2022
Mampahery sy manompo ireo rahavavy
Mey 2022


Mampahery sy manompo ireo rahavavy

Tao amin’ny tambajotran-tserasera sy mivantana, ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany dia manohy ny asany amin’ny fampaherezana ny fianakaviana sy ny isam-batan’olona sy ny fanompoana ireo zanak’ Andriamanitra manerana izao tontolo izao.

Tamin’ny martsa 2022, ny Filoha Jean B. Bingham dia niresaka momba ny fitsingerenan’ny fitsanganan’ny Fikambanana Ifanampiana faha-180. Ankehitriny hoy izy, dia fito tapitrisa sy tapany ny isan’ny rahavavy manamaivana fijaliana, mamonjy fanahy, ary manatontosa ireo tanjona izay nijoroan’ny Fikambanana Ifanampiana tamin’ny 1842.

Ny Filoha Bingham sy Rahavavy Sharon Eubank, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany sy filohan’ny Latter-day Saint Charities, dia nitsidika firenena samihafa tao Moyen Orient. Tany Le Caire, Egypta, ny Filoha Bingham dia nilaza fa nanaitra azy “ny fitiavana tena vokatry ny fo ananan’ireo Olomasina ho an’izy samy izy.” Ny Filoha Bingham sy Rahavavy Eubank dia nitsidika ihany koa toby mampiantrano mpitsoa-ponenana ao Kurdistan, izay nitondran’ny Fiangonana fanampiana teo amin’ny fanomezana toeram-ponenana.

Ny Rahavavy Reyna I. Aburto, Mpanolotsaina Faharoa, dia nitsidika an’i Espaina niaraka tamin-dRahavavy Michelle D. Craig, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany. “Ny fiadanana avy amin’Andriamanitra dia maharitra ary mandresy izay rehetra ratsy eto amin’izao tontolo izao,” hoy ny Rahavavy Aburto nandritra ny fampaherezam-panahy ho an’ny ankizy sy ny zatovo.

Tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera, ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany dia namoaka hafatra momba ny fanjarian-tsakafon’ny ankizy, ary ny fahasalaman’ny tena sy ny vatana, izay narindra niaraka tamin’ny Sampan-draharaha misahana ny Fizakan-tena sy ny Fifanampiana ato amin’ny Fiangonana mba hahazoan’ireo ray aman-dreny hafatra momba ny tombontsoa avy amin’ny fanasana tanana, ny fisotroana rano madio, ny sakafo ara-pahasalamana, ny fampinonoana zaza, ny fanaovana vakisiny, ny fahadiovana ary ny fitsidihana tobim-pahasalamana.

Ny fiadidiana dia namporisika ihany koa ireo rahavavy mba hizara ny fahatsapan’izy ireo momba ny zavatra izay hamporisika azy ireo handray anjara feno kokoa ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana sy momba izay hanaovana ny Fikambanana Ifanampiana ho tsy mialon-jafy sy manohana kokoa ny rahavavy.

Hamoaka printy