Mey 2022 Ireo zavatra nisongadina nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isan-taona faha-192Manolotra topimaso mikasika ireo lesona sasantsasany nampianarina nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Fivoriana sabotsy maraina Russell M. NelsonMitory ny filazantsaran’ny fiadananaMampianatra ny Filoha Nelson fa tsy maintsy mijoro amin’ny toerana masina sy mizara ny filazantsara amin’izao tontolo izao isika. M. Russell BallardNanova mandrakizay ny fiainako ny nanaovako asa fitorianaMampianatra momba ireo fitahiana entin’ny fanaovana asa fitoriana ny Filoha Ballard ary mamporisika ireo tanora hiomana sy hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno. Reyna I. AburtoIsika no atao hoe Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro FaranyMampianatra ny Rahavavy Aburto fa ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia manatanteraka ny asany amin’ny alalan’ireo mpikambana ao aminy. David A. BednarNefa tsy noraharahainay izy ireoMampianatra ny fomba hanampian’ireo fanekempihavanana sy ireo ôrdônansy antsika hivoatra eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ka “tsy hiraharaha” izay lazain’ny hafa ny Loholona Bednar. Neil L. AndersenManaraka an’i Jesoa: mpampihavanaManazava ny fomba ahafahantsika mandresy ny fifandirana amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy ny Loholona Andersen. Eduardo GavarretFiovana mahery vaika ao am-po: “tsy manana zavatra hafa homena anao intsony aho”Mampianatra ny fomba hanatratrarana, sy hamantarana, ary hihazonana ny fiovam-po ny Loholona Gavarret. Larry S. KacherTohatry ny finoanaMampianatra ny Loholona Kacher fa ny finoantsika an’i Jesoa Kristy dia afaka mamaha ny herin’ny lanitra ary mankahery antsika rehefa miatrika ireo olan’ny fiainana isika. Henry B. EyringMafy orina ao anatin’ny tafio-drivotraMampianatra ny Filoha Eyring fa afaka mijanona ho mafy orina ao anatin’ireo tafio-drivotry ny fiainana isika amin’ny alalan’ny fianteherana amin’ny Mpamonjy sy ny hoe lasa toy ny ankizy madinika. Fivoriana sabotsy tolakandro Dallin H. OaksFanohanana ireo Manampahefana Ambony sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ary ireo Mpiandraikitra AmbonyManolotra ireo Manampahefana Ambony sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ary ireo Mpiandraikitra Ambony mba hotohanana ny Filoha Oaks. Jared B. LarsonTatitra avy amin’ny Departemanta misahana ny fanamarinana ny fampiasam-bolan’ny Fiangonana, taona 2021Manolotra ny tatitry ny Departemanta misahana ny fanamarinana ny fampiasam-bolan’ny Fiangonana ho an’ny taona 2021 i Jared B. Larson. Jeffrey R. HollandAza matahotra; minoa fotsiny ihany!Mampianatra ny Loholona Holland fa noho ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia afaka manana fanantenana isika ao anatin’ny fotoan-tsarotra. Patrick KearonVelona Izy ary manana fanasitranana ao amin’ny elany: Afaka ny ho lasa mihoatra noho ny mpandresy isikaMampianatra ny Loholona Kearon fa ireo olona avy niharana herisetra dia tsy tompon’andraikitra amin’ny herisetra nanjo azy ary afaka mikatsaka ny fanomezam-pahasoavan’ny fanasitranana avy amin’ny Mpamonjy. Marcos A. AidukaitisAsandrato ny fonao ka mifaliaMampianatra ny zatovo ny Loholona Aidukaitis fa hitahy be dia be azy ireo Andriamanitra rehefa mandresy ny tahotra sy ny ahiahy izy ireo ary manompo Azy amin’ny fitoriana ny filazantsara amin’ny fotoana feno. Gerrit W. GongManana tantara avokoa isika tsirairayManasa antsika ny Loholona Gong mba hitady fifandraisana sy fiombonana amin’ny fianakaviamben’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny tantaram-pianakaviana. Adrián OchoaMandaitra ve ilay drafitra?Mampianatra fitsipika miisa telo hanampiana ireo rehetra izay mahatsapa fa tsy mandaitra eo amin’ny fiainan’izy ireo ny drafitry ny famonjena ny Loholona Ochoa. Kevin S. Hamilton“Hataoko tonga matanjaka ny zavatra malemy”Mampianatra ny Loholona Hamilton fa ny fibebahana dia ilaina ary rehefa manetry ny tenantsika sy manam-pinoana an’i Jesoa Kristy isika dia ho lasa tanjaka ny fahalementsika amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Kristy. Quentin L. CookFiovam-po hanaraka ny sitrapon’ AndriamanitraMampianatra ny Loholona Cook fa tafiditra ao anatin’ny fiovam-po ny fanekena ny sitrapon’ Andriamanitra, ny fanamafisana orina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny Famerenana amin’ny laoniny, ary ny fizarana ireo fitahian’ny filazantsara. Fivoriamben’ny Vehivavy maneran-tany Dallin H. OaksHafatra fampahafantaranaMampahafantatra ity fivoriana manokana ao anatin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ity izay mifantoka amin’ireo olan’ny vehivavy sy ny rafitra misy azy ireo ny Filoha Oaks. Susan H. PorterLesona teo amin’ilay fantsakanaMizara lesona telo ianarany ny Rahavavy Porter ary manasa ny vehivavy ao amin’ny Fiangonana hanaraka ireo fampianaran’ny Mpamonjy mba ho lasa toy ny fanasina sy fahazavana ary lalovay. Rebecca L. CravenAtaovy izay manan-danja indrindraMampianatra ny Rahavavy Craven fa rehefa miezaka ny mifantoka amin’izay manan-danja indrindra isika, dia ho mafy orina ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra. Horonan-tsary: “Ianareo no ireo vehivavy izay hitany mialoha!”Ity horonan-tsary ity dia ahitana fampianarana momba ny vehivavy avy amin’ny Filoha Nelson sy ny Filoha Kimball. Jean B. BinghamMampatanjaka, sy miaro ary manomana antsika ho amin’ny voninahitra mandrakizay ireo fanekempihavanana atao amin’ AndriamanitraMampianatra ny Filoha Bingham fa mitondra fahasambarana sy fiarovana ho antsika amin’izao fotoana izao sy fifaliana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy ny fanaovana sy fitandremana fanekempihavanana. Dale G. RenlundNy toetranao araka an’ Andriamanitra sy ny anjaranao mandrakizayMampiasa ny fanevan’ny Zatovovavy ny Loholona Renlund entina hampianarana ny momba ny toetrantsika araka an’ Andriamanitra sy ny anjarantsika mandrakizay. Fivoriana alahady maraina D. Todd ChristoffersonNy fifandraisantsika amin’ AndriamanitraMampianatra ny Loholona Christofferson fa na inona na inona zavatra iainantsika ety an-tany dia afaka matoky isika fa hanatanteraka ireo fampanantenany Andriamanitra. Amy A. WrightManasitrana izay rava i KristyMijoro ho vavolombelona ny Rahavavy Wright fa tsy misy na inona na inona eo amin’ny fiainanao izay rava ka tsy ho takatry ny hery manasitrana sy manavotra ary manome fahafahana an’i Jesoa Kristy. Gary E. StevensonMitia, mizara, manasaMampianatra zavatra tsotra telo azontsika atao hizarana ny filazantsara ny Loholona Stevenson: mitia, mizara ary manasa. Amin’ny fanaovana izany dia manampy amin’ny fanatanterahana ny iraky ny Mpamonjy “hampianatra ny firenen-drehetra” isika. Michael T. RingwoodFa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra antsikaMampianatra ny nanirahan’ny Ray any An-danitra ny Zanany Lahy, Jesoa Kristy, ao anatin’ny drafiny hanampiana antsika hiverina Aminy ny Loholona Ringwood. Ronald A. RasbandMba hanasitrana izao tontolo izaoMampianatra fomba efatra ahazoan’ny fiarahamonina sy ny olon-tokana tombontsoa avy amin’ny fahalalahana ara-pivavahana sy ny fomba ahafahan’izany fahalalahana izany ho tonga hery mampiray sy manasitrana ny Loholona Rasband. Hugo E. MartinezMampianatra fizakan-tena amin’ny ankizy sy ny zatovoManazava ny Loholona Martinez fa ny fitahiana dia tonga avy amin’ny fiainana ireo fitsipiky ny fizakan-tena sy ny fandraisana anjara amin’ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo. Russell M. NelsonNy herin’ny fahavitrihana ara-panahyMizara fomba dimy ahafahantsika mitondra fahavitrihana ara-panahy ho an’ny tenantsika ny Filoha Nelson: manao sy mitandrina fanekempihavanana, mibebaka, mianatra momba an’ Andriamanitra, mikatsaka fahagagana, ary mampitsahatra fifandirana. Fivoriana Alahady Tolakandro Dallin H. OaksFitiavan’ Andriamanitra ao anatin’ny drafitry ny RayMampianatra ny Filoha Oaks fa ny drafitry ny famonjena dia mifototra amin’ny fitiavan’ny Ray any An-danitra antsika. Adeyinka A. OjediranNy lalan’ny fanekempihavanana: Ilay lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizayMampianatra ny Loholona Ojediran fa manatona an’i Kristy amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana isika, ary manazava ny fomba hahafahan’ny fanasan’ny Tompo manampy antsika hitandrina ireo fanekempihavanana ireo izy. Jörg KlebingatMpianatra maherifo amin’ny andro faranyMampianatra ny fomba ahatongavana ho mpianatra maherifo an’i Kristy ny Loholona Klebingat. Mark L. PaceNy fiovam-po no tanjontsikaMampianatra ny Filoha Pace mikasika ireo fitahiana izay tonga amin’ny alalan’ny fihainoana ny Fanahy Masina sy ny fiovam-po ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ulisses SoaresTalanjona amin’i Kristy sy ny filazantsaranyMampianatra ny Loholona Soares fa rehefa tena talanjona tokoa ny amin’i Jesoa Kristy isika, dia faly kokoa sy manana hafanam-po kokoa hanao ny asan’ Andriamanitra ary manaiky isika ny fisian’ny tanan’ny Tompo amin’ny zavatra rehetra. Randy D. FunkHo tonga ao amin’ny valan’ AndriamanitraMijoro ho vavolombelona momba ireo fitahiana izay tonga amin’ireo izay misafidy ny hiditra ao amin’ny valan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fankatoavana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny Loholona Funk. Dieter F. UchtdorfNy avy ao am-pontsika manontoloMampianatra ny Loholona Uchtdorf fa afaka manolotra ny fanahintsika manontolo ho an’ny Mpamonjy isika amin’ny alalan’ny fahafoizan-tena sy fanokanana. Russell M. NelsonIzao no fotoanaMampianatra ny Filoha Nelson fa izao no fotoana hiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Manampahefana Ambony sy Mpiandraikitra Ambony ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany | Aprily 2022Tabilao ahitana ireo mpitarika an’ny Fiangonana. Tatitra momba ny antontan’isa ho an’ny taona 2021Tatitra momba ny antontan’isa an’ny Fiangonana ho an’ny taona 2021 Antso vaovao Loholona Mark D. EddyTantaram-piainana fohy momba ny Loholona Mark D. Eddy, izay notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny aprily 2022. Loholona James W. McConkie IIITantaram-piainana fohy momba ny Loholona James W. McConkie III, izay notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny aprily 2022. Loholona Isaac K. MorrisonTantaram-piainana fohy momba ny Loholona Isaac K. Morrison, izay notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny aprily 2022. Loholona Ryan K. OlsenTantaram-piainana fohy momba ny Loholona Ryan K. Olsen, izay notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny aprily 2022. Loholona Jonathan S. SchmittTantaram-piainana fohy momba ny Loholona Jonathan S. Schmitt, izay notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny aprily 2022. Loholona Denelson SilvaTantaram-piainana fohy momba ny Loholona Denelson Silva, izay notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny aprily 2022. Camille N. JohnsonTantaram-piainana fohy momba an’i Camille N. Johnson, izay notohanana ho Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany tamin’ny aprily 2022. J. Anette DennisTantaram-piainana fohy momba an’i J. Anette Dennis, izay notohanana ho Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany tamin’ny aprily 2022. Kristin M. YeeTantaram-piainana fohy momba an’i Kristin M. Yee, izay notohanana ho Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany tamin’ny aprily 2022. Susan H. PorterTantaram-piainana fohy momba an’i Susan H. Porter, izay notohanana ho Filohan’ny Kilonga maneran-tany tamin’ny aprily 2022. Amy A. WrightTantaram-piainana fohy momba an’i Amy A. Wright, izay notohanana ho Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany tamin’ny aprily 2022. Tracy Y. BrowningTantaram-piainana fohy momba an’i Tracy Y. Browning, izay notohanana ho Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany tamin’ny aprily 2022. Vaovaom-piangonana Manompo ny Filoha NelsonFamintinana ireo zava-nitranga farany tamin’ny asa fanompoana ataon’ny Filoha Russell M. Nelson. Vaovao mikasika ny tempolyVaovao farany mahakasika ny fivoaran’ireo raharaha samihafa momba ireo tempoly, ka tafiditra ao anatin’izany ny fanambarana tempoly vaovao miisa 17. Mampahery sy manompo ireo rahavavyFamintinana ireo zava-nitranga farany tamin’ny asa fanompoana ataon’ireo rahavavy mpitarika ato amin’ny Fiangonana. Manome fanampiana sy fanohanana ny FiangonanaTopimaso momba ny ezaka fanampiana olona ataon’ny Fiangonana manerana izao tontolo izao. Manolo-tanana an’izao tontolo izaoFamintinana ny zava-nitranga farany teo amin’ny asa fanompoana nataon’ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Loharanom-pitaovana vaovaoTopimaso momba ireo loharanom-pitaovana izay azo ampiasaina nanomboka vao tsy ela mba hanampiana ny mpikambana hiaina ny filazantsara, hampiorina ny fianakaviany, ary hisahana ireo andraikitra ao amin’ny Fiangonana. Mampianatra sy mianatra ary mampihatra ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany