Liahona
Mahita fanamaivanana ao amin’ny fifandraisana ara-panekempihavanana ataontsika amin’ Andriamanitra
Septambra 2024


“Mahita fanamaivanana ao amin’ny fifandraisana ara-panekempihavanana ataontsika amin’ Andriamanitra,” Liahona, sept. 2024.

Mahita fanamaivanana ao amin’ny fifandraisana ara-panekempihavanana ataontsika amin’ Andriamanitra

I Jesoa Kristy loharano ipoiran’ny fitiavana madio, ny fanasitranana, ny fahasambarana ary ny fanamaivanana.

I Jesoa amin’ny Fiaviana fanindroany

Sombiny avy amin’ny Ho avy indray Izy hanapaka sy hanjaka, nataon’i Mary R. Sauer

Ny fitadiavana fanamaivanana amin’ny alalan’ny fifandraisantsika ara-panekempihavanana amin’ Andriamanitra dia efa tao an-tsaiko sy tao am-poko nandritra ny fotoana elaela. Rehefa nampianatra sy namporisika antsika hianatra momba ny fanekempihavanana sy ny tempoly ary ny herin’ny fisoronana ny mpaminanin’ny Tompo, dia nahita ny tenako aho nitady sy tia ary nivoky tamin’ireo fahamarinana mamelombelona voarakitra ao amin’ireo fanekempihavanana.

Mpiara-miombonantoka amin’ny Tompo amin’ny fomba mahery vaika isika amin’ny alalan’ireo fanekempihavanantsika. Maniry ny hiaraka amintsika Izy ao anatin’ireo fanahiantsika sy ny fanapahan-kevitra ataontsika. Tsy mila mandeha irery ao amin’ireo fanamby, alahelo, tsy fahatokisana ary ratram-po eo amin’ny fiainana isika. Ho eo akaikintsika Izy. Nilaza Izy fa: “Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankatỳ aminareo Aho” (Jaona 14:18).

Ny Filoha Russell M. Nelson dia namaritra ny toetran’ Andriamanitra sy ny fitiavany lehibe antsika rehefa nampianatra izy fa “ny lalan’ny fanekempihavanana dia miompana tanteraka amin’ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra.” Hoy izy: “Rehefa manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra izaho sy ianao, ny fifandraisantsika Aminy dia lasa tena akaiky kokoa noho ny talohan’ny fanekempihavanantsika. Mifamatotra isika izao. Noho ny fanekempihavanantsika amin’ Andriamanitra, dia tsy ho reraka mihitsy Izy amin’ny ezaka ataony hanampiana antsika, ary tsy ho lany mihitsy ny faharetany feno famindram-po amintsika. Samy manana anjara toerana manokana ao am-pon’ Andriamanitra isika tsirairay avy. Avo dia avo ny fanantenany ho antsika.”

Ny loharano lehibe indrindran’ny fiadanana

Amin’ny maha-rahavavy mbola tsy nanambady ahy dia manana toerana mahery vaika eo amin’ny fiainako io fifandraisana feno fitiavana sy feno famindram-po ara-panekempihavanana amin’ny Raiko any An-danitra sy ny Mpamonjy io ary taloha sy ankehitriny dia io no loharanon’ny fanamaivanana sy fiadanako lehibe indrindra. Na inona na inona toe-javatra misy antsika eo amin’ny fanambadiana na fiaviana, dia maniry ny hiarahantsika miasa Aminy amin’ny fomba mahery vaika ny Tompo—ho “iray” (3 Nefia 19:23) miaraka Aminy amin’ny “izay atao[tsika] rehetra” (Almà 37:37). Rehefa mitalaho amin’ny Tompo isika mba hanohana antsika, ary “aoka ny fitiavan’ny fo[tsika] hapetraka Aminy mandrakizay” (Almà 37:36; nampiana fanamafisana), dia ho feno io fanekempihavanana mahafinaritra io ny fiainantsika.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Mpamonjintsika dia afaka mahazo fanamaivanana isika amin’ny fiatrehana samirery ireo olan’ny fiainana.

Isika rehetra dia manana ahiahy sy filana ka mahatsapa ho irery isika anatin’izany. Mieritreritra momba ireo ahiahintsika Izy na lehibe izany na kely. Nahatsapa fa nila ny fanampiany aho rehefa nanahy momba ny zavatra toa kely toy ilay namana eo foana izay antsoiko hoe “fanamboarana trano.” Tsy misy vady hakana hevitra aho, ka afaka manahy samirery ny amin’izay mpiantoka tsara alaina, ny fandaniana ara-drariny, ny fakana fotoana tsy hiasana mba ho ao an-trano, ary ny fitananana tsara ny volako sy ny tranoko. Fandresena tamin’izay andro izay ny nahavitan’ny fanamboarana ny varavaran’ny garaziko! Nandre ny ahiahiko ny Tompo. Ary na dia kely ao anatin’ny drafitra lehibe aza izany dia namaly ny vavaka nataoko Izy. Amin’ny fomba ahoana? Tamin’ny alalan’ny mpifanolo-bodirindrina tsara fanahy iray, ny fanampian’ny Fanahy, ary ny horonan-tsary iray tao amin’ny YouTube, dia nahazo fitahiana aho nahafantatra ny zavatra tokony hatao hanamboarana ilay varavarana.

Raha mandinika ny filana madinika ny Tompo, dia alaivo sary an-tsaina ny faniriany hitahy sy hanohana antsika amin’ireo raharaha mavesa-danja ao amin’ny fo sy ny fanahy, izay tsy vitsy amin’ny isa: fanararaotana, fiankinan-doha, fifandraisana sarotra eo amin’ny fianakaviana, fahaverezana sy fahadisoam-panantenana, olana ara-pahasalamana ara-tsaina sy ara-batana, fahasahiranana ara-bola, fiahiahiana tsy tapaka amin’ny maha-ray aman-dreny, fiahiana tsy tapaka amin’ny fikarakarana ray aman-dreny, ady amin’ny finoana an’ny tena manokana, zanaka na vady izay misafidy ny tsy handray anjara amin’ny filazantsara.

Nandritra ny fahamafisana sy ny rofy eo amin’ny fiainana dia niantehitra mafy sy nihazona mafy ny fifandraisana ara-panekempihavanako tamin’ Andriamanitra aho. Rehefa natoky ny fiahiany feno fitiavana aho ary niezaka nanokana ny fiainako ho Azy, dia nanome fanamaivanana tamin’ny alalan’ny herin’ny fisoronany Izy ary Izy no Mpanome ahy tamin’ireo zavatra ilaiko ara-panahy sy ara-nofo. Nanome fanamaivanana amin’ny tahotra Izy, fanamaivanana amin’ny tsy fandriampahalemana, fanamaivanana amin’ny avonavona, fanamaivanana amin’ny fahotana, fanamaivanana amin’ny fanirery, fanamaivanana amin’ny alahelo.

Nampianatra mazava sy feno toky ny Filoha Nelson hoe: “Ny valisoa amin’ny fitandremana ny fanekempihavanana amin’ Andriamanitra dia ny hery avy any An-danitra—hery izay mampatanjaka antsika mba hahatohitra tsara kokoa ny fitsapana sy ny fakam-panahy ary ny ratram-pontsika.”

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy dia afaka mahazo fanamaivanana isika amin’ny fiatrehana samirery ireo olan’ny fiainana.

Rahavavy Yee miaraka amin’ny rahavavy roa hafa

Rahavavy Yee miaraka amin’ny anabavy roa any Mikronezia izay mitaiza zanaka narian’ny ray aman-dreniny.

Rahavavy “any amin’ireo nosin-dranomasina”

Rehefa nisaintsaina ireo fitahiana avy amin’ny fanekempihavanana ananantsika amin’ Andriamanitra aho dia nieritreritra momba ny asa nanendrena ahy hitsidika ny Vondrom-paritra Azia Avaratra.

Nanana tombontsoa aho nandeha tany amin’ireo nosy kelin’i Chuuk any Mikronezia, tokony ho 2 400 km any atsimoatsinanan’i Japana. Ny roa amin’ireo Rahavavy ao Weno, Chuuk, dia nanolotra ny ainy mba hitaizana zanaka narian’ny ray aman-dreniny. Nahatsapa ireo rahavavy roa ireo fa zava-dehibe ny mitaiza ireo ankizy ireo ao amin’ny filazantsara. Ny iray amin’ireo rahavavy ireo dia tsy manambady ary miasa manontolo andro amin’ny maha-mpanolo-tsaina ao amin’ny sekoly iray.

Nozaraiko tamin’izy ireo ny hafatry ny Filoha Nelson ho an’ireo rahavavin’ny Fiangonana, dia ny hoe tiana sy ilaina ary sarobidy ianareo ry rahavavy.

Nitomany ilay rahavavy tokan-tena tsara tarehy izay mitaiza ny zanak’anabaviny ary nilaza fa tsy nahatsiaro tena ho sarobidy izy tato ho ato; nahatsiaro ho hadino izy. Saingy nijoro ho vavolombelona izy fa nahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny fahatsiarovany azy tamin’ny tenin’ny mpaminany fa tena “sarobidy” tokoa izy, ary fantany fa marina izany. Nahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra manasitrana izy; nahatsapa fanamaivanana izy.

Hoy ny Tompo hoe: “Tsy fantatrareo va fa Izaho Tompo Andriamanitrareo dia efa nahary ny olon-drehetra ka tsaroako ireo izay any amin’ny nosin-dranomasina; (2 Nefia 29:7).

Ireo rahavavy ireo dia fantatry ny Rainy any An-danitra sy ny Mpamonjy azy ireo. Tsy irery izy ireo. Tsy irery koa izaho sy ianao ao anatin’ny fitsapana sy fanamby atrehantsika. Nirahin’ny Tompo tany amin’ny 13 700 km teo ho eo aho nandeha fiaramanidina, fiarandalamby, fiara, ary sambo mba hitondra ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny fanamaivanana ho an’ilay “iray” any amin’ireo nosin-dranomasina. Ary noho izany Izy dia hahita ahy sy ianao any amin’ireo nosintsika manokana izay mety hahatsapantsika ho irery ao anatin’ny ahiahy sy ny enta-mavesatsika ao am-pontsika. Eo Izy ary vonona ny hitahy sy hitarika ary hampionona antsika.

“Fa izaho afaka mankany aminao”

Indray mandeha ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) dia nanoritsoritra ny zavatra niainan’ny “reny iray vao nisara-panambadiana manan-janaka fito izay vao 7 ka hatramin’ny 16 taona. Nilaza izy fa nandeha nanatitra zavatra tany amin’ny mpifanila trano taminy izy indray hariva. Izao no teniny araka ny fitadidiany azy:

“Rehefa nihodina hiverina hody aho dia hitako ireo jiro nirehitra tao an-tranoko. Ohatry ny henoko ny feon’ ireo zanako rehefa nivoaka ny trano aho minitra vitsy talohan’ izay. Hoy izy ireo hoe: ‘Neny a! Inona no sakafontsika hariva?’ ‘Afaka mitondra ahy any amin’ ny tranomboky ve ianao?’ ‘Mila mitady taratasy matevina fanaovana sary aho anio hariva.’ Reraka sy torovana aho raha nijery io trano io ary nahita ny jiro nirehitra tao amin’ ny efitrano tsirairay. Nieritreritra an’ ireo ankizy rehetra ireo aho izay miandry ahy ho tonga ao an-trano hanome izay ilainy. Tena tsapako ho mavesatra mihoatra noho izay zakako ilay entana nolanjaiko.

“Tsaroako aho nijery ny lanitra tao anatin’ ny ranomaso, ary niteny hoe, ‘Ray Malala ô, tena tsy vitako intsony ny anio alina. Reraka loatra aho. Tsy vitako intsony. Tsy afaka ny hody ao an-trano aho dia hikarakara irery ireo zanako rehetra ireo. Moa ve aho afaka mankany Aminao ary miaraka Aminao indray alina monja? …’

“Tsy tena nandre ireo teny ho valin’ izany aho, saingy henoko tao an-tsaiko izany. Toy izao ny valiny: ‘Tsia, ry zanako, tsy afaka mankaty amiko ianao amin’ izao fotoana izao. … Fa izaho afaka mankany aminao.’”

Izaho afaka mankany aminao.” Nanatona azy Izy, ary ho avy amiko sy aminao Izy, tahaka ny nahatongavan’ny Mpamonjy tamin’ilay vehivavy teo amin’ny fantsakana izay nisasarany sy niasany nandritra ny androm-piainany (jereo ny Jaona 4:3–42). Nampahery azy Izy, nampianatra azy, nanambara ny maha-Mesia Azy taminy, ary tia azy na dia mety tsy tia ny tenany aza izy. Ho an’ilay vehivavy teo am-pantsakana, ho an’ilay reny tanora manan-janaka fito, ho anao sy izaho, dia vonona hanome fanamaivanana i Jesoa Kristy. Mijoro ho vavolombelona aho fa afaka mahazo fanamaivanana isika amin’ny alalan’ny fanekempihavanantsika amin’ Andriamanitra be fitiavana.

Angamba toa ahy, ianao dia nitalaho fanampiana mba tsy havela ho irery mandritra ny sasany amin’ireo vanim-potoana tena mitaky be ara-pihetseham-po sy ara-batana ary ara-panahy eo amin’ny fiainanao. Ireo vanim-potoanan’ny fitomboana mahery vaika ireo dia namela ilay antsoiko hoe “tsatsakoatra ara-panahy” eo amin’ny fanahy. Fa izaho dia mijoro ho vavolombelona fa Izy no nitondra ahy, ary Izy no hitondra anareo. Efa vitany tombo-kavatsa eo am-pelatanany isika (jereo ny Isaia 49:16; 1 Nefia 21:16). Teo Izy rehefa nikatsaka ny “ho marina ao amin’ny maizina” ianao. Tsy nahafoy ahy Izy ary tsy hahafoy anao. Ary ho tia Azy mandrakizay aho noho izany.

Ry rahavavy sy ranadahy malala, ny loharanon’ny fitiavana madio, ny fanasitranana, ny fahasambarana ary ny fanamaivanana dia hita ao amin’i Jesoa Kristy. Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no fanamaivanana.

Maniry ny hikarakara anao Izy, hitahy sy hamela anao. Izany indrindra no nahatongavany, dia ny hanome anao ny fanamaivanana tena ilaina izay tadiavinao. Izy no Mpanavotra izao tontolo izao, ary mijoro ho vavolombelona aho fa velona Izy ary tia anao Izy.

Avy amin’ny lahatenin’ny Fihaonamben’ny Vehivavy ao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young natao tamin’ny 3 mey 2023.