2022
Manolo-tanana an’izao tontolo izao
Mey 2022


Manolo-tanana an’izao tontolo izao

Ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia manohy ny asa fanompoany amin’ny maha mpaminany sy mpahita ary mpanambara azy ireo, mijoro ho vavolombelona manerana izao tontolo izao momba ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara sy ireo fitahiana avy amin’ny fanarahana ny Mpamonjy. Ireto dia santionany fotsiny amin’ny zava-bitan’izy ireo hatramin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany indrindra.

Ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany

Mba hahitana famintinana ny asa fanompoana nataon’ny Filoha Russell M. Nelson hatramin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany, dia jereo ao amin’ny pejy 135.

Tao anatin’ny lahateny iray tany amin’ny oniversite tany Rome, Italia, ny Filoha Dallin H. Oaks, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nilaza fa ny fahalalahana ara-pivavahana dia mitondra tombontsoa maro ho an’ny fiarahamonina, ary namporisika ny olon’ny finoana izy “hitady fomba hifampianarana ary hanamafisana ireo fahatakarana iombonana izay mampifamatotra antsika.”

Ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo

Ny Filoha M. Russell Ballard, Filoha mpisolo toerana, sy ny Loholona isany Jeffrey R. Holland sy Quentin L. Cook dia nanompo tany Grande Bretagne, nihaona tamin’ireo misiônera sy mpikamban’ny Fiangonana. Izy telo dia samy nanao asa fitoriana tao Royaume Uni fony izy ireo tanora, ary ny Loholona Holland sy ny Loholona Cook dia niara-nanompo.

Ny Loholona David A. Bednar dia nanao lahateny nandritra ny fampaherezam-panahy iray tany Jordanie. Tany amin’ny Émirats Arabes Unis izy dia nihaona tamin’ireo mpitariky ny tsatòkan’i Abu Dhabi ary nitsidika ny faritra fampirantina izay hiorenan’ny tempoly iray indray andro any. Tao Bahreïn izy dia nihaona tamin’ireo mpikambana ao amin’ny paroasin’i Manama ary nanao fampaherezam-panahy ho an’ny zatovo.

Ny Loholona D. Todd Christofferson no lasa Apôstôly voalohany nitsidika ny Repoblikan’i Gambie. Nihaona tamin’ny filohan’ny repoblika, ny vadin’ny filoha, ary ny filoha lefitra izy ka niresadresaka momba ny ezaka iombonana ataon’ny Fiangonana sy ny fikambanana tantanan’ny vadin’ny filoha izay manampy ireo sahirana izy ireo. Ny Loholona Christofferson dia nitsidika ihany koa an’i Côte d’ivoire, Nigéria, ary Ghana.

Nandritra ny fivoriana sy fampiofanana tany Colombie sy Equateur, ny Loholona Neil L. Andersen dia nahatsiaro ireo mpikamban’ny Fiangonana maro nodimandry noho ny COVID. Nihaona tamin’ny misiônera, filohan’ny misiôna miisa 36 sy ny vadin’izy ireo, ary mpitarika tsatòka izy, ary niteny Espaniôla matetika. Nandritra ny fampaherezam-panahy tao Colombie, dia niresaka mikasika ny fanamafisana orina ny fanambadiana sy ny fianakaviana izy.

Tao Panama, ny Loholona Gary E. Stevenson no lasa Apôstôly voalohany nitsidika ny nosy Carti Tupile ao amin’ny Archipèle San Blas, izay toerana ao amin’ny distrika onenan’ny teratany eo amin’ny adiny roa sy sasany miala ny tanànan’i Panama.

Ny Loholona Gerrit W. Gong dia niresaka tamin’ireo zatovo tao Philippines momba ny fandraisana fanapahan-kevitra hendry ary ny fandraisana eo amin’izy ireo ny anaran’i Jesoa Kristy. Nihaona tamin’ireo misiônera izy ary niresaka tamin’ireo tanora tokan-tena tao anatina fivoriana nampitaina nanerana an’i Philippines.

Tany Brésil firenena niaviany, ny Loholona Ulisses Soares dia nanoro hevitra ny tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony mba hampifantoka ny fiainan’izy ireo amin’ny Mpamonjy. Noteneniny ireo misiônera mba hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy ary hiorim-paka tsara amin’ny fahamarinana. Volana vitsivitsy taty aoriana dia niverina tany Brésil ny Loholona Soares mba handray fitenenana mandritra ny fihaonambe iray mahakasika ny fahalalahana ara-pivavahana. Nihaona tamin’ny filoha lefitry ny Republique Dominicaine sy ny ambasadaoron’i Cuba ao amin’io firenena io ihany koa izy. Manana distrika iray sy sampana efatra ao Cuba ny Fiangonana.

Tamin’ny alalan’ny fivoriana an-jotra, ny Loholona Dieter F. Uchtdorf dia niresaka tamin’ireo zatovo sy ny misiônera ary ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ao Azia; ny Loholona Quentin L. Cook tamin’ireo tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony ao amin’ireo vondromparitra ao Eorôpa, Eorôpa Atsinanana, Afrika, ary Moyen-Orient; ny Loholona D. Todd Christofferson tamin’ireo tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony miteny Pôrtogey; ny Loholona Neil L. Andersen tamin’ireo tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony mipetraka ao Amerika Latina sy Espaina; ny Loholona Ronald A. Rasband tamin’ireo tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony miteny Anglisy; ary ny Loholona Dale G. Renlund tamin’ireo tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony miteny Frantsay.

Hamoaka printy