2022
Manompo ny Filoha Nelson
Mey 2022


Manompo ny Filoha Nelson

Ny Filoha Russell M. Nelson dia manohy manasa ny olona rehetra hanatona an’i Kristy sy hianatra avy Aminy amin’ny alalan’ny fampiasana fampitana mivantana sy zavatra avoaka amin’ny tamba-jotran-tserasera.

Nandritra ny fampitana fampaherezam-panahy iray dia namporisika ireo mpikamban’ny Fiangonana ao Oklahoma sy Kansas, Etazonia ny Filoha Nelson mba hifantoka amin’ny “iray amin’ireo fanomezana lehibe indrindra nomen’ny Raintsika any An-danitra antsika mba hampifototra ny fiainantsika Aminy sy amin’ilay Zanany malala,” hoy izy. “Ny Bokin’i Môrmôna no tiako horesahina. Fanomezana avy amin’ Andriamanitra ho antsika izany. Io no vato ifaharan’ny fivavahantsika satria ao anatiny no misy ny fotopampianarany fototra indrindra.”

Raha niresaka tamin’ireo mpikambana tao Californie, Etazonia nandritra ny fampitana iray hafa izy, ny Filoha Nelson dia nanolotra fanasana anakintelo: (1) mikatsaka fahamarinana amin’ny alalan’ny vavaka, manadihady ny soratra masina, ary mandalina ny tenin’ireo mpaminany, mpahita ary mpanambara; (2) mampitombo ny hery sy fahaiza-mamantatra ara-panahy amin’ny alalan’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy ny fitandremana izany; ary (3) mandray anjara mavitrika amin’ny fanangonana an’i Isiraely.

Ary tao amin’ny fampitana natao ho ana firenena miisa 48, ny Filoha Nelson dia nampahatsiahy ireo Olomasina Eorôpeana hoe: “Betsaka amin’ireo namantsika no mikatsaka ny hahatakatra ny antony maha eto an-tany antsika. Te hahalala izy ireo hoe misy dikany sy tanjony ve ny fiainana. Te hampiova zavatra eto amin’izao tontolo izao izy ireo. Manontany tena izy ireo hoe iza no azon’izy ireo itokisana. Tsapanareo ve fa ianareo dia manana ny valinteny izay tadiavin’ireo namana ireo?”

Nanasa antsika tao amin’ny tambajotran-tserasera ny Filoha Nelson mba tsy hahatsapa fankasitrahana fotsiny ihany fa haneho izany koa. Nanasa antsika izy hanisy toerana ao am-pontsika ho an’ireo “izay mety manana olana amin’ny fahitana ny fahazavan’ny Mpamonjy sy hahatsapa ny fitiavany.” Nandrisika antsika izy “hiara-hiasa amin’ny fitarihana ny lalana amin’ny fialana amin’ireo toe-tsaina sy fihetsika manavakavaka.” Ary nijoro ho vavolombelona izy fa “misy loharano iray azontsika rehetra itodihana, na izany mba hampitombo ny fitiavantsika ny hafa na hanasitrana ny fontsika rehefa mahatsapa ho maratra izany—dia i Jesoa Kristy Mpamonjy izany.”

Hamoaka printy