“Fomba 3 haharetana ny fiainana sy hankamamiana izany,” Liahona, sept. 44.
Tanora
Fomba 3 haharetana ny fiainana sy hankamamiana izany
Tian’ny Ray any An-danitra hahita fifaliana isika eo amin’ny fiainana nomena antsika.
Oviana no fotoana farany tena nahafaly anao tokoa?
Sarotra valiana ve izany fanontaniana izany?
Amin’ny fotoan-tsarotra, dia mety ho latsa-paka ao anatin’ny fisedrana isika ka tsy ho tsaroantsika mihitsy hoe manao ahoana ny fifaliana. Araka ny namariparitan’ny Rahavavy Reyna I. Aburto, Mpanolotsaina Faharoa teo aloha tao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, dia: “Mety hipoitra eo amin’ny fiainantsika koa ny rahona mainty, izay afaka hanakana antsika tsy hahita ny hazavan’ Andriamanitra ary mety hahatonga antsika hanontany tena aza raha mbola misy ho antsika izany hazavana izany.”
Ho an’ny ankamaroantsika tanora olon-dehibe, ny fiainana indraindray dia mety ho toy ny zavatra tokony hiaretana fotsiny—zavatra tsy maintsy atrehina mandra-pahazoantsika ireo fitahiana nampanantenaina antsika.
Ny adinontsika indraindray dia zavatra ankamamiana ihany koa izany. Afaka manomboka dieny izao ny fitahian’ny fahasambarana mandrakizay.
Ireto misy fomba vitsivitsy ahafahantsika mamelona indray ny fahazavana sy ny fifaliana eo amin’ny fiainantsika.
Tsarovy ireo fahamarinana tsotra
Ho solon’ny fanazarantsika ny masontsika hahita ao amin’ny haizina, dia afaka mikaroka ireo tara-pahazavana izay entin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainantsika isika.
Nampahatsiahy antsika ny Filoha Russell M. Nelson fa “ny fifaliana dia avy [amin’i Jesoa Kristy] sy noho i [Jesoa Kristy]. Izy no loharanon’ny fifaliana rehetra.” Rehefa sahirana mitady hazavana eo amin’ny fiainanao ianao dia tokony ho dingana voalohany hatrany ny fitodihana amin’i Jesoa Kristy.
Azonao atao ihany koa ny mangataka ny Ray any An-danitra mba hanampy anao hahatsiaro ny maha-zava-dehibe ny maha-Andriamanitra anao.
Nampianatra ny Loholona Gary B. Sabin ao amin’ny Fitopololahy hoe: “Iankinan’ny fahasambarantsika ny hahatsiarovantsika fa zanakalahy sy zanakavavin’ny Ray any An-danitra be fitia isika.” Ny fahafantarana marina fa mahafantatra anao Andriamanitra ary maniry ny tsara indrindra ho anao dia afaka manazava ny fiainanao.
Na dia eo aza ireo fanamby atrehinao dia afaka manampy anao hanasa ny fahazavan’ny Mpamonjy ho eo amin’ny fiainanao ny fahatsiarovana ireo fitsipika fototry ny filazantsara ireo.
Tadiavo izay mitondra fahasambarana ho anao
Indraindray dia mety ho sarotra ny mitadidy fa ny fahasambarantsika dia tsy mitovy amin’ny an’ny hafa foana. Raha ny marina, amin’ny maha-tanora lehibe antsika dia sarotra ny tsy mampitaha ny fiainantsika amin’ireo manodidina antsika. Tadidio anefa fa ianao no mifehy ny fahasambaranao manokana.
Manontania tena hoe: inona no mahafaly anao?
Inona no mampitsiky anao?
Araka ny soso-kevitry ny Filoha Dieter F. Uchtdorf fony izy Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany: “Ahenao ny firotorotoana ary makà fotoana fanampiny hahafantarana bebe kokoa ny tenanao.” Tadiavo ny hatsaran-tarehy ao amin’ny zavatra kely: Mandehana an-tongotra. Tsidiho ny tempoly. Misoratra anarana amin’ny tetikasa asa soa. Mitadiava fialam-boly vaovao na avereno atomboka indray ny fialam-bolinao taloha.
Ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niresaka momba ny fomba ahafahan’ny famoronana manazava ny fiainantsika: “Misafidiana zavatra toy ny mozika, dihy, sary sokitra, na tononkalo. Hanampy anao hankafy ny fiainana ny famoronana. Miteraka toe-tsaina feno fankasitrahana izany. Mampivelatra talenta miafina izy io, manatsara ny fahaizanao misaina, manao zavatra, ary mahita tanjona eo amin’ny fiainana. Manala ny fanirery sy ny ratram-po izany. Manome fanavaozana sy fientanam-po ary finiavana ho amin’ny fiainana izany.”
Ny fitadiavana izay mameno ny fonao amin’ny fahasambarana dia afaka manampy amin’ny famerenana indray ny fahazavana eo amin’ny fiainanao rehefa ao anatin’ny fahasahiranana ianao.
Mifantoha amin’izay zava-dehibe indrindra
Raha toa ka manjavozavo loatra ny fiainana ary tsapanao fa mandany ny herinao rehetra ianao mba hamitana ny isan’andro, dia makà fotoana mangina mba hifantohana amin’ny zava-dehibe indrindra.
Mba hanaovana izany dia nanoro hevitra antsika ny Filoha Uchtdorf mba “hanatsotra kely ny fiainantsika.” Ampifantohy indray amin’ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy ny fanomezana mahafinaritra ny Sorompanavotan’i Kristy ny fiainanao. Ataovy laharam-pahamehana ny fifandraisanao amin’ny fianakavianao, ny namanao ary ny tenanao.
Reseo ny ratsy amin’ny zavatra tsara, ny haizina amin’ny fahazavan’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.
Araka ny namporisihan’ny Filoha Nelson antsika hoe: “Aoka isika tsy hoe hiaritra fotsiny mandritra ity vanim-potoana ity. Fa andeha isika handray amim-pinoana ny hoavy!” Eo am-piaretana ireo zava-tsarotry ny fiainana dia mianara mankafy ny hakanton’izany koa. Ny fahasambarana mandrakizay izay ampanantenain’ny filazantsara dia tsy manomboka amin’ny hoavy—manomboka izao izany.