2022
Ataovy izay manan-danja indrindra
Mey 2022


Ataovy izay manan-danja indrindra

Handray tanjaka ara-panahy sy fahafaham-po ary fifaliana isika raha mandray an’i Jesoa Kristy ho ivon’ny fiainantsika.

Vao tsy ela izay dia nanana fahatsapana ny namana malala iray mba hamangy vehivavy iray ao amin’ny paroasiny. Tsy noraharahiany izany fahatsapana izany satria tsy dia fantany loatra ilay vehivavy; fahatsapana tsy nitombina fotsiny izany hoy izy. Saingy niverimberina tonga taminy foana io eritreritra io taorian’izay, koa dia nanapa-kevitra ny hanao zavatra araka ilay bitsika izy. Koa satria moa efa tsy nampahazo aina azy ny mikasika ilay fitsidihana nandodona, dia tapa-kevitra izy fa mety hanamaivana ny fanahiany ny fitondrana zavatra mankany amin’ilay rahavavy. Tena tsy afaka ny handeha an-tanam-polo izy! Koa dia nividy boatina gilasy iray izy ary lasa nanomboka an’ilay zavatra nahiany ho fitsidihana hafahafa.

Nandondòna ny varavaran’ilay vehivavy izy ary vetivety dia namaly ilay rahavavy. Natolotr’ ilay namako ilay gilasy nifono taratasy miloko volon-tany, dia nanomboka ny resaka. Tsy ela akory dia fantatr’ilay namako ny antony nilana ilay fitsidihana. Raha niara-nipetraka teo amin’ny lavarangana fidirana teo anoloana izy ireo, dia namboraka ireo fanamby maro natrehiny ilay vehivavy. Rehefa avy nifampiresaka nandritra ny adiny iray tamin’ny andro mafanan’ny fahavaratra izy ireo dia tsikaritr’ilay namako ilay gilasy fa nitsonika tamin’ilay fonosan-taratasy miloko volon-tany.

Dia hoy izy: “Tena azafady fa nitsonika ny gilasinao!”

Namaly tamim-pitiavana ilay ramatoa hoe: “Tsy maninona! Tsy mahazaka zavatra misy ronono aho!”

Hoy ny Tompo tamin’ny mpaminany Lehia tao anatin’ny nofy: “Hotahiana ianao ry Lehia noho ny zavatra izay efa nataonao.”1

Ny hoe mpianatr’i Jesoa Kristy dia tsy vitan’ny hoe manantena na mino fotsiny. Mitaky ezaka sy hetsika ary fanoloran-tena izany. Mitaky antsika mba hanao zavatra izany, ho “mpankatò ny teny … fa tsy mpihaino fotsiny ihany.”2

Raha ny momba ilay gilasy nitsonika, inona tena nanan-danja? Ilay glasy ve? Sa ilay hoe nanao zavatra fotsiny ilay namako?

Niaina zavatra nahafinaritra aho niaraka tamina zatovovavy malala iray izay nametraka fanontaniana tena tamin-kitsim-po hoe: “Rahavavy Craven, ahoana no ahalalanao fa marina avokoa ny zavatra rehetra momba ny Fiangonana? Izaho mantsy tsy mahatsapa na inona na inona?”

Nialoha ny nanomezako valin-teny azy malaky dia nametrahako fanontaniana aloha izy. “Mba resaho ahy hoe ny momba ny fandalinanao soratra masina.”

Namaly izy hoe: “Tsy mamaky ny soratra masina aho.”

Dia nanontaniako hoe: “Ahoana ny miaraka amin’ny fianakavianao? Miara-mandalina ny Avia, hanaraka Ahy ve ianareo?”

“Tsia,” hoy izy.

Nanontaniako ny amin’ny vavaka ataony izy: “Inona no fahatsapana anananao rehefa mivavaka ianao?”

Ny valin-teniny dia hoe: “Tsy mivavaka aho.”

Tsotra ny valin-teniko taminy: “Raha te hahafantatra zavatra ianao, dia mila manao zavatra.”

Tsy marina ve izany amin’izay zavatra tiantsika ianarana na fantarina? Nasaiko ilay namako vaovao mba hanomboka hanao ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, izany hoe: mivavaka, mandalina, manompo ny hafa, ary matoky ny Tompo. Tsy hitranga ny fiovam-po raha tsy manao na inona na inona. Tonga amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina izany rehefa manao ezaka amim-piniavana isika mba hahafantatra amin’ny alalan’ny fangatahana sy fikatsahana ary fandondonana. Amin’ny alalan’ny fanaovana zavatra no hahatonga izany.3

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ny Tompo dia nilaza indraindray hoe: “Tsy mampaninona izany.”4 Mahatonga ahy hisaintsaina izany fa raha misy zavatra izay tsy manan-danja na zara raha manan-danja, dia tokony hisy ihany koa ireo zavatra izay manan-danja indrindra. Rehefa miezaka isika ny manao zavatra na inona na inona izany, dia mety hanontany tena isika hoe, “Inona no manan-danja indrindra?”

Matetika ny mpanao dokam-barotra no mampiasa teny filamatra toy ny hoe “Tokony hananana” na “Tsy maintsy” amin’ny fanantenana hitaona antsika hino fa ny vokatra amidin’izy ireo dia ilaina amin’ny fahasambarantsika na hahasoa antsika. Saingy moa ve tena zava-dehibe tokoa ny zavatra amidiny? Tena tokony hanana izany tokoa ve isika? Izany tokoa ve no tena manan-danja?

Ireto misy hevitra azo dinihina: Inona no manan-danja indrindra?

  • Ny isan’ny “j’aime” azontsika amin’ireo zavatra aelintsika amin’ny tamba-jotran-tserasera ve? Sa ny haben’ny fitiavana sy ny lanja omen’ny Raintsika any An-danitra antsika?

  • Ny manao ny akanjo lamaody nivoaka farany indrindra ve? Sa ny maneho fanajana ny vatantsika amin’ny fitafy maotina?

  • Ny itady valiny amin’ny alalan’ny fikarohana amin’ny internet ve? Sa ny mandray valiny avy amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina?

  • Ny mitady izay tsy ananana ve? Sa ny mifaly amin’izay efa nomena antsika?

Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

“Rehefa ny Fanahy Masina no namanao dia afaka mahafantatra ny tokony hatao ianao na dia eo aza ny kolontsainan’ny fanindrahindrana olo-malaza izay mamely ny fiarahamonina misy antsika. Afaka ny hatsilo kokoa mihoatra noho ireo taranaka teo aloha ianareo. …

“Mametraha fenitra ho an’izao tontolo izao!”5

Mila ezaka ny mifantoka amin’ny zavatra tena manan-danja marina izay hitondra fifaliana maharitra. Tsy misy zavatra tian’i Satana mihoatra ny hanadinoantsika ny lanjantsika mandrakizay, izay mitarika antsika handany fotoana na talenta na hery ara-panahy sarobidy amin’ny zavatra izay tsy misy dikany. Manasa antsika tsirairay aho mba handinika ombam-bavaka ireo zavatra izay manelingelina antsika tsy hanao izay zavatra manan-danja indrindra.

Nampianatra ireo mpianany ny mpampianatry ny zanakay lahimatoa tamin’ny kilasy fahatelo hoe: “fehezo ny atidohanao.” Fampahatsiahivana ho an’ireo mpianany izany fa izy ireo no mifehy ny eritreriny ka noho izany dia afaka mifehy ny zavatra ataony izy ireo. Mampahatsiahy ny tenako “hifehy ny atidohako” izany rehefa hitako mivily mankany amin’ny zavatra tsy dia misy dikany loatra aho.

Nisy mpianatra amin’ny lisea iray nilaza tamiko vao haingana fa nanjary nalaza teo anivon’ny zatovo sasany ato amin’ny Fiangonana ny tsy firaharahiana ireo didy miaraka amin’ny drafitra efa voakajy mba hibebaka rehefa avy eo. “Karazana mari-boninahitra izany,” raha ny nambara ahy. Azo antoka fa hanohy hamela ireo izay mibebaka amim-panetren-tena “[amin’ny] finiavana marina” ny Tompo.6 Saingy tsy tokony hampiasaina amin’ny fomba maneso toy izany mihitsy ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy izay feno famindram-po. Fantatsika ny fanoharana momba ilay ondry very. Mazava ho azy fa ho avelan’ny mpiandry ondry ireo 99 hafa hitadiavana ilay anankiray very. Saingy azonareo sary an-tsaina ve ny fifaliana tsapan’ilay Mpiandry Ondry Tsara amin’ireo izay nisafidy ho isan’ireo 99? Ireo izay nifamikitra sy nifanampy mba hiaina ny fanekempihavanana nataony? Azonareo sary an-tsaina ve hoe ho toy ny ahoana izao tontolo izao, na ny sekolinareo, na ny asanareo, na ny tokantranonareo raha toa ka ny fankatoavana no zavatra tian’ny besinimaro hatao? Tsy resaka hoe manao izay hahatonga lafatra ny fiainana izany fa mikatsaka fifaliana eo am-panaovana ny tsara indrindra vitantsika mba hiaina ireo fanekempihavanana nataontsika tamin’ny Tompo.

Noho izao tontolo izao izay maneho fisalasalana hatrany momba an’ Andriamanitra, ary ny fisafotofotoana sy ny fanerena izay tsy mitsaha-mitombo, dia izao no fotoana tsy maintsy hiezahantsika manao izay lazain’ny mpaminany. Amin’ny maha-mpitondra tenin’ny Tompo azy dia afaka matoky isika fa ny zavatra amporisihany sy anoroany hevitra ary italahoany mba hataonsika dia ny zavatra manan-danja indrindra.

Na dia mety tsy ho mora aza izany dia misy foana ny fomba hanaovana ny tsara. Teo am-piresahana tamina vondrona namana tany an-tsekoly ny zatovovavy iray dia tsapany ho ketraka ny fony rehefa nivadika resaka fitsikerana ireo fenitra ara-pitondrantena arahan’ny Fiangonana ny resak’izy ireo. Ary tsapany fa tsy afaka ny hangina izy fa tsy maintsy nanao zavatra. Tamim-panajana no niresahany momba ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy ireo didy napetrany izay natao hitahiana sy hiarovana ireo zanany. Mora taminy ny tsy nanao na inona na inona. Saingy inona no nanan-danja indrindra? Ny manaraka izay ataon’ny maro ve? Sa ny mijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra “amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra ary amin’ny toerana rehetra”?7

Raha toa ka hiala avy ao amin’ny haizina ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia tokony hiala avy ao amin’ny haizina ihany koa isika. Amin’ny maha-vehivavy mpitandrina ny fanekempihavanana antsika dia tsy maintsy ataontsika mamiratra manerana izao tontolo izao ny fahazavan’ny filazantsara ao amintsika amin’ny alalan’ny fandraisana andraikitra sy amin’ny fijoroana amin’ny maha-izy antsika. Ataontsika miaraka izany amin’ny maha-zanakavavin’ Andriamanitra antsika, andiam-behivavy miisa 8,2 tapitrisa manomboka amin’ny 11 taona no mihoatra izay manana anjara asa mitovy tanteraka. Manangona an’i Isiraely isika rehefa mandray anjara amin’ny asan’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana: miezaka miaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, mikarakara ny hafa, manasa ny rehetra handray ny filazantsara, ary mampiray ny fianakaviana ho mandrakizay.8 Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia filazantsaran’ny fanaovan-javatra sy filazantsaran’ny fifaliana! Aoka tsy hotsinontsinoavintsika ny fahaizantsika manao ireo zavatra ireo. Ny lovantsika avy amin’ Andriamanitra dia manome fankaherezana sy fatokiana antsika hanao sy ho lasa izay rehetra fantatry ny Ray any An-danitra fa vitantsika.

Ny teny filamatry ny zatovo amin’ity taona ity dia avy ao amin’ny Ohabolana 3:5–6:

“Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin’ny fahalalanao;

“Maneke Azy amin’ny alehanao rehetra.”

Ny singa iray fototry ny fatokiana ny Tompo dia ny mandroso, sady mino fa hitarika antsika Izy na dia rehefa tsy manana ny valiny rehetra aza isika.

Ry rahavavy, tsy resaka gilasy ilay izy. Ary tsy resaka fanaovana zavatra misimisy kokoa izany. Fa fanaovana izay manan-danja. Izany dia ny fampiharana ny fotopampianaran’i Kristy eo amin’ny fiainantsika eo am-piezahantsika ny ho tonga tahaka Azy kokoa.

Arakaraka izay ataontsika mba hijanonana ho mafy orina amin’ny fanekempihavanana no hitomboan’ny finoantsika. Arakaraka ny itomboan’ny finoantsika no hananantsika faniriana hibebaka. Ary arakaraka ny hibebahantsika no hanamafisantsika ny fifanekena nataontsika tamin’ Andriamanitra. Izany fifanekena izany no mitondra antsika mankany amin’ny tempoly, satria ny fihazonana ireo fanekempihavanan’ny tempoly no fomba hiaretantsika hatramin’ny farany.

Handray fitarihana isika amin’ny fanaovana ireo zava-manan-danja raha mandray an’i Jesoa Kristy ho ivon’ny fiainantsika. Ary handray fitahiana amin’ny alalan’ny tanjaka ara-panahy sy fahafaham-po ary fifaliana isika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy