2022
Loharanom-pitaovana vaovao
Mey 2022


Loharanom-pitaovana vaovao

Misy ireo loharanom-pitaovana azo ampiasaina nanomboka vao tsy ela mba hanampiana ny mpikambana hiaina ny filazantsara, hampiorina ny fianakaviany, ary hisahana ireo andraikitra ao amin’ny Fiangonana.

Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

Io boky misy sary io dia ahitana sary sy lahatsoratra nohavaozina izay hanampy ny fianakaviana amin’ny fandalinana ao an-tokantrano. Ilay boky nasiam-panavaozana dia ahitana sary vaovao 350 mahery. Naverina nosoratana ireo tantara rehetra teo aloha, nampiana tantara sivy vaovao, ary nadika ho amin’ny fiteny miisa 63 ilay boky. Misy ireo horonan-tsarimiaina sy tantara amin’ny horonam-peo novolavolaina amin’ny fiteny 10 ho an’ny tantara tsirairay. Azo jerena en ligne miaraka amin’ny horonan-tsary mifandray aminy ao amin’ny scripturesto.ries.ChurchofJesusChrist.org, ao amin’ny appli Bibliothèque de l’évangile sy Gospel for Kids ary ao amin’ny YouTube ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha. Ny boky amin’ny endriny vita printy dia azo jifaina amin’ny alalan’ny store.ChurchofJesusChrist.org na any amin’ireo ivontoerana fanapariahana.

Muslims and Latter-day Saints: Beliefs, Values, and Lifestyles (Ny Silamo sy ny Olomasin’ny Andro Farany: Ireo zavatra inoana, soatoavina, ary fomba fiaina)

Ity kiboky vaovao ity dia mampifankahafantatra ny mpino Silamo sy ny Olomasin’ny Andro Farany. Ny Loholona isany David A. Bednar sy Gerrit W. Gong ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo no nanolotra azy voalohany nandritra ny fihaonambe iray momba ny finoana Silamo tao amin’ny Oniversite Brigham Young tamin’ny ôktôbra 2021. Azo jerena ao amin’ny Mediathèque de l’évangile (ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org na ao amin’ny appli mobile) ny kiboky, amin’ny fiteny Arabo, Anglisy, Farsia, Frantsay, Alemà, Rosiana, Espaniôla, ary Torka. Ao amin’ny Mediathèque de l’évangile, mankanesa ao amin’ny Livres et leçons dia avy eo sokafy ny Relations interconfessionnelles.

Fahafahana mahazo vatsim-pianarana

Amin’izao ny BYU–Pathway Worldwide dia manolotra fahafahana hahazo vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra tsirairay, miankina amin’ny filàna. Tsy misy fepetra akademika takina mba hahazoana ilay vatsim-pianarana. Ireo mpianatra nisoratra anarana amin’ny PathwayConnect dia tsy maintsy nahavita fotsiny taranja iray ahazoana fampahalalana.

Finding Strength in the Lord: Emotional Resilience (Mahita hery ao amin’ny Tompo: Fahaiza-miarina ara-pihetsehampo)

Io fampianarana momba ny fizakan-tena io dia misy amin’ny fiteny Albaniana, Sinoa, Tseky, Danoà, Hôlandey, Anglisy, Frantsay, Alemà, Hôngroà, Italiana, Japôney, Koreana, Pôrtogay, Rosiana, ary Espaniôla.

Torolalana momba ny antso

Ireo boky torolalana vaovao momba ny antson’ny mpitarika dia manampy ny mpitarika Zatovovavy hampianatra ny zatovo. Mba hahitana ireo boky torolalana ireo ao amin’ny Mediathèque de l’évangile dia mankanesa ao amin’ny Handbooks and Callings, dia Ward or Branch Callings ary Young Women. Ireo loharanom-pitaovana fanampiny dia azo jerena ao amin’ny YoungWomen.ChurchofJesusChrist.org.

Fomba ahafahana mifandray

Ireo Olomasin’ny Andro Farany izay nanao asa fitoriana nanomboka tamin’ny taona 2000 dia afaka mizara amin’izao fotoana izao ny fomba hahafahana mifandray amin’izy ireo amin’ireo mpitarika azy tao amin’ny misiônany amin’ny alalan’ilay lahatahirim-pifandraisana vaovaon’ireo misiônera taloha ao amin’ny appli Outils pour les membres. Rehefa manaiky hampiasa izany ny misiônera teo aloha iray, dia mamela ireo mpitarika azy tany amin’ny misiônany hahita ny anarany sy ny fomba hahafahana mifandray aminy izy. Ireo mpitarika misiôna dia afaka mampiasa izany fampahalalana izany mba hifandraisana amin’ireo misiônera, na amin’izy ireo tsirairay avy na mitambatra.

Gospel for Kids (Filazantsara ho an’ny ankizy)

Ity fantsona ao amin’ny YouTube ity dia misy amin’ny fiteny Anglisy, Pôrtogey, ary Espaniôla amin’izao fotoana izao. Ny fizarana vaovao ao amin’ny Mediathèque de l’évangile izay antsoina hoe Ankizy dia hahafahan’ireo ankizy mampiasa tantara, horonan-tsary ary sahanasa fianarana.

Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany

Efa tafiditra izao ireo fanovana farany amin’ny fiteny Anglisy, ary ho avy mandritra ny 2022 ny amin’ny fiteny hafa.

Hamoaka printy