2022
Mandaitra ve ilay drafitra?
Mey 2022


Mandaitra ve ilay drafitra?

Mijoro ho vavolombelona aho fa mandaitra ny drafitry ny fahasambarana. Noforonin’ny Rainareo any An-danitra izay tia anareo izany.

Mandaitra ve ilay drafitra?

Vao haingana aho no niresadresaka tamin’ny tovolahy iray izay nanao asa fitoriana taona maro lasa izay ary ankehitriny dia tafiditra eo amin’ny sehatry ny asa matihanina. Azo lazaina fa nandeha tsara ny fiainany. Saingy nihena ny herin’ny finoany. Rendrika tao anatin’ny fisalasalana lehibe momba ny Mpamonjy sy ny Fiangonany izy. Nanazava izy fa tsy nahazo ireo fitahiana nantenainy avy amin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny izy. Tsy tsapany hoe niasa teo amin’ny fiainany ny drafitry ny fahasambarana.

Ny hafatro anio dia ho an’ireo rehetra izay mety manana fahatsapana mitovitovy amin’izany. Miresaka aho amin’ireo izay nisy fotoana “nahatsiaro ny hikalo ny hiran’ny fitiavana manavotra” kanefa tsy “[mahatsapa] izany ankehitriny.”1

Nanomana drafitra mahafinaritra ho an’ny fahasambarantsika mandrakizay ny Raintsika any An-danitra. Saingy rehefa tsy miseho araka izay nantenaintsika ny fiainana dia mety ho toy ny hoe tsy mandaitra ilay drafitra.

Tsapantsika angamba ny zavatra tsapan’ny mpianatr’i Jesoa rehefa tao anaty sambo: “ampovoan’ny ranomasina, dia natopatopan’ny alon-drano [izy ireo], fa notohain’ny rivotra.”2

Vao maraina be taorian’izay dia:

“Nankeny amin’ny mpianany Jeso[a], nitsangantsangana teny ambonin’ny ranomasina.

“Ary nony nahita Azy nitsangantsangana tambonin’ny ranomasina ny mpianatra, dia raiki-tahotra … dia niantso izy noho ny tahotra.

“Ary Jeso[a] niteny taminy niaraka tamin’izay hoe: Matokia, fa Izaho ihany, aza matahotra.

“Ary Petera namaly Azy ka nanao hoe: Tompoko, raha Hianao ihany, dia asaovy manatona Anao eny ambonin’ny rano aho.

“Ary hoy Izy: Manatòna. Dia nidina niala tamin’ny sambokely Petera ka nandeha tambonin’ny rano hanatona an’i Jeso[a].

“Fa raha nahita ny rivotra [mahery] izy, dia natahotra, ary raha vao nilentika izy, dia niantso hoe: Tompo ô, vonjeo aho.

“Ary naninjitra ny tanany niaraka tamin’izay Jeso[a], dia nandray azy ka nanao taminy hoe: Ry kely finoana, nahoana no niahanahana ianao?”3

Azoko atao ve ny mizara aminareo fitsipika telo izay nianarako tamin’i Petera? Mivavaka aho mba hahafahan’ireo fitsipika ireo manampy ireo rehetra mahatsapa fa tsy mandaitra eo amin’ny fiainan’izy ireo ny drafitry ny fahasambarana.

Voalohany, manaova asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy.

Talanjona aho noho ny finoan’i Petera. Noho ny fanasana tsotra nataon’i Jesoa hoe “manatòna”, dia nandao ny sambony natopatopan’ny tafio-drivotra izy. Toa fantany fa raha manasa azy hanao zavatra i Jesoa Kristy, dia ho vitany izany.4 Natoky ny Mpamonjy mihoatra noho ny fahatokisany ny sambony i Petera. Ary izany finoana izany no nanome azy hery hanaovana asa amim-pahasahiana nandritra ny toe-javatra nampikorontan-tsaina sy nampatahotra.

Ny finoan’i Petera dia mampahatsiahy ahy ny zavatra niainana iray izay reko avy amin’ny Loholona José L. Alonso. Fotoana fohy taorian’ny nahafatesan’ny zanakalahin’ny Loholona Alonso, izay namela fianakaviana manana zanaka kely, dia nandre ireo ankizy niresaka ny Loholona Alonso.

“Inona izao no hataontsika?” hoy izy ireo nanontany.

Namaly ny zanakavavy iray sivy taona hoe: “Tsy maninona i Dada. mitory ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy.”

Tahaka an’i Petera, io zanany vavy kely io dia nahita mihoatra noho ny zava-tsarotra nanjo azy ary natoky an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Ny finoana ny Mpamonjy dia mitondra fiadanana sy hery handrosoana.

Raha manao jery todika ny fiainanareo ianareo dia mino aho fa ho hitanareo fa efa imbetsaka ianareo no nampihatra finoana. Ny fidirana ho mpikamban’ny Fiangonana dia asa maneho finoana. Ny firesahana amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny vavaka dia asa maneho finoana. Ny famakiana ny soratra masina dia asa maneho finoana. Ny fihainoana ny hafatro amin’ity fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ity dia asa maneho finoana. Hoy ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Aza atao tsinontsinona ny finoana izay efa anananao.”5

Izao ny lesona iray hafa ianarako avy amin’i Petera:

Miverena amin’i Jesoa Kristy avy hatrany rehefa ao anatin’ny fotoan-tsarotra.

Rehefa nandeha nanatona ny Mpamonjy i Petera dia natahotra ny rivotra ka nanomboka nilentika. Rehefa fantatr’i Petera anefa izay nitranga, dia tsy niezaka nanosihosy ny rano izy na nilomano niverina ho eny an-tsambo. Tsy nanary ny finoany an’i Kristy izy, fa nifikitra mafy kokoa tamin’izany, niantsoantso hoe: “Tompo ô, vonjeo aho.”

Ary naninjitra ny tanany niaraka tamin’izay Jeso[a], dia nandray azy.”6

Miatrika rivo-mahery izay mety hanozongozona ny finoantsika sy hahatonga antsika hilentika isika rehetra. Rehefa mitranga izany dia tsarovy fa misy anarana hafa fiantsoana azy ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray any An-danitra—dia ny drafitry ny fanavotana. Ilay drafitra dia tsy ny hisosantsika mora foana amin’ny fiainana, tsy ho tafintohina mihitsy, tsy hilentika na oviana na oviana, miaraka amin’ny tsiky lalandava eo amin’ny endritsika. Fantatry ny Ray any An-danitra fa mila avotana isika. Izany no antony nanomanany ny drafitry ny fanavotana.7 Izany no antony nanirahany Mpanavotra iray. Rehefa sahirana isika—na inona na inona antony—dia tsy midika akory izany hoe tsy mandaitra ilay drafitra. Amin’izay fotoana izay indrindra no tena ilantsika ilay drafitra!

Araho ny ohatr’i Petera amin’ny fotoana tahaka ireny. Mitodiha any amin’ny Mpamonjy avy hatrany.

“Izao no fotoana sy andron’ny famonjena anareo. … Mba tsy hanemoranareo ny andron’ny fibebahanareo.”8

Na aiza na aiza no misy antsika ary na taiza na taiza no nisy antsika dia ny fibebahana no lalana mandroso. Nampianatra ny Filoha Nelson hoe:

“Tsy misy zavatra manafaka kokoa sy maha-olom-banona kokoa na lehibe kokoa eo amin’ny fivoaran’ny tenantsika manokana noho ny fibebahana tsy tapaka sy ny fifantohana amin’izany isan’andro. …

“Na mandroso amim-pahavitrihana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ianao, na solafaka teny amin’ny lalan’ny fanekempihavanana na tafavoaka an’izany, na tsy afaka mahita akory ilay lalan’ny fanekempihavanana avy any amin’izay misy anao amin’izao fotoana izao, dia miangavy anao aho mba hibebaka. Iaino ilay hery mampatanjaka avy amin’ny fibebahana isan’andro, ka hanao tsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kely kokoa isan’andro”.9

Ny fanatonana an’i Kristy dia midika mihoatra noho ny fieritreretana Azy fotsiny na firesahana momba Azy fotsiny na ny fitiavana Azy mihitsy aza. Midika izany hoe manaraka Azy. Midika izany hoe miaina ny fomba fiainana ampianariny antsika. Ary ho antsika rehetra, izany dia midika hoe mibebaka, tsy misy hatak’andro.

Niasa tao amin’ny Ivontoerana fanofanana misiônera ny iray amin’ireo zanako vavy. Nitantara tamiko izy momba ny elder iray nampianariny, izay nilaza taminy fa tsy azony antoka raha toa ka tena marina ny Bokin’i Môrmôna. Efa nivavaka izy ka nivavaka mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona ara-panahy, saingy tsy nahazo valiny.

Nivavaka ilay zanako vavy mba hahalalany izay tokony hataony hanampiana ity misiônera ity. Ny fahatsapana azony dia hoe tsy nomena fotsiny ny soratra masina mba hahafahantsika mamaky azy ireo sy hahazo fijoroana ho vavolombelona; fa nomena koa mba hampianatra antsika hitandrina ny didin’ Andriamanitra. Nizara izany hevitra izany tamin’ilay misiônera ny zanako vavy.

Tatỳ aoriana, dia nahita an’io misiônera io indray izy, izay toa faly lavitra kokoa. Nolazainy taminy fa nahazo fijoroana ho vavolombelona ihany izy nony farany fa marina ny Bokin’i Môrmôna. Fantany fa tonga io fijoroana ho vavolombelona io noho izy nanao ezaka lehibe kokoa mba hanatanterahana ny zavatra ampianarin’ny Bokin’i Môrmôna.

Handeha isika hanaraka ny ohatra nasehon’i Petera ny amin’ny fitodihana amin’ny Mpamonjy mandritra ny fotoan-tsarotra. Araho i Jesoa Kristy fa aza miantehitra amin’ny fahendrenareo sy ny herin’ny tenanareo. Na manao ahoana na manao ahoana ny fiezahanareo hanosihosy rano tsy miaraka Aminy dia tsy misy izany hoe tara loatra izany hanatonana Azy. Mandaitra ilay drafitra!

Ny fitsipika fahatelo ianarako avy amin’i Petera sy ny zavatra niainany dia izao:

Manetre tena eo anatrehan’ny Tompo, dia hanandratra anareo ho amin’ny zavatra lehibe kokoa Izy.

Naneho finoana i Petera, na teo amin’ny fandehanana teo ambonin’ny rano na tamin’ny fanatonana ny Mpamonjy rehefa nila fanampiana izy. Na izany aza dia hitan’ny Mpamonjy tao amin’i Petera fa afaka mahavita zavatra betsaka kokoa izy. “Ry kely finoana,” hoy Izy, “nahoana no niahanahana ianao?”10

Azon’i Petera natao ny ho tezitra tamin’io fananarana io. Saingy nanaiky izany tamim-panetren-tena izy. Nanohy nikatsaka finoana lehibe kokoa an’i Jesoa Kristy izy. Tamin’ny alalan’ireo traikefa maro fanampiny izay manorina finoana—izay sarotra dia sarotra ny sasany tamin’izy ireo—no nahatonga an’i Petera ho lasa mpitarika mafy orina araka ny tian’ny Tompo hahatongavany. Nahavita zavatra lehibe teo amin’ny fanompoana ny Tompo izy.

Inona no zava-dehibe tian’ny Tompo hotanterahinareo? Ao amin’ny Fiangonany sy ny fanjakany dia misy fahafahana maro hanaovana asa fanompoana sy hanompoana ny hafa tahaka ny nataon’ny Mpamonjy. Tiany handray anjara amin’ny asany lehibe ianao. Tsy ho lasa tena azo tsapain-tanana mihitsy ilay drafitry ny fahasambarana raha tsy rehefa hoe manampy ny hafa ianao hiaina izany.

Teo am-panorenako ny finoako manokana dia nanova ny fiainako ireto tenin’i Almà ireto: “Hotahiana izay manetry ny tenany, rehefa tsy terena hanetry tena.”11 Handeha isika hametraka ny tenantsika amin’ny toerana izay ahafahan’i Jesoa mampahery antsika, sy mitarika antsika, ary manampy antsika araka izay tsara indrindra vitantsika.12

Mijoro ho vavolombelona aho fa mandaitra ny drafitry ny fahasambarana. Noforonin’ny Rainareo any An-danitra izay tia anareo izany. Mandaitra ilay izy satria nandresy ny fahotana sy ny fahafatesana tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany i Jesoa Kristy. Manatòna Azy, manaraha Azy, ary “avy hatrany dia hotanterahina aminareo ny drafitra lehiben’ny fanavotana.”13 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy