kokoa. Mahafantatra ny ao am-ponao ny Ray any An-danitra be fitiavana. Fantany fa tsy afaka manao ny zavatra rehetra izay irin’ny fonao ianao. Saingy afaka mitia sy manompo Azy ianao. Afaka manao izay faran’ny herinao ianao mba hitandrina ny didiny. Afaka ny ho tia sy hanompo ny Zanany ianao. Ary hanadio ny fonao sy hanomana anao amin’ilay hoavy mamirapiratra ireo ezaka ataonao.

Izany no toa takatr’ilay mpitondratena tao amin’ny fandatsahan-drakitry ny tempoly. Fantany tsara fa tsy hanova ny haren’i Isiraely ny fanatitra natolony saingy afaka ny hanova sy hitahy azy izany, satria ny fivelomany rehetra izany na dia kely aza.

Noho izany ry namako malala sy ry mpianatr’i Jesoa Kristy malala namako, aoka isika tsy ho “ketraka amin’ny fanaovan-tsoa,” satria “mandatsaka ny fanorenan’ny asa lehibe” isika. Ary avy amin’ny zavatra madinika no hivoahan’izay lehibe.”14

Mijoro ho vavolombelona aho fa marina izany, ary mijoro ho vavolombelona koa aho fa i Jesoa Kristy no Mpampianatra antsika sy Mpanavotra antsika ary ilay hany Lalana ahafahantsika miverina any amin’ny Ray any An-danitra malalantsika. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Marka 12:41–44.

  2. Ômnia 1:26.

  3. Asaina mba hitombo amin’ny fomba voalanjalanja ny zanatsika sy ny zatovontsika rehefa manaraka an’i Jesoa Kristy izy ireo, izay fony Izy zatovolahy dia “nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin’ Andriamanitra sy ny olona” (Lioka 2:52).

  4. Jaona 14:6.

  5. 2 Nefia 31:20.

  6. 3 Nefia 13:32–33; jereo koa ny Matio 6:32–33. Ny Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 6:38 dia manome hevi-baovao fanampiny: “Koa aza mikatsaka ny zavatr’izao tontolo izao fa katsahonareo aloha ny hanorina ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny hampitoetra ny fahamarinany.”

  7. Misy ohatra iray avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson, mpaminanintsika. Fony izy tao anatin’ny fahombiazana tanteraka arak’asa tamin’ny naha-dokotera mpandidy fo azy dia voantso ho filohan’ny tsatòka izy. Ny Loholona Spencer W. Kimball sy ny Loholona LeGrand Richard no nanolotra ilay antso. Noho ny fahafantaran’izy ireo ireo zavatra takina ao anatin’ny fiainany arak’asa dia hoy izy ireo taminy hoe, “Raha mahatsapa ianao fa sahirana loatra ka tsy tokony hanaiky ny antso dia afaka manao izany ianao.” Namaly izy fa ny fanapahan-keviny mikasika ny hoe hanompo na tsy hanompo rehefa antsoina dia efa noraisiny efa ela, tamin’ny fotoana nanaovany sy ny vadiny fanekempihavanana tamin’ny Tompo tany amin’ny tempoly. “Nanolo-tena izahay tamin’izay,” hoy izy, “fa—[hikatsaka] ny fanjakany sy ny fahamarinany [aloha]—[Matio 6:33], sady nahatoky fa hanampy ho anay ny zavatra hafa rehetra, araka ny nampanantenain’ny Tompo” (Russell Marion Nelson, From Heart to Heart: An Autobiography [1979], 114).

  8. Vao haingana ny Filoha Nelson no niresaka mikasika ny “[filantsika tsirairay] manaisotra miaraka amin’ny fanampian’ny Mpamonjy, ireo poti-javatra [efa] tranainy eo amin’ny fiainantsika. … Manasa anareo aho hivavaka,” hoy izy “mba hamantarana ireo fako izay tokony hesorinao eo amin’ny fiainanao mba hahafahanao ho lasa mendrika kokoa” (“Hafatra fiarahabana,” Liahona, mey 2021, 7).

  9. Milaza ny soratra masina fa masina kokoa ho an’ Andriamanitra ny fahafoizan-tena ataontsika noho ny fitomboantsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117:13). Izany no mety ho antony iray nanomezan’ny Tompo lanja kokoa ny farantsakelin’ilay mpitondratena noho ny anjara biriky narotsak’ireo mpanankarena. Fahafoizan-tena no nasehon’ilay voalohany izay misy fiantraikany manadio eo amin’ilay mpanome. Ny an’ilay faharoa kosa, na dia mety nahavita nandrotsaka vola betsaka aza izy dia tsy fahafoizan-tena, ary tsy nanova ilay mpanome izany.

  10. Tena vitsy amintsika no hangatahina rahatrizay mba hanao sorona ny aintsika ho an’ny Mpamonjy. Saingy asaina isika rehetra mba hanokana ny fiainantsika ho Azy.

  11. Jereo ny Matio 25:14–30.

  12. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36.

  13. Araka izany dia hitantsika ny fahatanterahan’ny faminanian’i Paoly Apôstôly eo amin’ny fiainantsika hoe: “[Amin’ny andro voatendry dia hangonin’ Andriamanitra] ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy, na ny any an-danitra, na ety an-tany, dia ho ao aminy” (Efesiana 1:10).

  14. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:33.