2022
Loholona Denelson Silva
Mey 2022


“Loholona Denelson Silva,” Liahona, mey 2022.

Loholona Denelson Silva

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Ny 6.400 km hiverenana any São Paulo, Brésil avy any Luanda, Angola dia nanome fotoana ny Loholona Denelson Silva sy i Regina vadiny handinihana lalina momba ny fitaomam-panahy anankiray. Taorian’ny naha filohan’ny misiôna azy dia nahatsapa ny Loholona Silva fa tsy tokony hividy trano izy sy ny vadiny.

Namidin’izy ireo ny tranony nialoha ny handehanany hanao asa fanompoana. Nanao drafitra hividy trano vaovao izy ireo raha vao tafaverina saingy nahazo fahatsapana hoe tokony mbola hiandry aloha. “Ny trano any Brésil dia tsy hoe fananana amidy dia lafo avy hatrany,” hoy ny Loholona Silva. “Mety haharitra andro na volana na taona maro mihitsy aza.”

Nilaza ny Rahavavy Silva fa nifantoka tamin’ny hoe notarihin’ny Ray any an-danitra talohan’ny asa fanompoana izy ireo ary mbola hitarika azy ireo indray Izy. “Niara-nanapa-kevitra izahay fa mbola hiandry kely aloha,” hoy izy. Nanapa-kevitra ny hanofa trano kosa izy ireo.

Toy ny fivarotana trano any Brésil dia tsy tonga afaka andro maromaro na amam-bolana na afaka herintaona ilay valiny. Roa taona mahery taty aoriana vao tonga ilay valiny, raha naharay antso ho lasa Fitopololahy Manampahefana Ambony ny Loholona Silva.

“Nila nanana toe-tsaina izahay hoe raha mangataka anay hanao zavatra Izy dia eny foana no havalinay,” hoy ny Loholona Silva. “Raha tsy -eny- foana no havalinay dia mety ho lasa -tsia- na -angamba- izany.” Ho an’ny Mpamonjy anefa hoy izy nanazava, “dia tsy nisy hoe -tsia- na -angamba- tao Getsemane.”

Teraka tamin’ny 4 jolay 1965, tao Recife, Brésil i Denelson Urbano da Silva ary zanak’i Domingos Urbano da Silva sy i Maria José de Almeida Silva. Lehibe tao Recife izy ary nofehezina tamin’i Regina Maria de Carvalho Silva tao amin’ny tempolin’i São Paulo Brésil tamin’ny mey 1987. Manan-janaka roa izy mivady.

Manana mari-pahaizana maîtrise amin’ny fitantanan-draharaha izy (traitement d’information). Niasa teo amin’ny sehatry ny fitaterana nandritra ny 30 taona izy.

Tamin’ny 2016 hatramin’ny 2019 dia filohan’ny misiôna niaraka tamin’ny vadiny tao amin’ny Misiônan’i Angola Luanda ny Loholona Silva. Efa Fitopololahin’ny Vondromparitra, filohan’ny tsatòka, eveka, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, ary misiônera amin’ny fotoana feno tao amin’ny Misiônan’i Brésil Curitiba izy.

Hamoaka printy