Liahona
Ny Fanahy no nitondra fahasamihafana
Septambra 2024


Ny Fanahy no nitondra fahasamihafana,” Liahona, 2024.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Ny Fanahy no nitondra fahasamihafana

Tsapako ny fitiavan’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy rehefa nihira izy ireo nefa tsy afaka nitendry ho azy ireo aho.

sarina vehivavy iray nitendry ôrga sy ampiononin’ny olona roa

Sary nataon’i Katy Dockrill

Nipetraka tao amin’ny tanàna kely iray tany Géorgie, Etazonia, izahay, rehefa maty ny raiko teo amin’ny faha-55 taonany monja. Nipetraka tany amin’ny faritra hafa ny ankamaroan’ny fianakavianay. Tsy mbola tsapako ho lehibe kokoa noho ny tamin’izany fotoana izany ny 3200 kilaometatra teo anelanelanay.

Eveka ny vadiko ary izaho no mpitendry ôrga tao amin’ny paroasy kelinay. Noho ny fihetseham-po sy ny adin-tsaina rehetra tamin’ny fanampiana tamin’ny drafitry ny fandevenana dia nahatsiaro tena ho reraka manokana aho tamin’io alahady io rehefa tonga ny fotoana hanaovana ny hira famaranana ny fivoriana fanasan’ny Tompo hoe: “Homba anao hatrany anie ny Ray” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 80).

Teo antenatenan’ny andininy faharoa, dia nandresy ahy ny alaheloko. Toa vitako ihany ny nitendry hatramin’ny faran’io andininy io, saingy nangovitra ny tanako ary vonton-dranomaso ny masoko ka voatery nijanona aho nefa nisy andininy iray manontolo tavela. Tsy nitsahatra nitomany aho.

Nisy fiatoana kely taorian’izay, rehefa hitan’ny fiangonana fa nijanona ilay orga. Saingy nanomboka nihira a cappella ireo mpikambana ao amin’ny paroasy. Tsy tonga lafatra ny hira. Vitsy ihany koa izahay. Fa ny Fanahy no nitondra fahasamihafana. Tao anatin’ny ranomasoko sy ny henatro, dia nahatsapa ny fitiavan’ny maro aho rehefa nihira izy ireo.

Homba Anao Hatrany Anie ny Ray;

Hampahery anao tokoa,

Ho fanevanao hialoha.

Homba Anao Hatrany Anie ny Ray.

Rehefa nifarana ny fihirana dia namihina ahy ilay mpitarika mozika rehefa nitomany aho nandritra ny vavaka famaranana. Olona maromaro avy eo no nanatona ny ôrga niaraka tamin’ny ranomaso mba hilaza ny alahelony momba ny raiko.

Tatỳ aoriana, dia nilaza tamin’ilay mpitarika mozika aho fa hitendry piano amin’ny fandevenana. Toa hevitra ratsy angamba izany taorian’ny zava-nitranga vao haingana, saingy nankafizin’ny raiko ny nandre ahy nitendry piano. Naniry ny hitendry ho azy aho. Tsapako avy eo hoe tena akaiky izy nandritra ny fihirana famaranana.

Tena feno fankasitrahana aho noho ny hira. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny mozika dia afaka mampianatra sy mampahery antsika amin’ny fomba izay tsy vitan’ny teny matetika. Araka ny nosoratan’ny Fiadidiana Voalohany tao amin’ny sasin-tenin’ny boky fihirana hoe: “Ny hira ao anaty fihirana dia … hampahery ireo trotraka, hampionona ireo manam-pahoriana ary hanentana antsika haharitra hatramin’ ny farany.” Feno fankasitrahana aho noho ny fitiavana azoko avy tamin’ny paroasy tsara iray fony aho mbola lavitra ny fianakaviako. Fantatro fa hihaona indray izahay sy ny raiko.