2022
Manasitrana izay rava i Kristy
Mey 2022


10:39

Manasitrana izay rava i Kristy

Afaka manasitrana ny fifandraisana amin’ Andriamanitra izay rava, ny fifandraisana amin’ny hafa izay rava, ary ny ampahany rava amin’ny tenantsika Izy.

Taona vitsivitsy lasa izay, raha tao amin’ny fivoriam-pianakaviana iray, i William, zanaky ny iray tam-po amiko izay valo taona tamin’izany, dia nanontany an’i Briton zanakay lahimatoa raha te hiara-hilalao baolina aminy izy. Namaly tamin-kafanam-po i Briton hoe: “Eny! Te hilalao aho!” Rehefa avy nilalao nandritra ny fotoana kelikely izy ireo, dia nivilana ny daka baolina nataon’i Briton ka namaky tsy nahy ny vilany tranainy iray an’ny raibeny sy renibeny.

Tena tsy nahazo aina i Briton. Rehefa nanomboka nitsimpona ireo vakina vilany izy, dia nandeha nanatona azy i William ary nanafosafo tamim-pitiavana ny lamosiny. Nampionona azy izy avy eo hoe: “Aza manahy ry Briton. Namaky zavatra tao an-tranon’i Bebe sy i Dadabe aho indray mandeha, dia nofihinin’i Bebe aho sady niteny izy hoe: -Tsy maninona izany ry William. Vao dimy taona ianao.-”

Izay novalin’i Briton hoe: “William a! Izaho anie 23 taona e!”

Afaka mianatra zavatra betsaka avy amin’ny soratra masina isika mikasika ny fomba hanampian’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika hamakivaky amim-pahombiazana ireo zavatra rava eo amin’ny fiainantsika, na firy taona na firy taona isika. Afaka manasitrana ny fifandraisana amin’ Andriamanitra izay rava, ny fifandraisana amin’ny hafa izay rava, ary ny ampahany rava amin’ny tenantsika Izy.

Fifandraisana amin’ Andriamanitra izay rava

Raha nampianatra tao amin’ny tempoly ny Mpamonjy dia nisy vehivavy iray nentin’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo teo Aminy. Tsy fantatsika ny tantarany manontolo, fa “azo olan-tanana nijangajanga” fotsiny izy.1 Matetika ny soratra masina dia tsy manome afa-tsy ampahany kely amin’ny fiainan’ny olona iray, ary mifototra amin’izany ampahany izany no hironantsika na hanandratra na hanameloka indraindray. Tsy misy fiainan’olona azo takarina amin’ny alalan’ny tranga mahatalanjona iray na ny fahadisoam-panantenana ampahibemaso iray. Ny tanjon’ireo tantara ao amin’ny soratra masina ireo dia ny hanampy antsika hahita fa i Kristy no valiny tamin’izany, ary Izy no valiny ankehitriny. Fantany tsara ny momba antsika manontolo sy izay tena zakaintsika, mbamin’ny fahaizantsika sy ny fahalementsika.

Ny valin-tenin’i Kristy tamin’io zanakavavin’ Andriamanitra sarobidy io dia hoe: “Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony.”2 Ny fomba iray hafa ilazana ny hoe “mandehana, ary aza manota intsony” dia mety ny hoe “mirosoa ary miovà”. Ny Mpamonjy dia nanasa azy hibebaka, hanova ny fitondran-tenany, ny olona ifaneraserany, ny fahatsapany momba ny tenany, ary ny fony.

Noho i Jesoa Kristy, ny fanapahan-kevitsika mba “handroso sy hiova” dia afaka ny hamela antsika koa “handroso sy ho sitrana,” satria Izy no loharanon’ny fanasitranana izay rehetra rava eo amin’ny fiainantsika. Amin’ny maha-Mpanelanelana sy Mpisolovava lehibe Azy eo anatrehan’ny Ray, i Kristy dia manamasina sy mamerina amin’ny laoniny ireo fifandraisana rava—indrindra ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra.

Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia manazava tsara fa tena nanaraka ny torohevitry ny Mpamonjy ilay vehivavy ary nanova ny fiainany: “Ary hatramin’izany ora izany dia nankalaza an’ Andriamanitra ravehivavy ka nino ny anarany.”3 Indrisy anefa fa tsy fantatsika ny anarany, na ny antsipiriany hafa momba ny fiainany taorian’io fotoana io, satria mety ho nitaky fanapahan-kevitra sy fanetrentena lehibe ary finoana lehibe an’i Jesoa Kristy Tompo avy aminy ny hibebaka sy hiova. Ny zavatra fantatsika dia vehivavy iray izay “nino ny anarany” izy niaraka tamin’ny fahatakarana fa tsy hoe tsy ho tratry ny sorona tsy manam-petra sy mandrakizay izy.

Fifandraisana amin’ny hafa rava

Hitantsika ao amin’ny Lioka toko faha-15 ny fanoharana momba ny lehilahy iray nanan-janaka roa lahy. Nangataka ny lovany tamin-drainy ilay zandriny ka lasa nankany an-tany lavitra ary nandany ny fananany tamin’ny fiainana tsy misy dikany.4

“Ary rehefa laniny avokoa ny fananany rehetra, dia nisy mosary mafy tamin’izany tany izany, ka nahantra izy.

“Ary nandeha izy ka niankina tamin’ny tompon-tany anankiray tamin’izany tany izany, ary dia nirahiny tany an-tsahany hiandry kisoa.

“Ary satriny hameno ny kibony tamin’ny voan-kazo fihinan’ny kisoa, fa tsy nisy nanome azy.

“Ary raha nody ny sainy, dia hoy izy: Indrisy, maro ny olona karamain’ny raiko manan-kanina be dia be, fa izaho kosa maty mosary eto!

“Hiainga aho, dia hody any amin’ny raiko ka hanao aminy hoe: Raiko o, efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho,

“ka tsy mendrika hatao hoe zanakao intsony; fa ataovy tahaka ny anankiray amin’ny olona karamainao aho.

“Dia niainga izy ka nankany amin-drainy. Fa raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy.”5

Ny hoe nihazakazaka nankeny amin’ny zanany ilay raim-pianakaviana dia inoako fa tena manan-danja. Tena lalina ny ratram-po nampiainin’ilay zanany an-drainy. Toy izany koa, ilay raim-pianakaviana dia mety ho tena menatra noho ny fihetsiky ny zanany.

Nahoana ary no tsy niandry ny zanany hiala tsiny ilay raim-pianakaviana? Nahoana izy no tsy niandry ny fanaovana fanatitra fanonerana sy fampihavanana vao nanolotra famelan-keloka sy fitiavana? Zavatra efa nosaintsainiko matetika izany.

Ny Tompo dia mampianatra antsika fa ny famelana ny hafa dia didy iray ho an’izao tontolo izao: “Izaho Tompo dia hamela izay tiako havela heloka, fa takiana aminareo kosa ny hamela ny olon-drehetra.”6 Mety mitaky herim-po sy fanetrentena lehibe ny mamela heloka. Mety hitaky fotoana koa izany. Mitaky ny hametrahantsika ny finoantsika sy ny fitokiantsika amin’ny Tompo izany rehefa mandray andraikitra amin’ny toe-pontsika isika. Amin’izany no mitoetra ny lanja sy ny herin’ny fahafahantsika misafidy.

Tamin’ny fanoritsoritana io ray io ao amin’ilay fanoharana momba ny zanaka adala, dia nantitranterin’ny Mpamonjy fa ny famelan-keloka dia iray amin’ireo fanomezana faran’izay lehibe indrindra azontsika omena ny hafa ary indrindra ho an’ny tenantsika. Tsy mora foana ny manala enta-mavesatra ao amin’ny fontsika amin’ny alalan’ny famelan-keloka, saingy amin’ny alalan’ny hery manafak’i Jesoa Kristy dia azo atao izany.

Ampahany rava amin’ny tenantsika

Ao amin’ny Asan’ny Apostoly toko faha-3 isika dia mianatra momba ny lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny, “izay napetrany isan’andro teo anoloan’ny vavahadin’ny tempoly, ilay atao hoe Itsaraendrika, mba hangataka fiantrana amin’izay niditra ny kianjan’ny tempoly.”7

Efa 40 taona mahery ilay mpangataka malemy tongotra 8 ary nandany ny androm-piainany manontolo tao anatin’ny faniriana sy fiandrasana toa tsy nisy fiafarany, satria niankina tamin’ny fahalalahan-tanan’ny hafa izy.

Indray andro “nony nahita an’i Petera sy Jaona efa niditra eo an-kianjan’ny tempoly izy, dia nangataka mba homena fiantrana.

“Ary Petera sy Jaona nibanjina azy ka nanao hoe: Mijere anay.

“Dia nibanjina azy roalahy tsara izy, fa nanantena hahazo zavatra taminy.

“Fa hoy Petera: Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta, mitsangantsangàna.

“Ary noraisiny tamin’ny tanany ankavanana ralehilahy ka natsangany: dia natanjaka niaraka tamin’izay ny tongony sy ny kitrokeliny.

“Ary niantsambotra izy ka nijoro, dia nitsangantsangana ary niara-niditra taminy ho eo an-kianjan’ny tempoly, nitsangantsangana sy niantsambotsambotra sady nidera an’ Andriamanitra.”9

Matetika eo amin’ny fiainantsika dia mety mahita ny tenantsika ho toa an’ilay mpangataka malemy tongotra teo am-bavahadin’ny tempoly isika —“miandry an’i Jehovah” amim-paharetana—na indraindray amin’ny tsy faharetana.”10 Miandry ny ho sitrana ara-batana na ara-pihetseham-po. Miandry valim-panontaniana izay hipaka lalina ao am-pontsika. Miandry fahagagana.

Ny fiandrasana an’i Jehovah dia afaka ny ho toerana masina—toerana iray fanefena sy fanadiovana izay ahafahantsika mahafantatra ny Mpamonjy amin’ny fomba lalina manokana. Ny fiandrasana an’i Jehovah koa dia mety ho toerana iray ahitana ny tenantsika manontany hoe: “Andriamanitra ô, aiza no misy anao?”11—toerana iray izay hitakin’ny faharetana ara-panahy antsika mba hampihatra finoana an’i Kristy amin’ny alalan’ny fisafidianana amim-piniavana Azy foana. Haiko io toerana io, ary takatro io karazana fiandrasana io.

Nandany ora tsy tambo isaina tao amin’ny toeram-pitsaboana homamiadana iray aho, tafaray tao anatin’ny fijaliako niaraka tamin’ny maro hafa izay naniry mafy ny ho sitrana. Ny sasany velona; ny hafa tsia. Nianatra tamin’ny fomba lalina aho fa ny fanafahana amin’ireo fitsapana mahazo antsika dia tsy mitovy ho antsika tsirairay avy, ary noho izany dia tsy tokony hifantoka loatra amin’ny fomba hanafahana antsika ny fifantohantsika fa tokony hifantoka bebe kokoa amin’ny momba ilay Mpanafaka. Tokony ho amin’i Jesoa Kristy mandrakariva ny fifantohantsika!

Ny hoe mampihatra finoana an’i Kristy dia tsy vitan’ny hoe mitoky amin’ny sitrapon’ Andriamanitra fotsiny ihany fa mitoky amin’ny fotoanany ihany koa. Satria fantany tsara ny zavatra ilaintsika sy ny fotoana ilantsika izany. Rehefa manaiky ny sitrapon’ny Tompo isika dia hahazo zavatra betsaka kokoa noho izay nirintsika amin’ny farany.

Ry namako malala, isika rehetra dia manana zavatra rava eo amin’ny fiainantsika izay ilaina amboarina, na sitranina. Rehefa mitodika any amin’ny Mpamonjy isika, rehefa mampifanaraka ny fontsika sy ny saintsika Aminy, rehefa mibebaka isika, dia tonga eo amin’ny toerana misy antsika Izy “miaraka amin’ny fanasitranana ao amin’ny elany,”12 mamihina antsika amin’ny sandriny feno fitiavana ary miteny hoe: “Tsy maninona izany. Vao 5 taona ianao—na 16, 23, 48, 64, 91. Afaka miara-manamboatra izany isika!”

Mijoro ho vavolombelona aho fa tsy misy na inona na inona eo amin’ny fiainanao izay rava ka tsy ho takatry ny hery manasitrana sy manavotra ary manome fahafahana an’i Jesoa Kristy. Amin’ny anarana masin’ilay Mahery ka mahasitrana, dia i Jesoa Kristy, amena.