2022
Izao no fotoana
Mey 2022


Izao no fotoana

Izao no fotoana ahafahantsika mianatra. Izao no fotoana ahafahantsika mibebaka. Izao no fotoana ahafahantsika mitahy ny hafa.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, ity fihaonambe lehibe ity dia nanan-tantara tamin’ny lafiny maro. Nahazo fitahiana isika noho ireo vavaka sy hafatra ary hira natolotra. Nahazo fitaomam-panahy isika tamin’ny alalan’ireo mpanompon’ny Tompo.

Nahazo toromarika manan-danja momba ny hoavy isika. Ny vavaka ataoko dia hoe niresaka mivantana taminareo momba ny zavatra tian’ny Tompo hataonareo ny Fanahy.

Tsy azo antoka foana ny hoavy. Miovaova ny toetr’andro. Tsy azo vinaniana ny tsingerina ara-toekarena. Mety hanova haingana ny fiainana ny loza voajanahary, sy ny loza hafa, ary ny aretina. Ireo trangan-javatra ireo dia tena tsy voafehintsika. Saingy misy zavatra azontsika fehezina, isan’izany ny fomba fandaniantsika ny fotoantsika isan’andro.

Tiako ity tononkalo nosoratan’i Henry Van Dyke ity, napetaka teo amina famantaranandro taloha miendrika kapila boribory tao amin’ny Wells College any New York. Mivaky toy izao izany:

Ny aloky ny tanako

No manasaraka ny hoavy sy ny lasa:

Eo anoloany, no mandry ny ora mbola ho avy

Anaty haizina, sy tsy takatry ny herinao:

Aorinan’ilay tsipika tsy miveriny,

Ilay ora lasa, tsy anao intsony:

Ora iray ihany no eo am-pelatananao,—

Ilay IZAO ijoroan’ilay aloka.1

Eny, tokony hianatra avy amin’ny lasa isika, ary eny, tokony hiomana ho amin’ny hoavy isika. Saingy izao ihany isika no afaka manao zavatra. Izao no fotoana ahafahantsika mianatra. Izao no fotoana ahafahantsika mibebaka. Izao no fotoana ahafahantsika mitahy ny hafa sy “hampakatra ny tanana izay miraviravy.”2 Araka ny torohevitr’i Môrmôna tamin’i Môrônia zanany lahy hoe: “Aoka isika hiasa amim-pahazotoana tokoa; … fa manana asa hotontosaina isika raha mbola ao amin’ity tabernakely tanimanga ity, mba hahazoantsika mandresy ny fahavalon’ny fahamarinana rehetra ary hialan’ny fanahintsika sasatra ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.”3

Tsy mandry mihitsy ny fahavalo. Hisy foana ny fanoherana ny fahamarinana. Averiko indray ilay famporisihako tamin’ny maraina teo mba hanao ireo zavatra izay hampitombo ny fahavitrihanao ara-panahy amin’ny tsara, ilay mampitraka izay noresahin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf, mba hihazonana anao handroso hatrany amin’izay fanamby sy fahafahana tonga.

Mitombo ny fahavitrihana ara-panahy rehefa mitsaoka any amin’ny tempoly isika sy mitombo ny fahatakarantsika ny habe sy halalin’ny fitahiana azontsika any. Miangavy anareo aho mba hanohitra ny fomban’izao tontolo izao amin’ny fifantohana amin’ireo fitahiana mandrakizain’ny tempoly. Ny fotoana laninareo any dia mitondra fitahiana ho amin’ny mandrakizay.

Satria tsy mitsaha-mitombo ny Fiangonana dia miezaka hatrany isika mba hanorina tempoly bebe kokoa araka izany. Tempoly miisa efatra amby efapolo izao no eo am-panorenana. Maro ireo izay eo an-dalam-panavaozana. Mivavaka ho an’ireo olona manan-talenta izay miasa amin’ireo tetikasa ireo manerana izao tontolo izao aho.

Amin’ny fanahy feno fankasitrahana sy ombam-bavaka no anambarako amim-pifaliana ny drafitsika ny hanamboatra temply vaovao any amin’ireto toerana tsirairay manaraka ireto: Wellington, Nouvelle Zélande; Brazzaville, Repoblikan’i Congo; Barcelone, Espaina; Birmingham, Royaume-Uni; Cusco, Peroa; Maceió, Brezila; Santos, Brezila; San Luis Potosí, Meksika; Mexico City Benemérito, Meksika; Tampa, Floride; Knoxville, Tennessee; Cleveland, Ohio; Wichita, Kansas; Austin, Texas; Missoula, Montana; Montpelier, Idaho; ary Modesto, Kalifornia.

Hitahy fiainana tsy tambo isaina eo amin’ny lafy roa an’ny voaly ireo tempoly 17 ireo. Tiako ianareo ry rahalahy sy ranabavy malalako. Ary ny tena zava-dehibe dia tia anareo ny Tompo. Izy no Mpamonjy sy Mpanavotra anareo. Mitarika sy mitantana ny Fiangonany Izy. Enga anie isika ho vahoaka mendrika ny Tompo, izay nilaza hoe: “Ka ho oloko hianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo.”4

Izany no vavaka ataoko amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy