2022
Vaovao mikasika ny tempoly
Mey 2022


Vaovao mikasika ny tempoly

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanambara drafitra hanorenana tempoly fanampiny miisa 17, ka izany dia mahafeno ny isan’ny tempoly nambarany hatramin’ny naha lasa Filohan’ny Fiangonana azy ho 100.

Hisy tempoly haorina any amin’ireto toerana ireto na any akaikin’izany: Wellington, Nouvelle Zélande; Brazzaville, Repoblikan’i Congo; Barcelone, Espaina; Birmingham, Royaume-Uni; Cusco, Pérou; Maceió et Santos, Brésil; San Luis Potosí et Mexico Benemérito, Meksika; ary ho an’ny ao Etazonia dia Tampa, Floride; Knoxville, Tennessee; Cleveland, Ohio; Wichita, Kansas; Austin, Texas; Missoula, Montana; Montpelier, Idaho; ary Modesto, Californie.

Vaovao farany hafa

Hatramin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany dia nisy ireo tempoly izay natokana na naverina natokana, varavarana misokatra natao filazana, ary fiadiana fototra kasaina atao manerana izao tontolo izao.

Natokana ny tempolin’i Winnipeg Manitoba (Kanadà) sy ny tempolin’i Pocatello Idaho (Etazonia), ary naverina natokana ny tempolin’i Mesa Arizona (Etazonia). Nambara ny daty hanatontosana ny fanokanana na ny fanokanana indray ary ny varavarana misokatra ho an’ireo tempoly ao Yigo, Guam; Praia Cap Vert; Rio de Janeiro, Brésil; Washington, D.C., Etazonia; ary Tokyo, Japon.

Natao ny fiadiana fototra ho an’ny tempolin’i Casper Wyoming (Etazonia), ny tempolin’i Pago Pago Samoa Américaine, ny tempolin’i Bacolod Philippines, ary ny tempolin’i Freetown Sierra Leone. Nambara ny daty hanatanterahana ny fiadiana fototra ho an’ireo tempoly any amin’ireto toerana manaraka ireto ao Etazonia: Grand Junction, Colorado; Lindon, Utah; Farmington, Nouveau Mexique; Elko, Nevada; Burley, Idaho; Yorba Linda, Californie; ary Smithfield, Utah.

Nambara ny toerana iorenan’ny tempoly, ary noraisina ny asa tanan’ireo mpahay zavakanto ho an’ny tempolin’i Le Cap Afrika Atsimo, ny tempolin’i Querétaro Meksika, ary ny tempolin’i Ephraim Utah.

Fanavaozana

Mitohy ny asa fanamboarana sy fanavaozana ho ana tempoly maromaro maneran-tany, isan’izany ny fanavaozana ny tempolin’i Salt Lake sy ny tokontaniny, ary miaraka amin’izany koa ny tokontanin’ny Birao Foiben’ny Fiangonana. Izany tetikasa izany dia hanatsara, hanavao ary handravaka ny tempoly sy ny tokotany manodidina azy, hanolo ireo fotodrafitrasa efa tonta, ary hamaha ny olana eo amin’ny lafiny fiarovana sy horohoron-tany.

Nohamafisina ilay tempoly mba hahazaka horohoron-tany 7,2 eo amin’ny maridrefy; nohamafisina sy najoro tsara ny fotony mba hahatohitra horohoron-tany; nohavaozina ny fotodrafitrasa elektrika sy ny fantson-drano; fidirana vaovao no eo an-dalam-panamboarana; nosoloina ny béton simba eo amin’ny tokontany ary naverina narafitra ny lafitany mba hampihena ny tany mihotsaka any ambany tany; ary novaina ny endrika amam-bikan’ny tokontanin’ny tempoly sy ny tokontanin’ny birao foibe mba hahatonga ilay tontolo ho mivelatra sy mahatamana kokoa. Ny fanavaozana, izay nanomboka tamin’ny 2020, dia vinavinaina ho vita amin’ny 2025.

Mitohy ny fanavaozana atao ho an’ireo tempolin’i Hamilton, Nouvelle Zélande; Hong Kong, Sina; ary Columbus, Ohio, sy St. George ary Manti, Utah, Etazonia. Ho fampahafantarana ny mombamomba ireo tempoly hafa dia jereo ilay rohy etsy ambany.

Miverina amin’ny mahazatra

Tao anatin’ny taratasy iray ho an’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana tamin’ny 15 martsa 2022, ny Fiadidiana Voalohany dia nanambara fa ireo tempoly manerana izao tontolo izao dia hiverina tsikelikely hiasa araka ny fomba fiasany mahazatra. Tafiditra ao anatin’izany ny fanafoanana ny fanaovana arotava ary ny famerana ny isan’ny mpiditra, miankina amin’ny toe-javatra ao an-toerana. Ny fampiharana izany ho an’ny tempoly tsirairay dia hotapahin’ny filohan’ny tempoly sy ny Fiadidian’ny Vondromparitra, rehefa nifandinika tamin’ny Departemanta misahana ny Tempoly izy ireo.

Hamoaka printy