“Mahita fanamaivanana ao amin’i Jesoa Kristy,” Liahona, sept. 2024.
Tonga soa ato amin’ity laharana ity
Mahita fanamaivanana ao amin’i Jesoa Kristy
Amin’ity volana ity ao anatin’ny fandalinantsika ny Avia, hanaraka Ahy, dia mamaky momba ny zavatra niainana iray miavaka isika: i Kristy efa tafatsangana tamin’ny maty namangy an’i Amerika ary nanasa ny Nefita nanao hoe: “Mitsangàna ary mankanesa aty Amiko, hahazoanareo mitehika ny lanivoako amin’ny tananareo, ary koa mba hahazoanareo mitsapa ny diam-pantsika amin’ny tanako sy amin’ny tongotro mba hahafantaranareo fa Izaho no Andriamanitr’i Isiraely sy Andriamanitry ny tany manontolo, ary efa novonoina noho ny fahotan’izao tontolo izao” (3 Nefia 11:14).
Tahaka ny nataony tamin’ny Nefita, manasa antsika tsirairay i Jesoa Kristy mba hanatona sy hanana traikefa manokana miaraka Aminy ary hikolokolo fifandraisana ara-panekempihavanana miaraka Aminy. Tena feno fankasitrahana aho fa tia antsika amin’izany fomba izany Izyary maniry hiaraka amintsika. Noho Izy dia tsy irery velively isika. Ao anatin’ny lahatsoratro dia mizara aho fa “natao ho mpiara-miombonantoka amin’ny Tompo amin’ny fomba mahery vaika isika amin’ny alalan’ireo fanekempihavanantsika” (pejy 44). Rehefa manatona Azy isika amin’ny alalan’ny safidy ataontsika isan’andro mba hitandrina fanekempihavanana masina dia manorina fifandraisana amin’i Jesoa Kristy isika izay hitondra ny fitiavany sy ny fanamaivanana avy Aminy eo amin’ny fiainantsika sy ny fiainan’ny fianakaviantsika.
Mahatsiaro an’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fanaovana ny garmentan’ny tempoly aorian’ny fandraisantsika ny fanafiana masina, hoy ny fanazavan’ny Filoha Jeffrey R. Holland ao anatin’ny lahatsorany “Ny garmentan’ny fisoronana masina” (pejy 4). Nozarainy ny fampanantenan’ny Fiadidiana Voalohany izay milaza fa ny fitandremana sy ny fanaovana ny garmenta dia hanome fahafahana kokoa ho antsika hahazo ny fiarovan’ny Mpamonjy sy ny heriny.
Mijoro ho vavolombelona aho fa tia anareo ny Raintsika any An-danitra sy ny Mpamonjy antsika ary tonga noho izany tanjona izany indrindra i Jesoa Kristy: dia ny hitondra ilay fanamaivanana izay katsahintsika. I Jesoa Kristy no fanamaivanana.
Ny mpanomponareo mahatoky,,
Kristin M. Yee
Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany