2022
Ny fiovam-po no tanjontsika
Mey 2022


Ny fiovam-po no tanjontsika

Tsy misy mahasolo ny fotoana laninao amin’ny soratra masina izay handrenesanao ny Fanahy Masina miresaka mivantana aminao.

Nandritra ny telo taona mahery teo izao isika no niara-dia amin’ny maha-mpikambana antsika ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo. Tamin’ny ôktôbra 2018 no nanasan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo antsika hianatra momba an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina amin’ny fomba vaovao sy manentana ny fanahy, miaraka amin’ny loharanom-pitaovana Avia, hanaraka Ahy ho mpitarika antsika.

Amin’ny dia rehetra atao dia tsara ny miato kely tsindraindray mba handrefesana ny fivoarantsika sy hakana antoka fa mbola mandroso mankany amin’ny tanjontsika isika.

Ny fiovam-po no tanjontsika

Saintsaino ity teny nambara mifono hevi-dalina avy ao amin’ny teny fampidirana ny Avia, hanaraka Ahy ity:

“Ny tanjon’ny fianarana sy fampianarana ny filazantsara rehetra dia ny hampiorim-paka ny fiovam-pontsika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. …

“… Ilay karazana fianarana filazantsara izay manamafy orina ny finoantsika sy mitondra fahagagana ateraky ny fiovam-po dia tsy mitranga eo no ho eo. Miitatra any ivelan’ny efitrano fianarana izany ka mankany am-pontsika sy ny tokantranontsika. Mitaky fiezahana mahatakatra sy miaina ny filazantsara tsy tapaka sy isan’andro izany. Ny fianarana ny filazantsara izay mitarika ho amin’ny tena fiovam-po dia mitaky ny fitaoman’ny Fanahy Masina.”1

Izany no fahagagana katsahintsika, rehefa miaina zavatra ao amin’ny soratra masina2 ny olona iray ary ny fitaoman’ny Fanahy Masina no manome izany traikefa izany. Ny zavatra iainana toy izany dia vato fototra sarobidy ho an’ny fiovam-pontsika ho an’ny Mpamonjy. Ary vao haingana ny Filoha Russell M. Nelson no nampahatsiahy antsika fa tsy maintsy hatanjahina tsy tapaka ny fototra ara-panahy.3 Dingana atao mandritra ny androm-piainana manontolo ny fiovam-po maharitra.4 Ny fiovam-po no tanjontsika.

Mba hampahomby indrindra an’ilay izy dia tsy maintsy anao manokana ny traikefanao amin’ny soratra masina.5 Mety hanampy ny famakiana sy ny fihainoana ny zavatra niainan’ny olona iray hafa sy ny hevi-baovao azony, saingy tsy hitondra ny hery manova fo mitovy amin’izany. Tsy misy mahasolo ny fotoana laninao amin’ny soratra masina izay haharenesanao ny Fanahy Masina miresaka mivantana aminao.

Inona no ampianarin’ny Fanahy Masina ahy?

Isan-kerinandro rehefa manokatra ny boky torolalana Avia, hanaraka Ahy aho dia manoratra ity fanontaniana ity eo amin’ny farany ambonin’ny pejy: “Inona no ampianarin’ny Fanahy Masina ahy amin’ity herinandro ity eto am-pamakiako ireto toko ireto?

Rehefa mandalina ny soratra masina aho dia mamerimberina misaintsaina izany fanontaniana izany. Ary tonga tsy misy sakantsakana ny fitaomam-panahy ka soratako ao amin’ny bokiko izy ireny.

Ahoana ary no ahafantarako fa mampianatra ahy ny Fanahy Masina? Mazàna izany no mitranga amin’ny alalan’ny zava-madinika sy tsotra. Indraindray dia ho toy ny hoe tena mora tsikaritro izany ny andinin-tsoratra masina iray. Fa amin’ny fotoana hafa dia tsapako ho toy ny hoe hazavaina amin’ny fahatakarana mivelatra kokoa ny fitsipiky ny filazantsara iray ny saiko. Mahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina ihany koa aho rehefa miresaka momba ny zavatra vakinay izaho sy i Anne Marie vadiko. Manasa ny Fanahy foana ny fomba fijeriny.

Ny Mpaminany sy ny Paska

Amin’ity taona ity isika dia mandalina ny Testamenta Taloha, soratra masina izay mameno ny fanahintsika amin’ny fahazavana. Eo am-pamakiana ny Testamenta Taloha aho dia mahatsapa ho toy ny miaraka amina mpitarika azo itokisana: Adama, Eva, Enôka, Noà, Abrahama, ary ireo hafa marobe.

Amin’ity herinandro ity, rehefa mandalina ny Eksodosy toko faha-7–13, dia ianarantsika ny fomba nanafahan’ny Tompo ny zanak’Isiraely tamin’ny fahababoana nandritra ny taon-jato maro tao egypta. Vakintsika ao ny momba ireo loza sivy, fanehoana ny herin’Andriamanitra tamin’ny fomba mahavariana miisa sivy, izay hitan’i Farao kanefa tsy nanalefaka ny fony izy.

Taorian’izay dia nilaza tamin’i Mosesy mpaminaniny momba ny loza iray fahafolo ny Tompo, sy ny fomba ahafahan’ny fianakaviana tsirairay tao Isiraely niomana tamin’izany. Tao anatin’ny fombafomba iray izay nantsoin’izy ireo hoe Paska dia tsy maintsy nanao sorona zanak’ondry lahy tsy misy kilema ny Isiraelita. Avy eo izy ireo dia tsy maintsy nanisy marika ny tolam-baravarana sy ny tataom-baravaran’izy ireo tamin’ny ran’ilay zanak’ondry. Nampanantena ny Tompo fa harovana amin’ilay loza mahatsiravina izay ho avy ny tokantrano rehetra izay voaisy marika tamin’ilay ra.

Hoy ny soratra masina hoe: “Ary … ny Zanak’Isiraely … nanao izany; araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy” (Eksodosy 12:28). Misy zavatra tena mafonja ao anatin’izany fehezan-teny tsotra milaza fankatoavana izany.

Koa satria ny zanak’Isiraely nanaraka ny torohevitr’i Mosesy sy nanao asa tamim-pinoana dia novonjena tamin’ny loza izy ireo, ary nony farany dia nafahana tamin’ny fambaboana azy ireo.

Koa inona ary no ampianarin’ny Fanahy Masina ahy ao amin’ireo toko ireo amin’ity herinandro ity?

Ireto misy hevitra vitsivitsy nibahana tato an-tsaiko:

  • Miasa amin’ny alalan’ny mpaminaniny ny Tompo mba hiarovana sy hamonjena ny olony.

  • Nilaina aloha ny finoana sy ny fanetren-tena hanaraka ny mpaminany, izay vao tonga ny fiarovana sy ny fanafahana mahagaga.

  • Ilay ra teo amin’ny tolam-baravarana sy ny tataom-baravarana dia marika hita tety ivelany naneho ilay finoana tao anaty an’i Jesoa Kristy ilay Zanakondrin’Andriamanitra.

Ny Mpaminany sy ny fampanantenan’ny Tompo

Tena talanjona aho amin’ny fitovian’ny fomba nitahian’ny Tompo ny olony ato amin’ity tantara ao amin’ny Testamenta Taloha ity sy amin’ny fomba hitahiany ihany koa ny olony amin’izao fotoana izao.

Rehefa nampahafantatra antsika ny Avia, hanaraka Ahy ho toy ny fomba ahafahana mandalina ny soratra masina ny Filoha Nelson, mpaminany velon’ny Tompo, dia nanasa antsika izy hanova ny tokantranontsika ho toerana masina isian’ny finoana sy ho ivon-toerana fianarana ny filazantsara.

Dia nampanatena fitahiana efatra voafaritra tsara izy avy eo:

  1. ho lasa fahafinaretana ny andro Sabatanareo.

  2. hazoto hianatra sy hiaina ireo fampianaran’ny Mpamonjy ny zanakareo.

  3. hihena ny fitaoman’ilay fahavalo eo amin’ny fiainanareo sy any an-tokantranonareo, ary

  4. ho lehibe sy hampahery ireo fiovana ao amin’ny fianakavianareo.6

‏Tsy manana lahatsoratra voarakitra anaty diary avy amin’izay niaina ny Paska niaraka tamin’i Mosesy tany Egypta isika. Na izany aza anefa dia manana fijoroana ho vavolombelona maro avy amin’ny Olomasina isika izay manaraka ny torohevitry ny Filoha Nelson ankehitriny amin’ny finoana mitovy amin’izany, ary mandray ireo fitahiana nampanantenaina.

Ireto misy vitsivitsy amin’ny fijoroana ho vavolombelona toy izany:

Hoy ny renin-mpianakaviana vao herotrerony iray hoe: “Miresaka an’i Kristy izahay ary mifaly amin’i Kristy ao an-tokantranonay. Izany amiko no fitahiana tsara indrindra, izany hoe ny zanako dia afaka mitombo miaraka amin’ireo fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara ireo ao an-tokantrano izay mitondra azy ireo hanakaiky kokoa ny Mpamonjy.”7

Ny rahalahy zokiolona iray dia niantso ny fandalinany soratra masina amin’ny alalan’ny Avia, hanaraka Ahy hoe “fantsona iray feno fahazavana masina izay manampy antsika hahita ny fotopampianaran’ny filazantsara izay ilaina mba hitondra soa ho antsika ara-panahy.”8

Ny vehivavy tanora efa manambady iray dia namariparitra ireo fitahiana ao anatin’ny fanambadiany toy izao: “Afaka nahafantatra misimisy kokoa ny tena toetran’ny vadiko aho, ary afaka nampahafantatra taminy misimisy kokoa izay tato am-poko rehefa miara-mianatra izahay.”9

Tsikaritry ny reny iray manan-janaka maro ny fomba niovan’ny ezaka nataony mba hampianatra ny fianakaviany. Hoy izy: “Tany aloha tany dia toy ny hoe nitendry pianô niaraka tamin’ny fonon-tanana matevina be aho. Niezaka nitendry tsara aho, saingy tsy marina tsara ireo naoty. Efa afaka ireo fonon-tanana nanakantsakana ankehitriny, ary na dia mbola tsy lavorary aza ny feon-kira notendreko, dia henoko ny fahasamihafana. Ny Avia, hanaraka Ahy dia nanome ahy fahatakarana, fahafaha-manao, fifantohana, ary tanjona.”10

Hoy ny lehilahy tanora iray efa manambady hoe: “Lasa nihanazava kokoa ny laharampahamehako manan-danja indrindra tao an-trano hatramin’ny nampidirako ny Avia, hanaraka Ahy ho isan’ny zavatra fanaoko tsy tapaka isa-maraina. Ny fandalinana dia nitarika ahy hieritreritra bebe kokoa momba ireo zavatra manan-danja indrindra amiko, toy ny tempoly, ny fifandraisako amin’ny vadiko, ary ny antsoko. Feno fankasitrahana aho fa toerana masina hametrahana an’ Andriamanitra ho lohalaharana ny tokantranoko.”11

Nizara izao ny rahavavy iray: “Tsy dia tsikaritra loatra ny zavatra niainako isan’andro tamin’ny Avia, hanaraka Ahy kanefa rehefa nandeha ny fotoana dia hitako ny fomba nanovana ahy tamin’ny fandalinana soratra masina tsy tapaka sy nifantoka tamin’ny zavatra manokana toy izany. Izany karazana fandalinana izany dia mampanetry tena ahy, mampianatra ahy, ary manova ahy tsikelikely.”12

Izao no tatitra nataon’ny misiônera iray nahavita asa fitoriana hoe: “Ny fandaharana Avia, hanaraka Ahy dia nahatonga ahy hanakaiky kokoa ny lentan’ny fandalinana soratra masina nataoko tany amin’ny misiônako, ary afaka niala tamin’ny toe-tsaina handray ny fandalinana soratra masina ho isan’ny zavatra tokony hataoko aho ka nandray izany ho fotoana hivoarana hahafantarana an’ Andriamanitra.”13

Hoy ny rahalahy iray hoe: “Tsapako ho nahazo vahana kokoa teo amin’ny fiainako ny Fanahy Masina ary tsapako ny fitarihan’ Andriamanitra ahy tamin’ny alalan’ny fanambarana rehefa nandray fanapahan-kevitra aho. Mihalalina kokoa ny fifanakalozan-kevitra ataoko mikasika ny hatsarana ao anatin’ny fotopampianarana tsotran’i Kristy sy ny Sorompanavotany.”14

Nizara izao ny ankizy iray fito taona: “Hatao batisa aho atsy ho atsy, ary manampy ahy ho vonona amin’izany ny Avia, hanaraka Ahy. Miresaka momba ny batisa izaho sy ny fianakaviako, ary tsy mampitebiteby ahy amin’izao izany hoe hatao batisa izany. Manampy ny Fanahy Masina ho ao am-poko ny Avia, hanaraka Ahy ary mahatsapa hafanana ao am-poko aho rehefa mamaky ny soratra masina.”15

Ary avy eo tamin’ny farany dia avy amina reny manan-janaka maro hoe: “Rehefa mandalina ny tenin’ Andriamanitra izahay dia nanampy ny fianakavianay Izy hiala tamin’ny fahatsapana ahiahy ho amin’ny fahazoana hery, hiala tamin’ny fitsapana sy ny olana ho amin’ny fanafahana; hiala tamin’ny fifandirana sy ny fifanakianana ho amin’ny fitiavana sy ny fiadanana, ary hiala tamin’ny fitaoman’ny fahavalo ho amin’ny fitaoman’ Andriamanitra.”16

Ireo mpanara-dia mahatoky an’i Kristy ireo, sy ny maro hafa, dia nanosotra ara-tandindona ny ran’ny Zanakondrin’ Andriamanitra teo amin’ny varavaran’ny tokantranon’izy ireo. Maneho ny fanoloran-tenan’izy ireo ao anatiny mba hanaraka ny Mpamonjy izy ireo. Nino aloha izy ireo izay vao nisy fahagagana. Fahagagana avy amina olona iray niaina zavatra tao amin’ny soratra masina izany ary izany zavatra niainana izany dia nomen’ny fitaoman’ny Fanahy Masina.

Rehefa mandalina ny soratra masina isika dia tsy misy mosary ara-panahy eo amin’ny tany. Hoy i Nefia hoe: “Na zovy na zovy no hihaino ny tenin’ Andriamanitra sy te hihazona izany mafy, dia tsy ho faty na oviana na oviana izy; ny fakam-panahy sy ny zana-tsipika mirehitry ny fahavalo dia tsy afaka hampanaiky azy koa ho amin’ ny fahajambana ka hitarika azy any amin’ ny famongorana” (1 Nefia 15:24).

Fahiny, rehefa nanaraka ny didin’ny Tompo izay nomena tamin’ny alalan’ny mpaminany Mosesy ny zanak’Isiraely, dia nahazo fiarovana sy fahafahana izy ireo. Ankehitriny, rehefa manaraka ny didin’ny Tompo izay omena amin’ny alalan’ny mpaminanintsika velona, ny Filoha Nelson isika, dia mahazo ihany koa fiovana ao am-pontsika ary fiarovana ao amin’ny tokantranontsika.

Mijoro ho vavolombelona aho fa velona i Jesoa Kristy. Fiangonany ity, izay naverina tamin’ny laoniny teto an-tany tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith. Ny Filoha Russell M. Nelson no mpaminanin’ny Tompo amin’izao fotoana izao. Tiako izy ary manohana azy aho. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Avia, Hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022, vii.

  2. “Tompon’andraikitra amin’ny fivoarana ara-panahin’ny tenantsika manokana isika” (Russell M. Nelson, “Lahateny fanokafana,” Liahona, nôv. 2018, 8).

  3. Jereo ny Russell M. Nelson, “Ny tempoly sy ny fototra ara-panahinao,” Liahona, nôv. 2021, 93–96.

  4. Antony lehibe nahatonga ny Filoha Nelson niangavy antsika izany mba “hanokana fotoana ho an’ny Tompo! Ataovy mafy orina sy tsy tontan’ny ela amin’ny alalan’ny fanaovana ireo zavatra izay mamela ny Fanahy Masina hiaraka aminao mandrakariva ny fototra ara-panahinareo manokana” (“Manokana fotoana ho an’ny Tompo,” Liahona, nôv. 2021, 120).

  5. “Na inona na inona mety holazain’ny hafa na hataony, dia tsy misy olona afaka hanaisotra ny fijoroana ho vavolombelona napetraka tao am-ponareo sy ao an-tsainareo momba izay marina” (Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, Fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, Mey 2018, 95).

  6. Jereo ny Russell M. Nelson, “Lasa Olomasin’ny andro farany maodely,” Liahona, nôv. 2018, 113–14. Naverin’ny Filoha Nelson ity fanasana ity ny aprily lasa teo: “Ny fanoloran-tenanareo hanao ny tokantranonareo ho fitoerana fototra iorenan’ny finoana … dia tsy tokony hifarana na oviana na oviana. Arakaraka ny mampihena ny finoana sy ny fahamasinana eto amin’ity tontolo lavo ity no ilanareo toerana masina kokoa. Mamporisika anareo aho mba hanohy hanao ny tokantranonareo ho tena toerana masina ‘ka tsy hoesorina’ [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:8; nampiana fanamafisana] amin’izany tanjona manan-danja izany” (“Ny zavatra ianarantsika ka tsy ho adinontsika mandrakizay,” Liahona, Mey 2021, 79).

  7. Taratasy avy amin’olona iray manokana; jereo koa ny 2 Nefia 25:26.

  8. Taratasy avy amin’olona iray manokana.

  9. Taratasy avy amin’olona iray manokana.

  10. Taratasy avy amin’olona iray manokana.

  11. Taratasy avy amin’olona iray manokana.

  12. Taratasy avy amin’olona iray manokana.

  13. Taratasy avy amin’olona iray manokana.

  14. Taratasy avy amin’olona iray manokana.

  15. Taratasy avy amin’olona iray manokana.

  16. Taratasy avy amin’olona iray manokana.

Hamoaka printy