2022
Loholona Jonathan S. Schmitt
Mey 2022


“Loholona Jonathan S. Schmitt,” Liahona, mey 2022.

Loholona Jonathan S. Schmitt

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Milaza ny Loholona Jonathan S. Schmitt fa “ny fahavononany hanao izay rehetra asaina ataony” no entiny hanatontosana ny antsony amin’ny maha Fitopololahy Manampahefana Ambony vao notohanana azy.

“Izay no mba hany ananantsika,” hoy izy. “Ny dikan’ny hoe manana fo torotoro sy fanahy manenina dia ny fanoloranao tena tanteraka amin’ny Tompo fotsiny ary mamela ny Tompo hanatanteraka ny sitrapony aminao.”

Nampian’ny Loholona Schmitt hoe, “Ny Tompo dia afaka manome antsika ny hery, ny talenta, ary ny fanomezam-pahasoavana ilaintsika mba hanatontosana ny asany. Saingy raha tsy vonona ny hanao izay rehetra asainy atao isika dia lasa be safidy ary tsy manome Azy ny fahafahana hitahy antsika amin’ny ezaka ataontsika amin’ny fanompoana Azy.”

Teraka tamin’ny 16 aprily 1973, tao Mesa, Arizona, Etazonia i Jonathan Stephen Schmitt ary zanak’i Robert Edward sy Dianne Lyda Schmitt. Lehibe tao Yuma, Arizona izy. Tamin’ny 21 jolay 1995, dia nanambady an’i Alexis Swain Udall tao amin’ny tempolin’i Mesa Arizona izy. Manan-janaka efatra izy ireo.

Nahazo mari-pahaizana maîtrise scientifique momba ny fambolena sy ireo loharano ara-toekarena izy tamin’ny 1997, ary mari-pahaizana juris doctor tamin’ny 2000, samy avy tao amin’ny Oniversiten’i Arizona ny Loholona Schmitt.

Taorian’ny naha mpiraki-draharaha azy tao amin’ny Fitsarana Avon’i Arizona, dia mpisolovava ho ana kabinetra iraisam-pirenena mpanao lalàna atao hoe Akin Gump Strauss Hauer & Feld LLP izy. Taty aoriana dia mpisolovava sy mpanorohevitra amin’ny fitoriana ho an’ny Baker Hughes Incorporated izy. Ankoatra ireo dia efa filoha lefitra mpanampy tao amin’ny Oniversiten’i Arizona State izy.

Ny Loholona Schmitt dia Fitopololahin’ny Vondromparitra tao amin’ny Vondromparitra Amerika Avaratra Atsimo Andrefana tamin’ny fotoana niantsoana azy ho Fitopololahy Manampahefana Ambony. Isan’ny antsony teo aloha ny naha-filohan’ny Misiônan’i Californie San Diego azy ny 2014 hatramin’ny 2017, filohan’ny tsatòka, eveka, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòska, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, filohan’ny kôlejin’ny loholona, mpitantsoratra mpanatanteraka an’ny paroasy, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny Zatovolahy teo anivon’ny tsatòka, mpitarika ny vondron’ny mpisorona avo, mpampianatra ireo mpiofana ho misiônera teo anivon’ny tsatòka, ary misiônera amin’ny fotoana feno tao amin’ny Misiônan’i Californie Fresno.

Hamoaka printy