“Ny fomba nanampian’ny faharavana ahy mba hamerina hanorina indray ny fiorenan’ny finoako,” Liahona, sept. 2024.
Tanora
Ny fomba nanampian’ny faharavana ahy mba hamerina hanorina indray ny fiorenan’ny finoako
Taorian’ny olana ara-tsaina, ara-batana sy ara-panahy mafy dia hitako ny dikan’ny hoe mahita fahasitranana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Mpamonjintsika.
Misionera tany Frantsa aho rehefa nirodana izao tontolo izao ary nanipy ny firenena manontolo tao anatin’ny fikatonana tanteraka ny COVID-19. Niady mafy tamin’ny fahaketrahana aho nandritra ny fiainako, ka nanahy aho sao mety ho tafiditra ao anatin’ny vanim-potoana mahakivy ahy ny toe-javatra ateraky ny fihibohana. Saingy ny herinandro voalohany tamin’ny fihibohana—ny herinandro mialoha ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany manan-tantara tamin’ny Aprily 2020—dia iray amin’ireo herinandro ara-panahy indrindra teo amin’ny fiainako.
Rehefa manao jery todika ny zavatra niainako tamin’iny herinandro iny aho dia nahatsapa ho toy ny nanatanjaka ahy ny Tompo ho amin’ny tafio-drivotra iray.
Ny Loholona Gary E. Stevenson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanao lahateny tamin’io fihaonambe io momba ny fanamboarana izay hatao amin’ny vato fototry ny Tempolin’i Salt Lake. Nampitoviny tamin’ny fiainantsika manokana ilay fanavaozana ary nasainy nandinika ity fanontaniana ity isika:
“Inona avy ireo singa fototry ny toetrako ara-panahy sy ara-pihetseham-po izay hanome fahafahana ahy sy ny fianakaviako hijanona ho mafy orina sy tsy ho voahozongozona, ka hahatohitra mihitsy ireo horohoron-tany mahery vaika sy misafotofoto izay azo antoka fa hitranga amin’ny fiainanay?”
Rehefa nihaino ny lahateniny aho, dia nampieritreritra ahy ny Fanahy fa, tahaka ny tempoly, dia hisy endrika faharavana hitranga amiko mandritra ny vanim-potoana manaraka eo amin’ny fiainako. Saingy nahatsapa ihany koa aho fa raha mitodika any amin’ny Tompo aho mandritra ireo fanamby ireo dia hanampy ahy Izy hanamafy orina ny fototry ny finoako.
Mahatsiaro ho rava
Araka ny efa nampoizina, tsy ela dia nanjary ketraka aho, ary tsy vetivety dia nahatsiaro ho voafandrika tao anatin’ny kodiarana tsy misy fiafaran’ny eritreritra te hamono tena. Nahatsiaro ho kivy ara-tsaina sy ara-pihetseham-po ary ara-panahy aho.
Taorian’ny roa volana nanaovana fihibohana dia nihatsara kely ny zava-drehetra. Noho ny fiovan’ny toe-javatra niainako, toy ny fanafody ody fahaketrahana sy ny fiafaran’ny fihibohana, dia nanomboka nihasalama ara-tsaina aho. Tsy ela taorian’izay anefa, dia nanomboka narary aho ary nahatsikaritra fivontosana lehibe telo teo am-pototry ny tendako.
Tamin’ny voalohany dia tsy noraharahiako ireo fivontosana ireo, kanefa rehefa niharatsy ny soritr’aretiko, dia nazava fa tsy afaka nijanona tao amin’ny sahan’ny misiôna intsony aho. Nody tany an-trano aho, ary hita avy hatrany fa voan’ny homamiadan’ny ra — ny lymphome de Hodgkin.
Satria nisy fiantraikany kely nampitony ny ara-pihetseham-po ny fanafody fahaketrahana nohaniko, dia nahatsiaro tena ho tsy niraharaha aho rehefa nanomboka nanao chimiothérapie naharitra enim-bolana.
Saingy na izany aza, dia nanomboka nihaketraka ara-batana aho.
Namerina nanorina ny fototra iorenako ara-panahy
Herintaona taorian’ny nifaranan’ny fitsaboana chimiotherapie nataoko, dia nanomboka nihatsara ara-batana aho. Niverina tany amin’ny oniversite aho ary nanao drafitra. Saingy ny fanaintainana ara-panahy mamay sy ny fahadontoana izay tsapako nandritra ny asa fitoriako sy nandritra ny chimiotherapie nataoko dia nivadika ho fahatsapana tsy firaharahana ankapobeny momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
Niady mafy tamin’ny fahatsapako momba ny zavatra niainako aho ary nahatsapa ho toy ny nandao ahy Izy ireo fony aho ambany indrindra.
Saingy fantatry ny Ray any An-danitra ny lalana tokony halehako mba hahasitrana ahy.
Tsapako ho toy ny nifandona tamin’ireo korontam-bato sy ny sisa tavela tamin’ny finoako natanjaka taloha sy ny toetrako nafana fo taloha aho. Nahatsiaro tena ho tafasaraka tamin’ny tenako aho. Nanalefaka ny foko ny fiezahan’ny Tompo hanolo-tanana ahy, kanefa teo amin’ny lafiny ara-panahy aho dia nahatsapa ho meloka sy nanahy ary tsy mendrika noho ny tsy firaharahiako ny filazantsara.
Rehefa avy nisaintsaina ny fahasalamako ara-panahy nandritra ny volana vitsivitsy aho dia voatarika hanao fiovana kely ara-panahy teo amin’ny fiainako. Tsy noraharahiako nandritra ny fotoana kelikely ilay fanaintainana, saingy naniry ny hikarakara ny ratram-po tsapako tao amin’ny fanahiko aho noho ireo fanamby niainako.
Tsy ela dia hitako ny tanan’ny Ray any An-danitra teo amin’ny fiainako. Raha tsy tsapako hoe hatraiza ny fahaketrahako ara-panahy, dia niresaka momba ny fanasitranana ny namako sy ireo olona ankamamiako. Nizara lahateny fampaherezam-panahy nataon’i Elaine S. Marshall mihitsy aza ny iray tamin’izy ireo.
Nisalasala aho namaky azy io.
Amin’ny maha-mpitsabo mpanampy an’i Elaine dia nampitoviny ny fanasitranana ara-batana sy ny fanasitranana ara-panahy rehefa nilaza izy hoe: “Tsy fitsaboana ny fanasitranana. Madio sy haingana ary vita ny fitsaboana—matetika atao eo ambany fanatoranana. … Ny fanasitranana … matetika dia dingana fanarenana sy fitomboana mandritra ny androm-piainana eny fa na misy aza, ary angamba satria misy, ny fanafihana ara-batana, ara-pihetseham-po, na ara-panahy. Mitaky fotoana izany.”
Heveriko fa tsy kisendrasendra ny hoe nitaky chimiothérapie enim-bolana ny fitsaboana ny homamiadana tao amiko. Ny vokatry ny chimiothérapie dia mahery vaika, goavana ary mandreraka tokoa. Mahaliana fa ny fianarana mamela ny vatako ho sitrana ara-batana dia nampianatra ahy fitsipika manan-danja momba ny fanasitranana ara-panahy—ny fomba hisintonana ny fahasoavan’i Jesoa Kristy sy hamela ny tenako fotoana sy toerana hanasitranana ny fifandraisako Aminy sy ny Ray any An-danitra.
Mandray ny fahasoavan’ny Mpamonjy
Ny fahasoavana dia fanampiana avy amin’ Andriamanitra, hery manome fahafahana sy manatanjaka ary fanasitranana ara-panahy. Fanomezana avy amin’ny Raintsika any An-danitra izany, izay “omena antsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Tompo Jesoa Kristy.”
Ny ohatra tiako indrindra amin’ny olona iray mahazo ny hery manasitran’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny Sorompanavotany dia i Almà Zanany. Rehefa nandry tao anatin’ny tsy fahatsiarovan-tena nandritra ny telo andro izy, noho ny “fijalian’ny fanahy voaozona,” dia nahatsiaro ny fampianaran’ny rainy ny amin’i Jesoa Kristy izy (jereo ny Almà 36:16–17). Naniry fanampiana aloha izy ary avy eo nitodika tany amin’i Kristy, izay nanova ny lalany ary namela azy ho sitrana ara-panahy (jereo ny Almà 36:18–22).
Ny dingana voalohany nataoko ho amin’ny fanasitranana ara-panahy dia ny fitadiavana faniriana hifandray amin’ Andriamanitra. Nampianatra ahy ny fomba hanombohana i Almà rehefa nilaza izy mba “hampihatra sombiny amin’ny finoana, eny, na dia tsy afa-manao mihoatra noho ny maniry ny hino aza ianareo, dia avelao izany faniriana izany hiasa ao aminareo, ambara-pinoanareo amin’ny fomba izay hahafahanareo manisa toerana ho an’ny ampahany amin’ny teniko” (Almà 32: 27).
Mijoro ho vavolombelona avy amin’ny zavatra niainako manokana aho fa marina io fampianarana io.
Afaka mampitombo faniriana isika, mamboly voa iray (ny tenin’ Andriamanitra), ary mamelona izany voa izany mandra-pahatongany ho zavatra tena izy sy mivaingana. Amin’ny farany, ny vokatry ny finoantsika an’i Jesoa Kristy dia miseho rehefa mahita fiovana isika eo amin’ny zavatra ataontsika, ny hevitsika, ny finoantsika, ny fontsika, ny saintsika ary avy eo ny fanahintsika. Manjary miorina eo Aminy ny fototsika (jereo ny Helamàna 5:12).
Mitovy amin’ny zavatra niainan’i Almà, ny faniriako hahatsapa ny Fanahy sy ny fifalian’ny filazantsara indray dia nitarika fiovana iray manontolo izay nitondra ahy nandritra ny dingan’ny fanasitranana. Nanomboka teo, ny Mpamonjy dia nanampy ahy hamela ireo fahatsapako taloha rehefa nianatra ny hamela ny alaheloko tamin’ Andriamanitra sy Taminy ary ny fahalemeko manokana aho.
Noho Izy, dia naverina tamiko ny ampahany amin’ny tenako izay noheveriko ho very tao anatin’ny zavon’ny fisedrana nolalovako—toy ny toetrako, ny faniriako ary ny fitiavako ny filazantsara—ary nahatonga ahy hahatsapa ho sitrana sy nohavaozina ary naverina tamin’ny laoniny.
Fototra matanjaka kokoa
Nanova ahy ny fanaintainana sy ny fanamby, saingy rehefa nahita fanasitranana tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy aho dia nanorina ny fototry ny finoana teo Aminy marina tokoa aho. Rehefa mandeha ny fotoana ka sitrana aho, dia hitako fa afaka mianatra ny hanana fifaliana aho noho i Jesoa Kristy na dia eo aza ny fahasahiranako. Takatro izao fa ny ampahany manan-danja indrindra amin’ny fiatrehana fitsapana dia tsy izay maharava antsika na ny fanaintainana tsapantsika—fa ny mitranga rehefa avy miaina ny fahasitranana sy ny fanorenana indray amin’ny alalan’ny fahasoavan’ny Mpamonjy isika.
Nampianatra ny Loholona Patrick Kearon ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ry namana izay efa noratrana mafy, ary koa ireo izay nilanja ny tsy rariny teo amin’ny fiainana, afaka ny hanomboka indray sy hiverina hiainga tsisy pentina ianao. Tao Getsemane sy teo Kalvary, i Jesoa -nitondra teo Aminy … ny alahelo sy ny fijaliana rehetra izay mety holalovanao sy izaho- [Russell M. Nelson, “Ny anarana marin’ny Fiangonana,” Liahona, nôv. 2018, 88], ary efa nandresy ny zavatra rehetra Izy!”
Noho izany, ho an’ireo izay mahatsiaro ho torotoro, miangavy anareo aho mba ho be herim-po, hifikitra, ary hatoky ny Tompo sy ny heriny manasitrana. Miaraka amin’ny fotoana sy ny faharetana ary na dia ny faniriana faran’izay kely aza, ny fahasoavany dia afaka manova anao, manorina indray ny fototra iorenanao ary manampy anao hahatsapa ho sitrana indray.
Izany no fanomezana atolony ho antsika tsirairay.
Mipetraka any Caroline du Nord ao Etazonia ny mpanoratra.