Ho tonga ao amin’ny valan’ Andriamanitra
Ao anatin’ny valan’ Andriamanitra isika dia miaina ny fiahian’ilay Mpiandry Tsara izay miambina sy mikolokolo ary voatahy isika hahatsapa ny fitiavany manavotra.
Fony ray aman-dreny vao herotrerony i Rahalahy sy Rahavavy Samad,1 dia nianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tao amin’ny tranony tsotsotra nisy efitra roa tao Semarang, Indonezia. Nipetraka nanodidina ny latabatra kely iray, niaraka tamin’ny jiro nanjavozavo izay toa nitondra moka betsaka kokoa noho ny fahazavana, dia misiônera tanora roa no nampianatra azy ireo fahamarinana mandrakizay. Tamin’ny alalan’ny vavaka tamin-kitsimpo sy ny fitarihan’ny Fanahy Masina, dia lasa nino ny zavatra nampianarina azy izy ireo ary nisafidy ny hatao batisa ary lasa mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Izany fanapahan-kevitra izany sy ny fomba fiainany nanomboka tamin’izay dia nitahy an-dRahalahy sy Rahavavy Samad sy ny fianakaviany tamin’ny lafiny rehetra teo amin’ny fiainan’izy ireo.2
Anisan’ireo Olomasina mpisava lalana voalohany tany Indonezia izy ireo. Taty aoriana dia nandray ireo ôrdônansin’ny tempoly izy ireo, ary Rahalahy Samad dia efa filohan’ny sampana ary avy eo filohan’ny distrika, nitondra fiara nanerana an’i Java Afovoany mba hanatanteraka ireo andraikiny. Nandritra ny folo taona lasa, dia izy no patriarika voalohany tao amin’ny tsatòkan’i Surakarta Indonezia.
Amin’ny maha-iray tamin’ireo misiônera tao amin’io tokantrano feno fanetrentena sy feno finoana io ahy, 49 taona lasa izay, dia hitako maso tao amin’izy ireo ny zavatra nampianarin’ny Mpanjaka Benjamina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna hoe: “mba maniry aho ny hisaintsainanareo ny toetry ny fitahiana sy fahasambaran’ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra. Fa indro izy ireo dia tahiana amin’ny zava-drehetra, na ara-nofo na ara-panahy.”3 Ireo fitahiana mirotsaka amin’ny fiainan’ireo izay manaraka ny ohatra sy ny fampianaran’i Jesoa Kristy, izay misafidy ny horaisina ho isan’ny mpianany, dia maro an’isa sy mahafaly ary mandrakizay.
Ny valan’ Andriamanitra
Ny fanasana ho amin’ny fanekempihavanan’ny batisa izay nataon’i Almà tamin’ireo izay nivory teo amin’ny ranon’i Môrmôna dia nanomboka tamin’izao teny izao: “Ary ankehitriny, satria maniry ianareo ny ho tonga ao amin’ny valan’ Andriamanitra.”5
Ny vala na valan’ondry dia fefy lehibe iray, matetika vita amin’ny rindrina vato, izay iarovana ny ondry rehefa amin’ny alina. Iray ihany ny fisokafany. Rehefa mifarana ny andro, dia miantso ny ondry ny mpiandry ondry. Fantatr’izy ireo ny feony, ary amin’ny alalan’ny vavahady dia miditra ao amin’ny vala mitondra fiarovana izy ireo.
Mety efa fantatry ny vahoakan’i Almà fa ny mpiandry ondry dia mijoro eo amin’ilay fidirana amin’ny vala izay tery ka rehefa miditra ny ondry dia isaina izy ireo6 ary voamarika sy karakaraina tsirairay ny ratrany sy ny aretiny. Ny fiarovana sy ny fahasalaman’ny ondry dia miankina amin’ny fahavononan’izy ireo hiditra ao amin’ny vala sy hijanona ao anatin’ny vala.
Eo anivontsika dia mety misy ny sasany izay mahatsapa fa eo amin’ny sisin’ny andian’ondry izy ireo, angamba mihevitra fa tsy dia ilaina na tsy manan-danja loatra izy ireo na hoe tsy tokony ho ao anatin’ny vala. Ary, toy ny ao amin’ny valan’ondry, indraindray isika ao amin’ny valan’ Andriamanitra dia mifanitsaka ka mila mibebaka na mamela heloka.
Fa ny Mpiandry Tsara7—ilay tena mpiandry antsika—dia tsara foana. Ao anatin’ny valan’ Andriamanitra isika dia miaina ny fiahiany miambina sy mikolokolo ary voatahy hahatsapa ny fitiavany manavotra. Hoy Izy, “Indro, efa vitako tombokavatsa eo amin’ny felatanako ianao; ny mandanao dia eo anatrehako mandrakariva.”8 Voasokitry ny Mpamonjy teo amin’ny felatanany ny fahotantsika, ny fanaintainantsika, ny fahoriantsika9 ary izay rehetra tsy rariny eo amin’ny fiainana.10 Mahazo mandray ireo fitahiana ireo avokoa ny rehetra, raha toa ka “maniry ny ho tonga”11 ary misafidy ny ho ao anatin’ny vala. Ny fanomezam-pahasoavan’ny fahafahana misafidy dia tsy hoe zo hisafidy fotsiny; fa fahafahana misafidy ny tsara izany. Ary ny rindrin’ilay vala dia tsy faneriterena fa loharanon’ny fiarovana ara-panahy.
Nampianatra i Jesoa fa hisy “andiany iray […] sady iray ihany ny mpiandry.”12 Hoy izy:
“Fa izay miditra amin’ny vavahady no mpiandry ny ondry. …
“Ary ny ondry mihaino ny feony … ,
“… ary ny ondriny manaraka azy, satria mahalala ny feony ireo.”13
Avy eo dia hoy i Jesoa hoe: “Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran’ny olona, dia hovonjena izy,”14 izay mampianatra mazava tsara fa tsy misy afa-tsy lalana iray ihany mankany amin’ny valan’ Andriamanitra ary iray ihany no hahazoana famonjena. Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy avy Aminy izany.15
Mahazo fitahiana ireo izay ao amin’ny valan’ Andriamanitra
Mianatra ny fomba hidirana ao anatin’ilay vala isika avy amin’ny tenin’ Andriamanitra, izay fotopampianarana nampianarin’i Jesoa Kristy sy ireo mpaminaniny.16 Rehefa manaraka ny fotopampianaran’i Kristy sy miditra ao amin’ilay vala isika amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy, ny fibebahana, ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana ary mitoetra ho mahatoky17 dia nampanantena fitahiana efatra manokana i Almà. [I]anareo no (1) “ho voavotr’ Andriamanitra,” (2) “ho voaisa miaraka amin’ireo ao amin’ny fitsanganana amin’ny maty voalohany,” (3) “[hahazo] ny fiainana mandrakizay,” ary (4) ny Tompo dia “[h]ampidina bebe kokoa ny Fanahiny aminareo.”18
Rehefa avy nampianatra momba ireo fitahiana ireo i Almà dia nitehaka noho ny hafaliana ny vahoaka. Izao no antony:
Voalohany: Ny hoe manavotra dia midika hoe mandoa trosa na adidy na manafaka amin’izay mampahory na manimba.19 Tsy misy fanatsarana ny tenantsika manokana avy amintsika afaka manadio antsika amin’ireo fahotana vitantsika na manasitrana antsika amin’ny ratra izay nijaliantsika raha tsy nisy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Izy no Mpanavotra antsika.20
Faharoa: Noho ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia hitsangana amin’ny maty avokoa ny olona rehetra.21 Aorian’ny handaozan’ny fanahintsika ny vatantsika mety maty, dia tsy isalasalana fa hiandrandra ny fotoana ahafahantsika mamihina ireo izay tiantsika indray isika miaraka amin’ny vatana nitsangana tamin’ny maty. Hiandrandra fatratra ny ho isan’ireo amin’ny Fitsanganana amin’ny maty voalohany isika.
Fahatelo: Ny fiainana mandrakizay dia midika hoe miaina miaraka amin’ Andriamanitra sy tahaka ny fomba fiainany. Izany no “fanomezana lehibe indrindra amin’ny fanomezan’ Andriamanitra rehetra”22 ary hitondra fifaliana feno.23 Izany no tanjona faratampony amin’ny fiainantsika.
Fahefatra: Ny fiarahan’ny mpikambana iray ao amin’ Ny Andriamanitra, ny Fanahy Masina, dia manome fitarihana sy fampiononana tena ilaina mandritra ity fiainana an-tany ity.24
Diniho ny antony sasany mahatonga ny tsy fahasambarana: ny fahoriana dia avy amin’ny fahotana,25 ny alahelo sy fanirery noho ny fahafatesan’ny olona sakaiza iray, ary ny tahotra noho ny tsy fahazoana antoka ny zavatra mitranga rehefa maty isika. Saingy rehefa miditra ao amin’ny valan’ Andriamanitra isika ka mitandrina ny fanekempihavanana nataontsika Taminy, dia mahatsapa ny fiadanan’ny fahalalana sy ny fahatokiana fa hanavotra antsika amin’ny fahotantsika i Kristy, fa hifarana haingana kokoa ny fisarahan’ny vatantsika sy ny fanahintsika, ary isika dia hiaina mandrakizay miaraka amin’ Andriamanitra amin’ny fomba be voninahitra indrindra.
Matokia an’i Kristy ary manaova zavatra amim-pinoana
Ry rahalahy sy anabavy, ny soratra masina dia feno ohatra ny amin’ny hery lehiben’ny Mpamonjy ary ny famindrampony sy ny fahasoavany feno fangorahana. Nandritra ny asa fanompoany teto an-tany dia tonga tamin’ireo izay natoky Azy sy nanao zavatra tamim-pinoana ireo fitahiany manasitrana. Ohatra, nandeha ilay lehilahy nalemy teo amin’ny farihin’i Betesda rehefa nanaraka tamim-pinoana ilay didin’ny Mpamonjy hoe: “Mitsangàna, ento ny fandrianao, ka mandehana.”26 Ireo izay narary na ory tamin’ny fomba rehetra tao amin’ny tanin’i Soafeno dia sitrana rehefa “niray saina” izy ireo “nandeha.”27
Toy izany koa, ny fahazoana ireo fitahiana mahatalanjona nampanantenaina an’ireo izay tonga ao amin’ny valan’ Andriamanitra dia mitaky antsika ny hanao izany fotsiny—mila misafidy ny ho tonga ao amin’ny vala isika. Nampianatra i Almà Zanany hoe, “Ary ankehitriny lazaiko aminareo fa ny mpiandry tsara no miantso anareo; ary raha mety mihaino ny feony ianareo, dia hoentiny hankany am-balany.”28
Taona maromaro lasa izay no nodimandry noho ny homamiadana ny namana malala iray. Rehefa nanoratra voalohany momba ny aretina nahazo azy i Sharon vadiny, dia nilaza izy hoe: “Misafidy ny finoana izahay. Finoana an’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika. Finoana ny drafitry ny Raintsika any An-danitra, ary finoana fa mahafantatra izay ilainay Izy ary manatanteraka ny fampanantenany.”29
Tafahaona tamina Olomasin’ny Andro Farany maro toa an’i Sharon aho izay mahatsapa ny fiadanan-tsaina ao anaty avy amin’ny fitoerana ao anatin’ny valan’ Andriamanitra izay feno fiarovana, indrindra rehefa tonga ny fakam-panahy, na ny fanoherana, na ny fahoriana.30 Nisafidy ny hanana finoana an’i Jesoa Kristy sy hanaraka ny mpaminaniny izy ireo. Ny mpaminany malalantsika, ny Filoha Russell M. Nelson, dia nampianatra hoe: “Izay zavatra tsara rehetra eo amin’ny fiainana, izany hoe ny fitahiana manana lanja mandrakizay rehetra, dia manomboka amin’ny finoana.”31
Tongava tanteraka ao amin’ny valan’ Andriamanitra
Tonga tany Utah i James Sawyer Holman raiben’ny raiben’ny raibeko tamin’ny 1847, saingy tsy isan’ireo tonga niaraka tamin’i Brigham Young tamin’ny volana jolay izy. Tonga izy tamin’ny faramparan’io taona io ary, araka ny fitantaran’ny fianakaviany, izy no tompon’andraikitra tamin’ny fitondrana ny ondry. Tsy tonga tao amin’ny Lohasahan’i Salt Lake izy raha tsy tamin’ny volana ôktôbra, saingy tonga tany izy sy ny ondry.32
Raha atao fanoharana, dia mbola eny amin’ny tany lemaka ny sasany amintsika. Tsy miaraka tonga amin’ny vondrona voalohany ny rehetra. Ry namako malala isany, tohizo ny dia—ary ampio ny hafa—ho tonga tanteraka ao amin’ny valan’ Andriamanitra. Tsy azo refesina ireo fitahian’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy satria maharitra mandrakizay izy ireny.
Feno fankasitrahana lalina aho fa mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny fitiavan’ny Raintsika any An-danitra sy ny Mpanavotra antsika, i Jesoa Kristy, ary ny amin’ny fiadanana izay avy amin’ Izy Ireo irery ihany—ilay fiadanana anaty sy ireo fitahiana hita ao amin’ny valan’ Andriamanitra. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.