2022
Manana tantara avokoa isika tsirairay
Mey 2022


Manana tantara avokoa isika tsirairay

Miangavy aho, tongava mitady ny fianakavianao sy ny taranaka rehetra mifandray aminao izay nifandimby, ary ampodio ao an-trano izy ireo.

Manana tantara avokoa isika tsirairay ry namana, rahalahy sy anabavy. Rehefa mahafantatra ny tantarantsika isika dia lasa mifandray sy miombona ary tonga amin’ny tokony hahatongavana.

Gerrit Walter Gong no anarako. Ny Gerrit dia anarana Hôlandey, ny Walter (anaran-draiko) dia anarana Amerikana, ary ny Gong mazava ho azy dia anarana Sinoa.

Nanombantombana ireo manam-pahaizana fa vahoaka teo amin’ny 70 lavitrisa hatramin’ny 110 lavitrisa no efa niaina teto an-tany. Angamba tokana monja no nantsoina hoe Gerrit Walter Gong.

Manana tantara avokoa isika tsirairay. Tiako “ny ora-mikija [sy] ny rivo-mifamahofaho.”1 Nidoladola niaraka tamin’ireo pingouins an’ny Antarctique aho. Nomeko ireo kamboty tany Guatemala sy ireo zaza mpirenireny tany Cambodge, ary ireo vehivavy Maasai tao amin’ny valan-javaboary Mara tany Afrika ny sarin’izy ireo voalohany indrindra.

Niandry tany amin’ny hôpitaly aho rehefa teraka ireo zanakay tsirairay raha nasain’ny dokotera nanampy aho.

Matoky an’ Andriamanitra aho. Mino aho fa “misy [isika], mba hahazo fifaliana,”2 ary misy fotoany sy androny avy ny zavatra rehetra ety ambanin’ny lanitra.3

Fantatrao ve ny tantaranao? Inona ny hevitry ny anaranao? Ny mponina eto an-tany dia 1,1 lavitrisa tamin’ny 1820 ka nitombo ho 7,8 lavitrisa eo ho eo tamin’ny 2020.4 Toa taona fiantomboham-piovana teo amin’ny tantara ny taona 1820. Olona maro teraka taorian’ny 1820 no manana fahatsiarovana velona sy raki-tantara mba hamantarana taranaka fianakaviana maromaro. Moa ve ianao mahatadidy fahatsiarovana mamy manokana niarahana tamin’ny ray aman-drenibe iray na olona iray tao amin’ny fianakaviana?

Na firy na firy ny fitambaran’ny olona rehetra efa niaina teto an-tany dia misy fetra izany sy azo isaina, olona iray isaky ny mandeha. Samy manan-danja izaho sy ianao.

Ary eritrereto izao azafady: na fantatsika izy ireo na tsia, dia samy natera-dray sy reny isika tsirairay. Ary ny ray sy reny tsirairay dia natera-dray sy reny ihany koa.5 Na nateraka isika na natsangana ao amin’ny rohim-pirazanana misy antsika dia mifandray daholo isika rehetra amin’ny farany ao amin’ny fianakaviamben’ Andriamanitra sy ny fianakaviamben’ny zanak’olombelona.

Teraka tamin’ny 837 taorian’ny J.K. i Dragon Gong Voalohany, izay dadabeko tany amin’ny taranaka fahatelopolo tany aloha tany, izay nanorina ny tanànan’ny fianakavianay tany atsimon’i Chine. Tamin’ny fotoana voalohany nitsidihako ny tanànan’i Gong dia nilaza ny olona hoe “Wenhan huilaile” (“Tafaverina i Gerrit”).

Raha ny avy amin-dreniko, dia ahitana anarana fianakaviana an’arivony ilay rafi-tetiaranay velona, ary mbola maro no tokony ho karohina.6 Samy manana fianakaviana maro fanampiny isika izay tokony hampifandraisina amintsika. Raha mihevitra ianao fa efa vitan’ny anabavin’ny raibenao na ny rahavavin’ny renibenao avokoa ny tetiaram-pianakavianao, dia karohy azafady ireo zanaky ny mpiray tampo amin’ny ray aman-dreninao sy ny zanaky ny mpiray tampo amin’ny ray aman-drenin’izy ireo. Ampifandraiso amin’ireo anarana 10 lavitrisa azo karohina ao amin’ny raki-piraketana an-jotra ao amin’ny FamilySearch ankehitriny ireo anaran’ny fianakavianao tao anatin’ny fahatsiarovanao, sy amin’ireo olona 1,3 lavitrisa ao amin’ny rafi-tetiarana.7

Sary
Hazo velona misy fakany sy sampany

Angataho ireo namana na fianakaviana hanao sarina hazo velona. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson fa ny hazo velona dia manana fakany sy sampany.8 Na taranaka voalohany fantatra ianao na taranaka fahafolo dia ampifandraiso ny taranaka efa lasa mba ho ampiasain’ireo ho avy. Ampifandraiso ao amin’ny rafi-tetiaranao velona ireo faka sy ireo rantsana.9

Ilay fanontaniana hoe: “Avy aiza ianao?” dia manontany mikasika ny rohim-pirazanana, ny toerana nahaterahana, ary ny firenena niaviana na ny tanindrazana. Raha maneran-tany no jerena dia ny 25 isan-jatontsika dia manana fiaviana avy any Chine, ny 23 isan-jato avy any Inde, ny 17 isan-jato avy any amin’ny faritra hafa any Asie sy Pasifika, ny 18 isan-jato avy any Eorôpa, ny 10 isan-jato avy any Afrika, ary ny 7 isan-jato avy any Amerika.10

Ilay fanontaniana hoe “Avy aiza ianao?” dia manasa antsika ihany koa hikaroka ilay toetra maha-Andriamanitra antsika sy ny tanjona ara-panahin’ny fiainana.

Manana tantara avokoa isika tsirairay.

Ny fianakaviana iray fantatro dia nampifandray taranaka dimy rehefa nitsidika ny fonenan’izy ireo fahiny tany Winnipeg Kanadà izy ireo. Tany no nitantaran’ny raibeny tamin’ireo zafikeliny lahy mikasika ny andro izay nitondran’ireo misiônera roa (nantsoiny hoe anjely avy any an-danitra) ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny, izay nanova ny fianakavian’izy ireo mandrakizay.

Nanasa ireo zanany sy ny zanaky ny mpiray tampo amin’izy mivady ny renim-pianakaviana iray izay fantatro mba hanontany ny renin’ny beben’izy ireo mikasika ny zavatra niainany tamin’ny fahazazany. Ireo tantara sy lesona teo amin’ny fiainan’ny renin’i bebe dia lasa bokim-pianakaviana ankamamiana ankehitriny izay mampiray taranaka mifandimby.

Misy zatovolahy iray fantatro izay manambatra ny boky atao hoe “Diarin’i Dada.” Taona maro lasa izay dia nisy fiara nandona sy nahafaty ny rainy. Amin’izao fotoana izao, mba hahafantarana kokoa ny rainy dia tehirizin’ity tovolahy be herim-po ity ireo fahatsiarovana sy tantara avy amin’ireo fianakaviana sy ireo namana.

Rehefa anontaniana ny olona hoe inona no mampisy dikany ny fiainana dia mamaly ny ankamaroany hoe ny fianakaviana aloha.11 Ao anatin’izany ny fianakaviana mbola velona sy ny efa nialoha lalana. Mazava ho azy fa rehefa maty isika dia tsy mitsahatra akory ny fisiantsika. Manohy miaina any amin’ny lafy ilan’ny voaly isika.

Mbola tena velona mihitsy ireo razambentsika ka mendrika ny hotsaroana.12 Mahatsiaro ireo lovantsika isika amin’ny alalan’ireo tantara am-bava, ireo firaketan’ny fianakaviambe sy ny tantaram-pianakaviana, ireo tsangambato na toerana mitondra fahatsiarovana, ary ireo fankalazana miaraka amin’ny sary, na sakafo na zavatra izay mampahatsiaro antsika ireo olona lalaintsika.

Eritrereto ny toerana onenanao. Moa va tsy mahatalanjona ny fomba hanomezan’ny firenenao sy ny fiarahamonina misy anao voninahitra an’ireo razambe sy fianakaviana ary ny hafa izay nanompo sy nanao vivery ny ainy? Ohatra, tamin’ny fankalazana ny santa-bokatra fararano tany South Molton, Devonshire any Angletera dia tianay sy Rahavavy Gong ny nitady ny fiangonana kely sy tanàna izay nonenan’ny taranaka maro nifandimby an-dry Bawden fianakavianay. Manome voninahitra ireo razambentsika isika rehefa manokatra ny lanitra amin’ny alalan’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana13 ary rehefa lasa masom-by matanjaka14 eo amin’ilay rojon’ireo taranatsika mifandimby.15

Amin’izao vaninandron’ “ny tenako aloha,” izao dia mahazo tombontsoa ny fiarahamonina rehefa mifandray amin’ny fomba manan-danja ireo taranaka. Mila faka isika izay vao afaka manana elatra, izany hoe fifandraisana tena izy, fanompoana misy dikany, fiainana mihoatra ireo sary mamitaky ny tambajotran-tserasera.

Afaka manova ny fiainantsika amin’ny fomba tsy ampoizina ny fifandraisana amin’ireo razambe. Mahazo finoana sy hery isika avy amin’ireo fitsapana niainany sy ny zava-bitan’izy ireo.16 Mianatra mamela heloka sy manohy ny dia isika avy amin’ny fitiavan’izy ireo sy ny fahafoizan-tenany. Lasa mahay miatrika olana ireo zanatsika. Mahazo fiarovana sy hery isika. Ny fifandraisana amin’ireo razambe dia mampitombo ny fifanakaikezan’ny mpianakavy sy ny fankasitrahana ary ny fahagagana. Izany fifandraisana izany dia afaka mitondra fanampiana avy any amin’ny lafy ilan’ny voaly.

Tahaka ny hahatongavan’ny fifaliana ao amin’ny fianakaviana ihany koa no hahatongavan’ny alahelo. Tsy misy olona na fianakaviana izay tonga lafatra. Raha toa ireo olona izay tokony hitia sy hikarakara ary hiaro antsika ka tsy nahavita nanao izany dia mahatsiaro ho menatra sy nilaozana ary maratra isika. Mety ho lasa akorandriaka poakaty ny fianakaviana. Kanefa, rehefa ampian’ny lanitra isika dia lasa afaka mahatakatra ny fianakaviantsika sy lasa afaka mihavana.17

Indraindray ny fanolorantena feno amin’ny fifandraisam-pianakaviana maharitra dia manampy antsika hanatanteraka zavatra sarotra. Amin’ny tranga sasany dia mety ho lasa toy ny fianakaviana ny fiarahamonina. Nisy zatovovavy miavaka iray izay avy ao anatina fianakaviana sahirana sy nifindrafindra matetika, nahita fianakaviana iray feno fitiavana tao amin’ny Fiangonana izay nikarakara sy nandray azy na taiza na taiza nalehany. Ny lafin’ny fanaranaka sy ny endrim-pianakaviana dia misy fiantraikany amintsika fotsiny fa tsy mamaritra antsika.

Tian’ Andriamanitra ho sambatra sy ho mandrakizay ny fianakaviantsika. Maharitra loatra ny mandrakizay rehefa mifanao izay tsy maha-sambatra isika. Fohy loatra ny fahasambarana raha toa mifarana eto amin’ity fiainana ity ireo fifandraisana ankamamiana. Amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana masina dia manolotra ny fitiavany sy ny heriny ary ny famindram-pony i Jesoa Kristy mba hanova antsika18 sy hanasitrana ireo fifandraisantsika. Ny fanompoana tsy misy tambiny ao amin’ny tempoly ho an’ireo olona lalaina no mahatonga ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ho tena zavatra azo tsapain-tanana ho antsika sy ho azy ireo. Rehefa voamasina isika dia afaka miverina eo anatrehan’ Andriamanitra amin’ny maha-fianakaviana iray mandrakizay antsika.19

Mbola toy ny dia mandeha miandalana ny tantarantsika tsirairay rehefa mikaroka sy manangana ary miova tsikelikely isika, miaraka amin’ny fahafahana manao zavatra mihoatra noho izay azontsika heverina.

Hoy ny Mpaminany Joseph Smith: “Mety ho fotopampianarana feno fahasahiana ho an’ny sasany ny firesahantsika momba ny—hery izay mirakitra na mamehy ety an-tany sy mamatotra any an-danitra.”20 Ny fiaraha-miaina izay aorintsika eto ihany no hisy any saingy amin’ny voninahitra lehibe.21 Fa “tsy atao tanteraka isika raha tsy eo [ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika]; tsy atao tanteraka koa izy ireo raha tsy eo isika,” izany ilay, ao amin’ny “fikambanana sy firaisana feno tanteraka ary tonga lafatra.”22

Inona no azontsika atao amin’izao fotoana izao?

Voalohany, alaivo sary an-tsaina ny sarinao miverimberina mitaratra eo amin’ireo fitaratra roa an’ny mandrakizay. Eo amin’ilay ilany iray dia raiso ho toy ny zanakavavy, zafikely sy ary zafiafy ny tenanao, ary eo amin’ny ilay ilany iray hafa dia mitsikia amin’ny tenanao amin’ny maha-nenitoa sy reny ary renibe anao. Mandeha tokoa ny fotoana! Mariho hoe iza no miaraka aminao amin’ny fotoana sy anjara toerana tsirairay misy anao. Angony ny sarin’izy ireo sy ny tantaran’izy ireo; velomy ireo fahatsiarovana azy ireo. Raketo ny anaran’izy ireo sy ny zavatra niainany ary ireo daty manan-danja. Fianakavianao izy ireo—ilay fianakaviana anananao sy nirinao.

Rehefa manatanteraka ôrdônansin’ny tempoly ho an’ireo olona ao amin’ny fianakavianao ianao, dia ny fanahin’i Elia izay fisehoan’ny Fanahy Masina mijoro ho vavolombelona mikasika ny maha-masina ny fianakaviana,23 no hampifamatotra am-pitiavana ny fon’ireo rainao sy reninao ary zanakao.24

Faharoa, aoka ho avy amin’ny nahim-po sy mandeha ho azy ny fanaovana tantaram-pianakaviana. Antsoy ny renibenao. Jereo lalina ny mason’io zazakely vaovao vao teraka io. Makà fotoana—jereo ny mandrakizay—eo amin’ny dingana tsirairay amin’ny dianao. Ianaro sy ekeo amim-pankasitrahana sy amim-pahamarinan-toetra ny lovam-pianakavianao. Derao sy alao tahaka ny zavatra mitondra soa ary raha ilaina, ataovy amim-panetrentena izay rehetra azo atao mba tsy hampitana lafy ratsin-javatra. Aoka atomboka aminao ny zavatra tsara.

Fahatelo, tsidiho ny FamilySearch.org. Alaivo ireo application rehetra azo alaina. Maimaim-poana izy ireny ary mahafinaritra. Mamantara, mifandraisa, miombòna. Jereo ny mampifandray anao amin’ireo olona ao anatin’ny efitra iray, tena tsotra sy mitondra valisoa ny manampy anarana ao amin’ilay rafi-tetiaranao velona, sy ny mahita ary mitahy ireo fototra niandohana sy ireo rantsan’ny taranaka misy anao.

Fahaefatra, manampia amin’ny fampiraisana ireo fanakaviana ho mandrakizay. Tsarovy ny habetsaky ny mponin’ny lanitra. Betsaka lavitra ny any ambadiky ny voaly noho ny eto amin’ity lafy ilany ity. Noho ireo tempoly maro manakaiky kokoa antsika dia mba tolory fahafahana handray ôrdônansin’ny tempoly ireo izay miandry izany.

Ilay fampanantenana amin’ny Paska sy amin’ny fotoana rehetra dia hoe, ao amin’ i Kristy sy amin’ny alalany no ahafahantsika ho lasa ilay tantarantsika tsara indrindra sy hahatonga ny fianakaviantsika ho sambatra sy ho mandrakizay. Manasitrana ireo torotoro fo i Jesoa Kristy, sy manafaka ireo mpifatotra ary manafaka ireo izay nampahoriana ao anatin’ireo taranatsika mifandimby rehetra.25 Ny fiombonana amin’ Andrimanitra sy ny tsirairay ao anatin’ny fanekempihavanana26 dia ahitana ny fahafantarana fa mbola ho atambatra indray ny fanahintsika sy ny vatantsika amin’ny fitsanganana amin’ny maty, ary afaka mitohy ireo fifandraisana sarobidy indrindra ananantsika any ankoatra ny fahafatesana ao anatin’ny fahasambarana feno.27

Manana tantara avokoa isika tsirairay. Avia mikaroka ny anao. Avia tadiavo ny feonao, ny hiranao, ny firindranao ao Aminy. Izany no tena tanjona namoronan’ Andrimanitra ny lanitra sy ny tany, ary hitany fa tsara indrindra izany.28

Derao ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fahasambarana, ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ny famerenana amin’ny laoniny mitohy ao amin’ny filazantsarany sy ny Fiangonany. Miangavy aho, tongava mitady ny fianakavianao sy ny taranaka rehetra mifandray aminao izay nifandimby, ary ampodio ao an-trano izy ireo. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. “Tia ahy ny Ray any An-danitra,” Bokin-kiran’ny Ankizy, 16.

  2. 2 Nefia 2:25.

  3. Jereo ny Mpitoriteny 3:1.

  4. Araka ny Secrétariat des Nations unies, The World at Six Billion (1999), 5, table 1; “World Population by Year,” Worldometer, worldometers.info.

  5. Maro ireo manana ray aman-dreny tsy niteraka azy ireo, kanefa miaraka amin’ny maha-fianakaviana izy ireo amin’ny alalan’ny fifamatoram-pitiavana sy fananganana ary ny fanekempihavanan’ny famehezana.

  6. Maneho fankasitrahana ireo izay manandrana fomba handaminana ireo anarana marobe ampidirina ao amin’ny rafi-tetiarana aho.

  7. Tamin’ny taona 2021 dia anarana eo amin’ny 99 tapitrisa eo no voampiditra tamin’ny rafi-tetiarana azon’ny daholobe ampiasaina. Ary vao tsy ela dia nahafeno 2,4 tapitrisa ny antontana microfilm nomerika tontosa, izay misy anarana eo amin’ny 37 lavitrisa eo (misy verin-droa ny sasany). Azo omanina ireo raki-piraketana misy anarana tsirairay ireo ankehitriny mba ho azo karohina sy hitadiavana ary hanampiana ny rafi-tetiaran’olombelona.

  8. Jereo ny Russell M. Nelson, “Roots and Branches,” Liahona, mey 2004, 27–29.

  9. Mazava ho azy fa rehefa mahita sy manangana ny rafi-tetiarantsika velona isika dia aoka ho tazonina 100 isan-jato ny fanajana ny fiainan’olona manokana sy ny fandraisan’anjara an-tsitrapo ataon’ireo fianakaviana, na ny velona na ny maty.

  10. Nampiasain’i David Quimette ireo isa ireo, mifototra amin’ny Angus Maddison, The World Economy: A Millennial Perspective (2001), 241, table B-10.

  11. Jereo ny Laura Silver and others, “What Makes Life Meaningful? Views from 17 Advanced Economies,” Pew Research Center, Nov. 18, 2021, pewresearch.org.

  12. Ny 1 Nefia 9:5; 1 Nefia 19:3; Tenin’i Môrmôna 1:6–7; ary Almà 37:2 dia miresaka ny fitazonana rakitsoratra sy fahatsiarovana “ho an’ny tanjona hendry,” anisan’izany ny fitahiana ireo taranaka vao misondrotra.

  13. Jereo ny Russell M. Nelson and Wendy W. Nelson, “Manokatra ny lanitra amin’ny alalan’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny fanaovana tantaram-pianakaviana,” Liahona, ôkt. 2017, 14–19.

  14. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:18.

  15. Jereo ny Gordon B. Hinckley, “Keep the Chain Unbroken” (Fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite Brigham Young, 30 Nôv. 1999), speeches.byu.edu. Ny tenin’ny Filoha Hinckley dia nampiasain’ny Loholona David A. Bednar ihany koa ao amin’ny, “Masombỳ matanjaka” (fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony, 10 Sept. 2017), broadcasts.ChurchofJesusChrist.org.

  16. Ohatra, tao amin’ny fianakavianay, i Henry Bawden avy any Devonshire, Angleterre, dia nanambady an’i Sarah Howard, izay nifindra monina niaraka tamin’ny fianakaviany taorian’ny fidiran’izy ireo tato am-piangonana. Fony fahatanorany tany St Louis i Sarah dia maty ny rainy sy ny reniny ary ny mpiray tampo aminy miisa dimy. Niteraka 10 i Henry sy i Sarah. Nitaiza ireo zanak’i Henry tamin’i Ann Ireland vadiny voalohany ihany izay miisa enina koa i Sarah rehefa maty izy. Nandray ireo zafikeliny roa vavy ho zanany ihany koa i Sarah rehefa maty ny vinantovaviny. Nandray olona tamin-katsaram-panahy sy tamim-pitiavana ary tamim-pangorahana i Sarah na teo aza ireo fahasarotam-piainana maro, ary mazava ho azy, olona mazoto izy. Fantatra tsara tamin’ny hoe “Nenibe kely” izy.

  17. Na dia sarotra toy ny ahoana aza, rehefa mamela ny helotsika sy ny heloky ny hafa isika miaraka amin’ny fanampian’i Kristy dia lasa “zanak’ Andriamanitra” (Matio 5:9).

  18. Jereo ohatra, ao amin’ny Môzià 3:19.

  19. Jereo ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org.

  20. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:9.

  21. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:2.

  22. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:18.

  23. Russell M. Nelson, “A New Harvest Time,” Ensign, May 1998, 34; jereo koa ny Russell M. Nelson and Wendy W. Nelson, “Open the Heavens through Temple and Family History Work,” 16–18.

  24. Jereo ny Môzià 18:21.

  25. Jereo ny Lioka 4:18.

  26. Nolazaina tamiko fa ny teny hoe fianakaviana amin’ny teny Hebreo—mishpachah—avy amin’ny teny fototra Hebreo (shaphahh) dia midika hoe “miara-mitambatra na miara-mifatotra.” Ny andraikitra tsirairay mifandray amin’ny fianakaviana dia natao hanamafy orina ny fifamatoran’ny fianakaviana.

  27. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:15–16, 34; 93:33; 138:17.

  28. Jereo Genesisy 1:4, 31.

Hamoaka printy